Tantara mikasika ny Zeorziana
Hetsika tsy nahazoana alàlana tany amin'ny fiantsonan'ny metro tao Hong Kong, niafara tamin'ny fanafihan'ireo polisy mpandrava korontana tamin'ny alalan'ny langilangy sy tsifotra misy dipoavatra
Nipoaka nanerana an'i Hong Kong ny fifanandrinana mahery setra taorian'ny nihantsian'ireo olona an'arivony maro ny fandraràna nataon'ny polisy sy nivoriany tsy "nahazo alàlana" tamin'ny faran'ny herinandron'ny 31 Aogositra 2019.
Zeorzia: Hiaraka hatory amin'i Shorena ve ianao?
Nanantena ny hanao revolisiona ara-pananahana ny fandaharana kanefa tsy nahomby satria efa nandositra ny toe-tsaina hoe "tsy mila firaisana ara-nofo eto URSS" i Zeorzia. Efa lohahevitra tsy fady intsony izany ary angamba efa nisy ny revolisiona ara-pananahana, saingy tamin'ny fomba malefadefaka.
Zeorzia: Hetsiky ny blaogera mba hanohanana ireo IDP voaroaka
Taorian'ny fandroahana ireo fianakaviana IDP tao Abkhazia sy Ossetia Atsimo, namonjy ireo mpanohitra izay mangataka ny fitsaharan'ity famindrana toerana matetika atao an-tery ity no sady mangataka ny trano sahaza ho azy ireo blaogera ao Tbilisi, Zeorzia.
Zeorzia: Loza niseho nandritra ny fanokafana ny lalao Olaimpika ririnina
Nivoaka taorian'ny misasak'alina tamin'io andro io ihany tao amin'ny forum Zeorziana ny vaovao momba ny fahafatesana mahatsiravina an'ilay mpikorisa an-kalesin-dranomandry Zeorziana Nodar Kumaritashvili ora vitsy mialohan'ny fanokafana ny Lalao Olaimpika Ririnina 2010 tany Vancouver, Kanadà.
Zeorzia: Ny Paikadin'Ireo Vehivavy Anatinà Vohitra Miady Manoloana Ny Fitsaratsaram-poana Ny Mahalahy Sy Ny Mahavavy
"Indraindray izy ireo mananihany: 'Avy ao amin'ny biraon'ny vehivavy tsy manambady ianao eh?'"
Mihevitra Hanao Fampihaonana Manerana Ny Firenena Ny Ao Zeorzià
Vahaolana iray faratampony amin'ny olana sarobahàn'ny isan'ny mponina ve?
Mety Ho An'ireo Fiteny Rehetra Any Azia Atsimo Ny Rindrambaiko OCR (Optical Character Recognition) An'ny Google
Mety aminà fiteny maherin'ny 248 eran'izao tontolo izao ny OCR an'ny Google, ka isan'ireo ny fiteny Aziatika Tatsimo be mpampiasa, ary mitondra ihany koa fanantenana hahafahana mandrakitra ho dizitaly, araka izay tratra, ireo lahatsoratra tranainy.
Fitontongan'ny Vola Zeorziana Aseho Amin'ny Sary Novàna Tamin'ny Photoshop: Miala Avy Amin'ny 50 Cent Ary Tonga Amin'ny Hoe ‘Fanavotana Ny Miaramila Lari’
Nolemen'ireo "trangan-javatra avy ao anatinysy avy any ivelany" ny vola "lari" fampiasa manerana an'i Zeorzia, raha ny filàzan'ny banky foibe, nahatonga azy ho lasibatry ny fanadrohadroana tety anaty serasera.
Mponin'i Tbilisi, Zeorzia : Mivoaka Mitaky Ny Sisin-dàlana Amin'ireo Mpamily Tia Tena
Efa zavatra malaza ao Tbilisi, renivohitr'i Zeorzia, ny fametrapetrahana fahatany ny fiara etsy sy eroa. Hetsik'olon-tsotra ety anaty aterineto no mikatsaka hanao zavatra momba io olana io.
Manohitra Ny Fakana Lahatsary Miafina Avoaka Fahitalavitra Ny Mpikatroky Ny Zon'ny Pelaka ao Zeorzia
Nanambara [ka] ny sampan-draharahan'ny Fampanoavana ao Zeorzia tamin'ny 14 Janoary 2013, fa naka lahatsary miafina ireo olona fanta-daza manao firaisam-batana amin'ny olona mitovy fananahana aminy ny lehiben'ny Polisy[-n'ny] Miaramila teo aloha Megis Kardava. Nolazain'ilay sampan-draharaha fa nampiasaina hanerena (chantage) ireo olona fanta-daza ireo hiara-miasa amin'ny governemantan'ny filoha Mikheil Saakashvili ireny lahatsary ireny. Namoaka kinova...