Tantara mikasika ny Birmana
An-dalambe sy antserasera, Mivondrona manohitra ny fitondrana miaramila amin'ny endriny vaovao ny olom-pirenen'i Myanmar
Niraisana tanteraka ihany koa ny fihetsiketsehana, nandray ireo olona avy amin'ny karazana asa sy famantarana (mombamomba), ao anatin'izany ny olona avy amin'ny karazam-pinoana sy ny vondrom-piarahamonina LGBTQ.
Tranonkala voabahana, fikatonan'ny aterineto, ary fisamborana amin'ny media manimba ny fahalalaham-pitenenana ao Myanmar
Manahy ireo vondrona mpikatroka sy mpandala ny zon'olombelona fa simbaina amin'ny anaran'ny fiadiana amin'ny areti-mandringana COVID-19 ny fahalalaham-pitenenana.
Mitsapa ny fenitra ara-piarahamonin'i Facebook ireo tava mampihomehy ao Myanmar
Mandrisika ny mpisera hampiasa ny tena mari-panondroana azy ny fenitra ara-piarahamonin'i Facebook, saingy tahaka ny maha-ankona ilay tranonkalam-pifandraisana ny fironana malaza ao Myanmar.
Mitambatra hanohitra ny fanilikilihana anti-LGBTQ+ i Myanmar taorian'ny fahafatesan'ilay tanora pelaka, mpiandraikitra tranomboky iray
Fifohazana masiaka manoloana ny fihoarana iaretan'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ + any Myanmar ny fahafatesan'i Kyaw Zin Win. Saingy naneho fotoana tsy fahita firy mba hitambarana sy hiresahana momba ny fanamafisana ny fanentanana ho fiarovana ny zon'olombelona ho an'ny LGBTQ+ tsirairay ny fanohanan'ny vahoaka sy ny firaisankina tsy nampoizina taorian'ny nahafatesany.
Any Myanmar, manolotra raozy fotsy ho an'ny Miozolomana mandritra ny Ramadany ny Bodista
"Tsy misy toerana ho an'ny fivavahana mahery fihetsika eto amin'ny firenentsika."
Myanmar (Birmania) : Ny Barcamp Yangon voalohany
(Marihina fa tamin'ny volana Febroary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Fahombiazana lehibe ny Barcamp Yangon 2010 izay natao voalohany tao Myanmar (Birmania) nandritra ny roa andro, niaraka tamin’ny mpandray anjara maherin’ny 2.700 tamin’ity hetsika ity. Ireo nanatrika nandritra ny lanonana fanokafana Natao tao amin’ny Info-Tech tamin’ny faha 23 sy...
Myanmar: Noafahana ihany i Suu Kyi
Nogadraina nandritra ny 15 taona tao anatin'ny 21 taona izy , kanefa afaka ihany ankehitriny . Ilay mpanohana ny demokrasia Birmana malaza sady mpitarika ny mpanohitra Aung San Suu Kyi dia navotsotry ny miaramila tohanan'ny governemanta ao Myanmar ny tolakandron'ny Asabotsy.
Tranonkala maro voarara tany Myanmar. Norarana ihany koa ny Global Voices
Nanomboka nandrarà ny tranonkala maro, anisan'izany ny bilaogy miaraka amin'ny sehatr'izy ireo manokana ny Bagan ISP, iray amin'ireo mpanome tolotra aterineto roa ao Myanmar . Voarara ihany koa ny Global Voices.
Myanmar: Manolotra ny loharanom-boky an-tserasera momba ny literatiora any Myanmar ny bilaogera
Ampahafantarina sy adikan'i Yangon Thu ny lahatsoratra avy amin'ny bilaogera Myanmar antsoina hoe Nyi Lynn Seck. Nahita tranomboky an-tserasera iray ahitana tantaram-pirenena, kolontsaina ary literatiora Myanmar ilay bilaogera.
Myanmar : Lahatsary Avy Amin'ny Mponina Taorian'ny Fandalovan'ny Rivodoza Nargis
Na teo aza ny fandraràna natao tamin'ireo mpanao gazety napetraky ny junta Birmàna mpitantana ny firenena, dia nivoaka ihany ny olona ary naka sary ny zava-misy marina niainan'ireo niharam-boina tamin'ilay loza voajanahary. Ny 2 May 2008, nandalo tao Myanmar (Birmania) ilay rivodoza Nargis, izay nahatonga fahasimbana goavana ary an'arivony ireo olona namoy ny ainy sy ireo tsy hita popoka.