Tantara mikasika ny Mibilaogy Miabo

Okraina: Miditra Amin'ny Fanangonam-bola sy Fanentanana Amin'ny Alàlan'ny Aterineto

Rising Voices  01 Janoary 2012

Ny Elena Pinchuk AINTIAIDS Foundation ao Okraina dia nitondra hevitra feno famoronana mba hanentanana ny fahatsapan-tenan'ny fiaraha-monina Okrainiana amin'ny raharaha mikasika ny VIH/SIDA, toy ny fampitomboana ny fanampiana ny olona miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA. Ireto hetsika fanasoavana feno famoronana ireto dia tena mifototra amin'ny aterineto ary misy fiaraha-miombon'antoka amin'ny sampan-draharaha Okrainiana mampiasa ny tambajotra ara-tsosialy mba hanairana olona maro.