Tantara mikasika ny Belarosiana
Raha tsy misy ny fahafahana manavao ny pasipaoron'izy ireo any ivelany, ao anaty limby ny Belarosiana any an-tsesitany
Nanasonia didim-panjakana ny mpitarika Belarosiana Lukashenka milaza fa tsy afaka manavao ny pasipaorony any amin'ny kaonsilà any ivelany ny Belarosiana monina any ivelany.
Tetikasa fandraketana an-tsarintany amin'ny zanabolana manara-maso ny fahasimbana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Okrainiana
Sary zanabolana Sarintanin'i Okraina, ahitana sary avy amin'ny zanabolana, sary tamin'ny drôna, ary sary 3D manaramaso, mandaminana ary manamarina ny fahasimban'i Okraina.
Nesorin'i Google ny doka YouTube ahitana ny famotopotorana ireo gadra politika Belarosiana
Nampiasaina hampiroboroboana ireo fantsona mpomba ny governemanta ireo lahatsary fohy, izay manasongadina ireo mpikambana ao amin'ny mpanohitra sy ireo mpanao gazety mahaleo tena nogadrain'ny fitondrana Lukashenka izay toa hita fa fiaiken-keloka natao tao anatin'ny fanerena.
Manamafy ny sisintany miaraka amin'i Belarosia i Polonina satria mihamafy ny krizim-pifindra-monina
Efa niampanga an'i Lukashenka ho nitondra mpifindra monina avy any amin'ny faritra Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana sy nitondra azy ireo tany amin'ny sisintanin'ny Vondrona Eoropeana hamaliana faty ny sazy ny Vondrona Eoropeana
Fampitam-baovao tsy miankina maro kokoa nampidirin'ny manampahefana Belarosiana tao anaty lisitry ny mahery fihetsika sy nosakanana
Ny tranokalan'ny Deutsche Welle, Current Time sy ny mpiasa sy ny mpamaky ny BelsatTV ary ny NEXTA no lasibatra farany amin'ny famoretana mitohy ataon'i Belarosia amin'ny haino aman-jery tsy miankina sy ny fahalalahana maneho hevitra.
Bielarosiàna mpihazakazaka haingam-pandeha, noroahan'ireo manampahefana Belarosiàna handao ny Lalao Olaimpika, milaza fa hangataka fialokalofana
Nanambara i Krystsina Tsimanouskaya, 24 taona, fa tsy atahorany ny ho ahilika tsy ho ao anaty ekipam-pirenena, fa ny hogadraina raha vantany vao tafaverina ao Belarosia.
Belarosiana mpikatroka nanjavona hita faty tany Okraina
Nandao an'i Belarus i Shyshou tamin'ny mihintsan-dravina 2020 noho ny tahotra hohenjehin'ny fanjakana, ary nanorina sy namelona ny Trano Belarosiana ao Okraina (BDU), fikambanana iray tsy mitady tombombarotra manohana ireo olompirenena Belarosiana mandositra ny fanenjehan'ny fitondrana ao Belarus.
Raràn'i Belarus tsy hivezivezy any ivelany ny olom-pirenena, nakaton'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny Sidina Belarosiana ny sehatra an'habakabaka
Voaràra vonjimaika tsy handeha any ivelany ny ankamaroan'ny Belarosiana, anisan'izany ireo manana fahazoan-dalana hipetraka maharitra any ivelany, raha noraràn'ny sehatra an'habakabaka Vondrona Eoropeana kosa ny safidy hivezivezy miala sy hiditra ao Belarosy.
Sangany amin'ireo media belarosiàna, namafa lahatsoratra an-tambajotra mba hiarovany ny mpiasa
Nesorin'ny toniandahatsoratry ny Tut.by daholo ireo votoaty virtoaly navoaka tamin'ny ankamaroan'ireo fantsom-baovaony tety anaty media sôsialy tamin'ny 2020 sy ny tapany voalohany ho an'ny 2021, anatin'ny tena mampafàna ny hetsipanoherana taorian'ny fifidianana.
Mampisy fifandirana ny tononkira ka tsy afa-mifaninana amin'ny Eurovision 2021 i Belarus
Hitan'ny European Broadcasting Union fa "manitsakitsaka ny fitsipiky ny fifaninanana tsy manaiky ho fitaovana politika na mampisy fifandirana" i Belarus