Tantara mikasika ny Slovaky

Slovakia: Mamelona Adihevitra Ilay Fihaonambe “Mitady Fiainana Mendrika sy Azo Antoka”

Nanodidina ny 3000 ireo olona tafahaona “ho amin'ny zon’ny vahoaka mendrika” tao an-tananan’ny Partizanske, tamin'ny Septambra. Tamin’ity volana ity, ny 13 Oktobra kosa, olona nihoatra ny zato no tafahaona tahaka izany – “hiaraka ho amin’ny fiainana mendrika sy azo antoka” – tao an-drenivohitr'i Slovakia tao Bratislava (horonantsary). Niaraha-nanomana tamin’i Oskar Dobrovodský ...

Slovakia: Olana Momba Ny “Asa sa Vola”

Tany atsinanan'i Slovakia, niangaviana hiditra amin'ny tetikasam-panjakana iarovana amin'ny tondra-drano ny tsy an'asa. Ao amin'io faritra manana taha ambony amin'ny tsy fananan'asa io dia efatra monja ny tovolahy nanaiky. Nandà avokoa ny hafa rehetra, nanambara fa mbola mahantra kokoa ry zareo raha mandray io asa io. Manoratra momba ny tsy fananan'asa ao Slovakia i Tibor Blazko ary mandika teny ny hevitry ny mpiserasera.

Slovakia: Hetsi-panoheran'ny Mpitsabo

Iray amin'ireo hetsika Slovaky isan'ny nanana ny lanjany tokoa tamin'ny 2011 ny hetsi-panoherana nataon'ireo mpitsabo maherin'ny 2000 avy amin'ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana ; 1.200 tamin'izy ireo (avy amin'ny efa ho 6.500) no nampiato vonjimaika ny fifanarahan'asan-dry zareo toarian'izay. Tibor Blazko no manazava ny toe-draharaha sy mandika ny fomba fijerin'ny vahoaka ny resaka fandraisana an-tànana ny fahasalamana.

Slovakia, Polonina: (Tsy) Fahafantarana ny Traikefa Mikasika ny Euro

Araka ny fitsapan-kevitra vao haingana navoaka tao amin'ny Gazeta Wyborcza, dia manohitra ny fidirana ao amin'ny fari-bola euro ny ankamaroan'ny Poloney. Ny tsy fahazoany ny traikefa Slovaky ny mety antony iray mety mahatonga izany. Jakub Loginow, Poloney monina ao an-drenivohitra Slovaky, ao Bratislava, no nanoritsoritra tamin'ireo  Slovaky mpamaky ny bilaoginy ny fomba fahitan'ny...

Ireo pejinay momba an i Slovaky

sk