Tantara tamin'ny Teknolojia mampangarahara asa

[Tatitra] Teknolojia Ho an'ny Fangaraharana

  04 Novambra 2018

Vokatry ny efa-bolana nikarohana momba ireo tanjona, fanamby, fahombiazana, sy ny fiantraikan'ireo tetikasa teknolojika an-tambajotra izay mikendry ny fampiroboroboana ny fangaraharana, fandraisana andraikitra ara-politika, sy ny fandraisana andraikitra amin'ny maha-olompirenena ity tatitra ity. Izany dia ahitana trangana fikarohana, famintinana ary tolo-kevitra amin'ny fanatsarana ny fitantanana mba hahatonga ny fampiasana ny teknolojia ifotony hahomby kokoa amin'ny fanatsarana ny lisitry ny tetikasa fitantanana manerana ny tany, izay manome torohay fototra voafariparitra ary toejavatra manodidina ireo tetikasa mifandray amin'izany.

Manakana ny fandrosoana any Nepal ny kolikoly

  03 Oktobra 2018

Tsy miafina intsony fa olana lehibe any Nepal ny kolikoly . Araka ny filazan'ny Transparency International (TI), laharana faha-143 (raha laharana faha-121 teo aloha) amin'ny firenena 180 amin'ny ambaratongan'ny ady amin'ny kolikoly ny firenena. Nouvelle Zélande no tsy dia mpanao kolikoly indrindra ary Somalia no tena mpanao kolikoly indrindra.

Arzantina: Hackathons Sy Ny Mangarahara Ara-bola Ao Bahía Blanca

  14 Jona 2017

Raha nandre ny vaovao momba ireo fifanekena mampiadihevitra nataon'ny governemanta ao an-toerana ao an-tanànan'i Arzantina Bahía Blanca i Manuel Aristaran (@manuelaristaran), nijery ny tranonkalany [governemanta] izy ary nanamarika fa tsy azo nidirana tsotra izao ny fandanian'ny kaominina. Ka namaha izany olana izany izy.

Venezoela: Miomana Amin'ny Fifidianana Atao Amin'ny Alahady ny Fikambanana Tsy Miankina Ho Amin'ny Mangarahara

  14 Avrily 2013

Tao anatin'ny enim-bolana izao dia handeha handatsa-bato fanindroany ireo Venezoeliana. Hifidy izay handimby ny filoha teo aloha Hugo Chavez izy ireo, izay namoy ny ainy tamin'ny volana Marsa teo. Somary mikorontana ny tontolo politika ao amin'ny firenena fa tsy tahaka ny fifidianana tamin'ny volana Oktobra, na dia izany aza, afaka nivondrona ireo fikambanana tsy miankina (ONG) mba hiasa...

Andro Faha-2 Ho Fampandrosoana An'i Amerika Latina 2012

  29 Desambra 2012

Nifarana tamin'ny Alahady 2 Desambra teo ny andro faha 2-n'ny hackathon isam-paritra ho fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012, nokarakarain'ny Ciudadano Inteligente Foundation tany amin'ny firenena valo any amerika Latina. Taorian'ny asa mafy tsy ankiato 36 ora , dia nanomboka nanolotra ny tetikasany ireo mpandray anjara tany amin'ny faritra samy hafa mba hahafahan'ny mpitsara maka fanapahan-kefitra ao aoriana ao. Eto no anoloranay ireo mpandresy avy any amin'ny faritra samy hafa.

Fampiasa Nandresy Tamin'ny Hackaton Goavana Indrindra Ao Amerika Latina

  06 Desambra 2012

Nalefa voalohany tao amin'ny engine room ny lahatsoratra Desarrollando America Latina [es], karazana fifaninanana erantany ho an'ireo mpanao hacking ao Amerika Latina, no hotontosaina mandritra ity herinandro ity manerana ny firenena 8 ao Amerika Atsimo sy Afovoany. Rehefa tafahaona tao an'efitra ireo mpahay teknolojia miaraka amin'ny angon-drakitra misokatra (open data) sy hiresaka momba...