Tantara mikasika ny Trinite sy Tobago
‘Tek sleep and mark death': Tantara fampitandremana ny fianahan'ny menaka mainty ao Tobago
Mahatonga ny Jamaikana sasany hanontany tena amin'ny fahafahan'ny fireneny manalefaka ny fiantraikan'ny fianahan'ny menaka-solika ny voina ara-tontolo iainana vao nitranga tao Tobago — sy ny fisandratan'i Guyana ho mpamokatra solika —.
Fampirantiana iray vaovao any UK mamerina ny lova navelan'ny governora britanika iray mahery setra ; hanaraka izany ve i Trinidad sy Tobago?
Nalàna tamin'ny taona lasa iny ny sarin'i Picton, izay nibahana toerana nisongadina tao amin'ny National Museum Cardiff nandritra ny zato taona mahery, saingy mbola manako ao Trinidad sy Tobago ny anarany.
‘Tsarovy ny anarana': Nitondra fifaliana ho an'ireo mpankafy cricket any Antilles ny fandresena tsy nampoizina azon'i Shamar Joseph ao Goyana.
Ho an'ny maro amin'ny mpankafy ny lalao, toy ny fiverenana amin'ny androm-boninahitry ny cricket antillais ny fotoana, ka mahatonga ny sasany hanontany tena raha nanatri-maso fahateraham-baovao indray izy ireo.
Herisetra no nanombohana ny taona vaovao tao Trinidad & Tobago
Na lazaina ho avy amin'ny fanondranana zavamahadomelina sy ny fiantraikany aza ny ampahany betsaka amin'ireo herisetra, mbola itoloman'ilay firenena ihany koa ny momba iroe trangana herisetra an-tokantrano, ny fakàna an-kery sy ny famonoana vehivavy
Nahoana aho no mampiasa ny zoko ho afaka hanao hetsipanoherana aty Trinidad & Tobago
Tsy hetsipanoherana fanairana fotsiny ity diabe manokana ity : fihetsika fisaonana ihany koa. Maro amin'ireo vahoakanay no maty noho ny herisetra tamin'ity taona ity.
‘Nigadona ny voromahery’ ka mientanentana ireo mpiseran'ny media sosialy ao Trinite sy Tobago
Nielipatrana ny lazan’ity fehezanteny ity nandritra ny iray tamin'ireo tranga manan-tantara indrindra tamin'ny taonjato faha-20. Teny iray ampiasain'ny Trinbagoniana ihany koa izy io mba hilazany fa tonga ny karaman’izy ireo.
Andro iraisampirenena ho an'ny olona manana fahasembanana, mbola lavitra ny lalana ho an'i Trinidad sy Tobago
Amin'ny alalan'ny fampiharana ny lalàna no fomba mahomby indrindra hiatrehana ireo sakana ara-tsaina sy rafitra izay iainan'ny olona manana fahasembanana isan'andro ao Trinidad sy Tobago.
Manasongadina ireo endrika malazan'ny vakodrazana Karibeana ity “Trano Misitery” ity
Mille Fleurs, foiben'ny National Trust any Trinité sy Tobago, no navadika ho Kay Misté - ilay Trano Misitery - mba hamporisihina ny olona hianatra bebe kokoa ny vakodrazana Karibeana.
Topi-maso amin'ny traikefa iainana ny fadimbolana tanatin'ny fahantrana ao Jamaika sy Trinidad sy Tobago
Ny fikambanana tsy mitady tombony any amin'ireo Nosy roa dia mamporisika ny fampiasana kokoa ireo vokatra miaro tontolo iainana, vokatra mbola azo ampiasaina isambolana, ho fomba hiatrehana mivantana ny fadimbolana mandritra ireo trangana fiovan'ny toetrandro.
Ahoana ny hinamanana amin'olona miala aina
Nataontsika hanjavozavo ny zavatra tokana antoka eo amin'ny fiainana.