Tantara mikasika ny Tseky
Misy mitanila ve ny “OpenAI” ? Izahay no nisolo tena anareo nanamarina izany
Notrandrahan'ny Global Voices ny fomba nataon'ny AI iray mpamokatra sary namoronana sary avy amina fiteny samihafa. Fehezanteny iray no notendrenay tamina fiteny sivy samihafa ary nahazoana valiny tena samihafa.
Fihetsika tsy nampoizina tao Prague taorian'ny fananihambohitra rosiàna tao Okraina
Somary tsy nampoizina, nanova ny fomba fijery an'i Maosko nananan'ilay nafàna fo faran'izay nahataona indrindra tao amin'ny Repoblika Tseky ny fananihambohitra nataon'i Rosia: ny filoha Zeman, izay vao avy nanondro ho "heloka bevava" ny fihetsika nataon'i Maosko.
Hiran'ny efi-panoratana Global Voices taona 2021
Koa satria mampitamberina ny taona 2021 isika, dia tianay ny hanasongadina ny anjara toerana manokana ananan'ny hira ao amin'ny efi-panoratanay amin'ny alalan'ny fampisehoana ny hiran'ny taona an'ireo tonia ato aminay.
Ho ampy handrisihana an-dry zareo Tseky hanao vaksiny COVID ve ny tononkalo?
Nandefa fanentanana iray vaovao ny governemanta tseky mba handresena ny tahotra sy ireo ahiahin'ny vahoakany momba ny fanaovana vaksiny
Miparitaka any Eorôpa Afovoany sy Atsinanana ny fampifandraisana ny Coronavirus amin'ny fankahalàna vahiny
Tranganà fankahalàna aziatika notaterina tany Makedsonia Avaratra, Repoblika Tseky, Belarosy ary ... any anaty tambajotran-tserasera sosialy manerana ny faritra.
Ho ela velona i Večerníček: Ilay antso maharitry ny seho fahitalavitra Tsheky 55 taona ho an'ny kilonga
Tsy niova ary lasa ifankafantarana mandritra ny fahazazana ho an'ireo Tshekoslaovaky an-tapitrisany tamin'izany fotoana izany ny fandaharana ary ifankafantaran'ny Tsheky indray amin'izao fotoana.
Hira hala-tahaka mahatsiaro ireo Eoropeana Tatsinanana mpiady tamin'ny Adin'ny Britanika nandritra ny Ady Lehibe Faharoa
Milaza ireo manam-pahaizana fa raha tsy nisy ny fanampian'ireo miaramila Eoropeana Tatsinanana,dia tsy nandresy ny Alemaina nazi ny Britanika.
Fifanenàna amin'ny devoly, anjely ary olo-masina eny amin'ny araben'ny Repoblika Tsheky
Feno karazam-piantsehatra tsy fahita firy ny arabe sy ny kianjan'ny Repoblika Tsheky tamin'ny takarivan'ny 5 desambra: devoly, anjely ary olo-masina manao satroka lava sy avo.
Mahatsiaro ny fanafihan'ny Sovietika an'i Tsekoslaovakia tamin'ny taona 1968
Tanora Tseky am-pahatelony mahery no tsy mahay mampifandray ny datin'ny 21 aogositra 1968 sy ny fanafihan'ny Sovietika an'i Tsekoslaovakia.
Miantso ny fametraham-pialàn'ny minisitry ny fitsarana vaovao ry zareo Tseky tao anatin'ny fanamby nasionaly ho an'ny Praiminisitra Andrej Babiš
Nilaza ireo mpanao hetsi-panoherana fa mikasa ny hitsabaka amin'ny raharaha fanenjehana azy i Babiš. Mitaky ny fialan'i Benešová izy ireo sy ny fepetra vaovao ho fiarovana ny fahaleovantenan'ny fitsarana ihany koa.