Tantara mikasika ny Nepali
Dingana voalohany mankany amin'ny fifehezana ny tambajotra sosialy bebe kokoa ny fandraràna ny TikTok ao Nepal izay ataon'ny governemanta
Tamin'ny 13 Novambra 2023, nametraka fandrarana feno ny sehatry ny tambajotra sosialy Shinoa TikTok ny governemanta Nepali noho ny filazan’izy ireo fa miteraka korontana ara-piarahamonina eo amin'ny Nepaley ity sehatra ity.
20 taona nampiakarana an'i ‘Mandu’ tao anatin'ny Jazz
“Tany am-piandohana izahay dia nifanehatra tamin'ny fisalasalana sy fifanjevoana mikasika ny jazz, saingy ankehitriny kosa dia tsy mila hazavaina izany, napetraky ny ny Jazzmandu ho eo anaty sarintany ny jazz sy i Katmandou."
Fanavaozana mateza: Dang, taimboraka avadik'i Nepal ho angovo
Efa ho ny 90 isanjaton'ny fako ao Ghorahi distrikan'i Dang an-tsaha amin'ny ilany no fonjan'aina (biomass) ahitana fakon-dakozia, sisa sy tain'omby izay azo avadika ho etona methane fandrehitra.
Mitsonika haingana kokoa noho ny nieritreretana azy ny ranomandry ao Himalaya
Maminavina ny fanadihadiana nivoaka vao haingana fa mety hamoy hatramin'ny 80 isanjaton'ny ranomandriny i Himalayas amin'ity taonjato ity, ary hisy fiantraikany amin'ny olona miisa roa lavitrisa mipetraka any amin'ny firenena ambanin'i Azia izany.
Mety tsy maniry amin'ny hazo ny vola, fa maniry eny amin'ny kirihitra kosa izy any Nepal
Mety tsy maniry amin'ny hazo ny vola, fa maniry eny amin'ny kirihitra kosa izy any Nepal izay ampiasaina hanontana vola taratasy japoney. Antenaina fa iray amin'ireo fanondranana malaza indrindra ao Nepal ny Argeli.
Manao fihetsiketsehana manohitra ny fanamelohana ho faty ao Myanmar ireo mpikatroka Nepaley
Tamin'ny 26 Jolay, nidina an-dalambe tao Kathmandu ireo Nepaley mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona hanohitra ny fanamelohan’ny fitondrana miaramila ao Myanmar ho faty ireo mpikatroka demaokratika efatra.
Ry zareo Rosiàna miha-manakaiky, milefa an'i Okraina kosa ry zareo Nepaley
Raha i Rosia manahi-bohitra ao Okraina, ireo Nepaley mpila ravinahitra kosa mandositra; ny sasany tsy naninona, saingy ankamantatra ny hoavin-dry zareo
Fiainana ampielezana: Tantaran'ny Nepaley mpiasa iray nifindra monina tany Qatar
"Izany no niainanay. Ireo mangina no tadiaviny. Ireo izay azo ampanginina." Fitantaran'ny Nepaly iray niondrana andafy hiasa niverina nody rehefa nandany telo volana tao Qatar.
Anjorom-bala ireo Musahars ao Nepal
Hatry ny ela no efa natao an-jorom-bala sy navakavahana ireo vondrompiarahamonina Musahars. Vao mainka nanaratsy ny toedraharaha ny nahatongavan'ny valanaretina COVID-19
Ny fahaiza-manenona Dhimal
Chandra Kala Dhimal, enimpolo dimy amby taona, sisa no vitsy mamelona ny fomba fanenomana nentim-paharazana ao amin'ny vondrom-piarahamonina vazimba Dhimal mbola velona.