Tantara mikasika ny Shinoa
Taiwan tsy navela hanatrika ny fivorian'ny OMS: Antsafa niarahana tamin'i Chen Hsin-Hsin, solontenan'i Taiwan
Raha manao ny fihaonambe erantany fanaony ho an'ny fahasalamana erantany (AMS) ny Organisation mondiale de la Santé (OMS), Taïwan kosa mbola mitohy miaina ny fandàvana ny fanatrehany ireo adihevitra fanalahidy momba ny fahasalamam-bahoaka erantany
Asehon'ny fiafaran'ny Ramadan ao Taipei ny anjara toeran'ny Islamo ao amin'ny diplaomasian'i Taiwan
Na dia mandrafitra monja ny iray isanjaton'ny mponina aza, ny vondrom-piarahamonina miozolomana ao Taiwan no maneho ny maha-loharanonkarena azy ho hita sy hiroboka bebe kokoa amin'i Afovoany Atsinanana izay manjakazaka i Shina.
Misy mitanila ve ny “OpenAI” ? Izahay no nisolo tena anareo nanamarina izany
Notrandrahan'ny Global Voices ny fomba nataon'ny AI iray mpamokatra sary namoronana sary avy amina fiteny samihafa. Fehezanteny iray no notendrenay tamina fiteny sivy samihafa ary nahazoana valiny tena samihafa.
Blaogera iray any Odessa mitondra feo hafa amin'ny fitantarana Shinoa momba an'i Okraina
Mpandraharaha Shinoa iray monina ao Odessa any Okraina no nivadika ho bilaogera manana ny fomba fijeriny manohitra ny fanafihan'ny Rosiana, nefa voasivana sy notafihana tao amin'ny media sosialy Shinoa.
Ho lasibatry ny Lalànan'ny filaminam-pirenena ao Hong Kong ve ny mpampianatra oniversite Taiwaney?
Lasibatra i Wu tamin'ny famoahana ny lahatsoratra “Ho an'ny Revolisiona manam-pahataperana” izay niresaka ny asan'ireo mpikatroka nandritra ny hetsika fanoherana ny famindra-toerana (fampodiana) voaheloka tao Hong Kong tamin'ny taona 2019.
Nomen'ny Indiana anarana mampihomehy ireo toerana any Shina rehefa nanome anarana vaovao tamin'ny toerana 15 ao Arunachal Pradesh i Shina
Noho ny fanomezan'i Shina anaram-baovao ny toerana miisa 15 any amin'ny fanjakana avaratra atsinanana Arunachal Pradesh dia namaly tao amin'ny Twitter tamin'ny fanomezana anaran-toerana indiana ireo tanàna shinoa ny Indiana.
Tsikaritr'i Etiopia fa ambany kalitao ny tetikasa sy ny vokatra Shinoa
Mifanohitra amin'ny fankasitrahana ofisialy, matetika manakiana ny kalitaon'ireo tetikasa ireo sy ny vokatra sinoa amidy any Etiopia ny vahoaka Etiopiana.
Mitady soba toniandahatsoratra miteny anglisy any Azia-Pasifika ny Global Voices
Mitady toniandahatsoratra mpanampy hiasa any Azia-Pasifika hisahana ny famoahana tantara nosoratana na nadikan'ny mpandray anjara amin'ny teny Anglisy ny Global Voices (GV). GV stories focus on topics such as internet culture, freedom of speech online, technology and digital rights, human rights, civics and political movements, diversity and representation, and...
Nahatratra dokambarotra hiandany amin’ny Huawei ny orinasa mpanao fikarohana iray
Na dia tsy ampy aza ny valim-pikarohan’ny Graphika mba hahafahana manaporofo fa ny Huawei no tao ambadik’izao paikady izao, dia ireo mpiasany no anisan’ny nanaparitaka be indrindra ireo lahatsoratra navoakan’ireto kaonty fako ireto.
Ny 29 Janoary, miaraha mivantana aminay amin'ny ‘The Milk Tea Alliance: Tolona iraisan'i Thailand, Taiwan sy Hong Kong hisian'ny demaokrasia’
Tongava hiaraka aminay ao anatin'ny adihevitra iray mavitribitrika momba ny fiantraikan'ny hetsika iraisan'ny firenena roa na vitsivitsy, itambaran'ireo firenena ao Azia mitolona hisian'ny demaokrasia