Tantara mikasika ny Holandey
Ny fandraràna boky ao Suriname anatin'ny tontolo erantany momba ny fahalalahana maneho hevitra
Mihoatra noho ny maha-olana anatiny azy ny fandraràna ireo boky miresaka ny lokiloky ao Suriname; laokolsy fanairana erantany io ho an'ny fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety manohitra ny jadona
Mijery ny mari-panondroana Indo miaraka amin'ilay mpaka sary Holandey, Ello
Ny Indo dia olona manana fototra Indoneziana sy Eoropeana (indrindra indrindra ny Holandey). Manodidina ny roa tapitrisa ireo Indo monina any Holandy, firenena iray izay nanjanaka an'i Indonezia ny taona 1600 hatramin'ny 1945. Misy ihany koa ireo Indo any amin'ny firenena hafa toa an'i Aostralia, Etazonia, ary ny maro hafa.
Holandy: Tafaray ireo vehivavy am-pielezana Amerikana Latina
Nikarakara fihaonambe ho an'ireo vehivavy mpifindra monina Amerikana Latina sy Karaiba any Amsterdam ny fikambanana Eoropeanina DiasporaSolidaria.org, izay nifanakalozany hevitra toy ny zon'izy ireo, ny toetra miovaova amin'ny fianakaviana sy ny fandaniana. LA Ruta mitondra antsika lahatsary fohy mandrakitra ny sasantsasany amin'ny zavatra niainan'izy ireo.
Holandy: Ao amin'ny Twitter i Sven Kramer, nahazo medaily volamena
Ho an'ny Holandey, nanomboka tamin'ny fifaninanana tena lehibe ny Lalao Olaimpika Ririnina 2010 tany Vancouver: fikorisana an-dranomandry 5000 metatra haingam-pandeha. Nanantena ny firenena iray manontolo (sy ny hafa eo amin'ny tontolon'ny fikorisana andranomandry haingam-pandeha) fa ilay Holandey Sven Kramer no hahazo ny volamena,
Holandy: Namoy ny ainy teo amin'ny faha-100 taonany i Miep Gies, Vehivavy nanampy an'i Anne Frank
Araka ny tatitry ny BBC, namoy ny ainy teo amin'ny faha-100 atona i Miep Gies, ilay hany mpikambana sisa velona tao amin'ny tarika izay nanampy an'i Anne Frank sy ny fianakaviany Jiosy handositra ny fisamborana tao Holandy nandritra ny Ady Lehibe Faha-2.
Holandy: Nisioka ny fihaonambe momba an'i Afghanistan ny minisitra Alemà
Nandritra ny fihaonambe Afghanistan vao haingana tany La Haye, afaka namaky ireo vaovao farany sy valinteny mivantana tamin'ireo fanontaniana momba ny fihaonambe tao amin'ny Twitter ireo Holandey mpanara-baovao. Nalefan'i Maxime Verhagen, minisitry ny raharaham-bahiny Holandey, izay nampiantrano ny fihaonambe ny vaovao farany. Mpisera Twitter mavitrika Atoa Verhagen.
Inona No Novakian'ireo Mpamaky Global Voices Hatramin'ny Herinandro Lasa ?
Tamin'ny herinandron'ny 5-11 Febroary 2018 nahasarika mpamaky ny Global Voices avy any amin'ny firenena 195 ireo tantara sy lahatsoratra nadika !
Metropolis TV Sy Ny Hivos: Lahatsary Ho An'ny Olona Mahaleotena
Tetikasa Hivos sy VPRO TV any Holandy ny Metropolis TV, izay mampiray ireo mpanatontosa horonantsary sy ireo mpanao gazetin-dahatsary manerantany mba handrakitra an-tsary sy hampita ny lafiny samihafa amin'ny fiainana sy ny kolontsaina any an-tanindrazany.
Filma 16mm Mahavalalanina Avy Tao Japan, Hong Kong Ary Azia Tamin'ny Taonjato Lasa Teo
Namoaka raki-dahatsary mitantara ny fiainana tany Japan sy ny faritra hafa tao Azia nandritra ny fiposahan'ny fiovana ara-toekarena teo amin'io kaontinanta io Michael Rogge.
Mety Ho An'ireo Fiteny Rehetra Any Azia Atsimo Ny Rindrambaiko OCR (Optical Character Recognition) An'ny Google
Mety aminà fiteny maherin'ny 248 eran'izao tontolo izao ny OCR an'ny Google, ka isan'ireo ny fiteny Aziatika Tatsimo be mpampiasa, ary mitondra ihany koa fanantenana hahafahana mandrakitra ho dizitaly, araka izay tratra, ireo lahatsoratra tranainy.