Below are posts about citizen media in Catalan. Don't miss Global Voices en Català, where Global Voices posts are translated into Catalan! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Katalana

Neil Harbisson: Mihaino ireo Loko

  31 Oktobra 2018

Nanana areti-maso antsoina hoe akrômatopsia i Harbisson, izay mahatonga azy tsy hahay hanavaka ny loko ankoatra ny mainty sy fotsy. Namorona ny "Eyeborg" izy hanampy azy amin'ny fandraisana ireo maridrefy alefan'ny loko ka hamadika azy ireo ho feo misongadina izay reny amin'ny alàlan'ireo taolana ao anatin'ny sofiny.

‘Afaka Manampy Manazava Amin'Izao Tontolo Izao Mikasika an'i Katalonia ny Global Voices’

  26 Marsa 2013

Dinidinika niarahana tamin'i Violeta Camarasa, mpamoaka lahatsoratra amin'ny fiteny Katalana ao amin'ny Global Voices Online. Nasehon'ny Global Voices Català nandritra izay volana maro lasa izay fa manana ny traikefa hanazava amin'izao tontolo izao mikasika an'i Katalonia izy, manampy ny vaovaon'ny haino aman-jery fototra izay tsy mandraharaha ny tantara eo amin'ny faritra.

Espaina: Tsy Ampy Taona Nodarohan'ny Polisin'ny Katalonia, Antso Hialàn'ny Minisitra

  26 Novambra 2012

Ny fampiasana hery nataon'ny vondron-kery polisin'i Katalonia antsoina hoe Els Mossos d’Esquadra [ca], nandritra ny fitokonambe [ca] tamin'ny 14 Novambra 2012 (#14N [ca]) no niteraka onjam-panamelohana an-tserasera. Niteraka fametrahana fanangona-tsonia [ca] ho fialan'ny minisitry ny atitanin'i Katalonia, Felip Puig, avy amin'ny antoko politika rezionaly efatra ity toe-draharaha nitranga tao antenantenan'ny fampielezan-kevitra manantantara ity.

Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”

  25 Novambra 2012

Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.

Ireo pejinay momba an i Katalana

ca