Tantara mikasika ny Fitantanana-aterineto

Voasakana any Gambia ny Chat Viber?

GV Mpisolovava  22 Avrily 2019

Milaza ireo manampahefana ao amin'ny governemanta fa manakana ny fidiram-bola tena ilain'ireo mpamatsy fifandraisandavitra eo an-toerana ny Viber sy ireo tolotra serasera hafa mifototra amin'ny Aterineto. Manolo-kevitra ireo tsikera fa mety anton'ireo fanakanana ny ahiahy ara-politika.

Tenenin'ny olompirenena ny governemanta hifidy ny fisokafana ao amin'ny ITU

GV Mpisolovava  13 Avrily 2019

Nandrisika ny governemantany hifidy ny fisokafana any amin'ny fihaonamben'ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fifandraisandavitra (ITU) ireo mpanandratenin'ny zon'ny aterineto. Raha nanomboka ny Alatsinainy, nanapa-kevitra ireo Fanjakana mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana raha tokony ho hitarina mankany amin'ny fandrindrana ny aterineto ny fahefan'ny ITU - hetsika izay mety handrahona ny fiainana an-takonana...

Mamindra ny lisitry ny sivana avy any tanibe Shinoa mankany Hong Kong?

GV Mpisolovava  21 Marsa 2019

Nahita ny gazety iray eo an-toerana, AM730 [zh] fa manivana ireo tranonkala maromaro mety hanohina ara-politika ny tolotra wifi maimaim-poana an'ny governemantan'i Hong Kong. Na dia efa nisokatra indray aza ny ankamaroan'ireo tranonkala rehefa naharay ny fitarainan'ireo mpampiasa aterineto, dia mbola miahiahy kosa ireo mpiserasera sy vondrona mpiaro ny zon'olombelona.