Tantara mikasika ny Goiana
‘Tek sleep and mark death': Tantara fampitandremana ny fianahan'ny menaka mainty ao Tobago
Mahatonga ny Jamaikana sasany hanontany tena amin'ny fahafahan'ny fireneny manalefaka ny fiantraikan'ny fianahan'ny menaka-solika ny voina ara-tontolo iainana vao nitranga tao Tobago — sy ny fisandratan'i Guyana ho mpamokatra solika —.
‘Tsarovy ny anarana': Nitondra fifaliana ho an'ireo mpankafy cricket any Antilles ny fandresena tsy nampoizina azon'i Shamar Joseph ao Goyana.
Ho an'ny maro amin'ny mpankafy ny lalao, toy ny fiverenana amin'ny androm-boninahitry ny cricket antillais ny fotoana, ka mahatonga ny sasany hanontany tena raha nanatri-maso fahateraham-baovao indray izy ireo.
Ny anjara asan'ny fambolena manaraka toetrandro amin'ny ezak'i Goyana hampihenana ny fanafaran-tsakafo
Mba hanampiana amin'ny fanatrarana ny tanjon'ny CARICOM hampihena 25 isanjato ny fanafaran-tsakafo any Karaiba amin'ny taona 2025, dia mitodika amin'ny teknikam-pambolena manaraka toetrandro i Goyana ho fomba iray hampitomboana hatrany ny famokarana ara-tsakafo.
Tafiditra anaty tantara noho ny isa ambony indrindra tsy mbola nisy teo amin'ny cricket sokajy vehivavy T20I ny Antilles, fa afaka ny handrombaka io andiany io ve izy ireo?
Azo antoka tamin'ny ampahany ny fandresen'ny ekipa noho ny fahaizana mahatalanjona ananan'ny kapiteniny, ilay Barbadiana Hayley Matthews, izay nahazo ny isa 132 tamin'ireo 64.
Ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro amin'ny famokarana sakafo ao Goiàna sy St-Vincent&Grenadines
Raha niezaka nanandrana ny hampitombo ny famokarany ireo firenena nosy kely ao Karaiba mba hiadiana amin'ny fidangan'ny vidin-tsakafo, ny fiovàn'ny toetrandro kosa nanelingelina ireny ezaka ireny
Milaza ny mpanao famotorana ao Goiana fa mpianatra vavy iray tezitra tamin'ny findainy nogiazana no fotory ny fahamaizana mahatsiravina tamin'ny kilasimandrin-tsekoly iray
Tao amin’ny efitra fandroana no niantombohan’ny afo, izay noheverina fa nanaparitahan'ilay tovovavy fanafody famonoana bibikely teo amin’ny lambam-baravarana, avy eo izy nandrehitra afokasoka. Vetivety dia niitatra nanerana ny trano ny afo.
Jamaikàna mpandalin-kevitra ara-kolontsaina, mampiasa Twitter, hisarihana ny saina ho amin'ireo zavabita miavaka ao Karaiba
Matetika i Wayne Chen, Jamaikàna mpampiasa Twitter sady mpandalin-kevitra ara-kolontsaina Wayne Chen no mamoaka vaovao mahaliana mikasika ireo olomalaza sy mpisava lalana ao Karaiba ao amin'ny sehatra media sosialy.
Mampirehareha an'i Barbados tamin'ny fampisehoany mahavariana Super Bowl i Rihanna
Heveriko fa tsy azonareo ny antom-pireharehana. 166 arivo maily toradroa i #Barbados. Ny nosy Karaiba farany atsinanana indrindra. Misy olona vitsivitsy monina tsy mihoatra ny iray maily miala ny toerana nanandevozana ny razamben'izy ireo. Ary avy amin'izany rehetra izany...#Rihanna!
Antigoa & Barboda: firenena farany indrindra ao Karaiba nanambara hoe tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana ny lalàna “mandrara ny sôdômia”
Tamin'ny 5 Jolay, namoaka didy ny Fitsarana Avo tao amin'ny firenena fa mifanohitra amin'ny zo omen'ny lalàm-panorenana ny olompirenena ireo toko sy andininy ao anatin'ny Lalàna Manameloka ny Firaisana Ara-Nofo ataon'ny olona mitovy taovam-pananahana
Nifamahofaho ny Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety tao Karaiba
'Miha-mampidi-doza hatrany ny tontolo iasan'ireo mpanao gazety ao Karaiba'