Below are posts about citizen media in Hebrew. Don't miss Global Voices בעברית, where Global Voices posts are translated into Hebrew! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Hebreo

Israely : Hanukkah, Fetiben'ny Hazavàna Sy Ady Ara-Kolontsaina

Fety iray isan'ny tena ankamamian'ny Jiosy nandritra ny fotoana rehetra ary manana lanja ara-tantara raha resaka mifandray amin'ny lafiny ara-kolontsaiana sy ny maha-izy an-dry zareo Israeliàna ny Hanukkah, Ny Hanukkah no fahatsiarovana ny fandresen'ireo Israelita taloha ny Grika tamina ady izay niseho ny taona 165 talohan'i Jesoa Kristy. Tsy ady faritra na harena ilay ady, fa resaka ady amin'ny fahafahana; ny zo hanana fironam-pivavahana sy hanaraka ny finoana Jiosy. Gilad Lotan mampiseho antsika ny fitohizan'ny ady mandraka ankehitriny.

Notsenain'ny Polisy Tao Jerosalema Tamin-kerisetra Ireo Mpanao Hetsi-panoherana “Rariny Sosialy Israeliana “

Hetsi-panoherana iray nokarakarainà fikambanana telo samy sampana ao amin'ilay hetsika "Israeli social justice (#j14)" - Rariny Sosialy Israeliana - no niseho tao Jerosalema ny alin'ny Sabotsy teo (June 8). Nitaky ny hiverenana amin' ilay fanapahan-kevitra hanondranana Entona natoraly avy ao Israely izay tsy ahazoana afa-tsy 12.5% amin'ny haba ihany no hiditra amin'ny kitapom-bolam-panjakana. Nitsipaka ilay tetibolan'ny governemanta vaovao koa ireo mpanao hetsi-panoherana, tetibola heverina izay mikasa ny hampiakatra bebe kokoa ny hetra alaina amin'ireo sarangan'olona ambany sy salantsalany, ary mifanindran-dàlana amin'izay ny fampihenana ny vola ho an'ny foto-drafitrasa ho an'ny daholobe izay tena iankinan'ny fiainan'ireo sarangan'olona ireo. Ambony dia ambony ny tahan'ny herisetra nitsenan'ireo polisy ilay hetsika, na dia nilamina sy vitsy mpandray anjara (an-jatony kely teo ireo mpanao hetsi-panoherana) aza ilay izy.

Tonga Hatrany Anaty Fandrakofana Ny Disadisa Ny Adin'ny Media Hisarihana Mpihaino Ao Israely

Ny olana ara-bola dia manana toerana lehibe tokoa hampikororosy ny fahaleovantenan'ireo mpanangom-baovao, izay mety tsy harisika intsony handray fanamby hiatrehana ny hetahetan'ireo tonian-dahatsoratra na mpitantana an-dry zareo izay, etsy andaniny, tsy maintsy manao tatitra amin'ireo tompon'ny famoaham-baovao. Mitombo hatrany hatrany, ireo olon-tsotra mpampahalala vaovao sy bilaogera mameno ny banga amin'ny fandrakofam-baovao navelan'ireo media Israeliana mahazatra.

Israeliana Maneho Hevitra Amin'ny Fisintahan'i Barak Tsy Hanao Politika Intsony

Fanambaràna nahazendana no nisy nandritra ny tafatafa ho an'ny mpanao gazety nataon'ny Minisitry ny Fiarovana Israeliana, Ehud Barak, izay nitàna ny toeran'ny Praiminisitra tao Israely teo aloha (1999-2001) sy Filoha mpitarika ny IDF (1991-1995), tamin'ny nilazàny ny faniriany hisintaka ny sehatra politika ka hanokana betsaka amin'ny fotoanany ho an'ny fianakaviany. Naneho hevitra tamin'io fisintahany io ireo Israeliana mpiserasera anaty aterineto.

Ireo pejinay momba an i Hebreo

he