Tantara mikasika ny Thailandey

Kambodza-Thailandy: Adihevitra manodidina ny vohikala ilovethailand.org

  05 Novambra 2018

Vao haingana no niteraka resabe tamin'ny tambajotra ny fandefasana ny vohikala ilovethailand.org. (tsy mandeha intsony ny rohy). Nanambara ny Praiminisitra thailandey Abhisit Vejjajiva fa io vohikala io dia mikendry ny hamerina indray ny endriky ny firenena ary hampitambatra ny firenena ao anatin'ireo fikorontanana tato ho ato. Teraka avy amin'ireo fitakiana tao amin'io vohikala io ny adihevitra mikasika ny " tany verin'i " Thailandy - tany izay tsy iza fa i Kambodza ankehitriny.

Thailandy: Fandrahonana sy Fanitsakitsahana ny Fahalalahan'ny Aterineto

  05 Oktobra 2017

Notaterin'i Aim Sinpeng fa nitohy ny fanivànana aterineto ao Thailandy na eo aza ny fandresen'ny mpanohitra nandritra ireo fifidianana farany teo. Tohizan'ny governemanta ny fibahanana traonkala an'arivony noho ny fanitsakitsahana ny lalàna ao an-toerana. Marobe ihany koa ireo bilaogera no nosamborina fa nolazaina ho nanevateva ny fianakavian'ny mpanjaka.

Ireo pejinay momba an i Thailandey

th