Tantara mikasika ny Bangla
Famotsipotsirana ny olana: Ahiahim-by mavesatra amin'ny famatsian'atodiakohon'i Bangladesh
Ny atody no loharanon'ny proteinina mora vidy indrindra ao Bangladesh. Nahatsikaritra tahan'ny metaly mavesatra ambony anaty atody eny amin'ny toeram-piompiana ao an-tanànan'i Dahaka ny fikarohana vao hainganan, ka miteraka loza ara-pahasalamana.
Manàla valo taona amin'ny fahelàna velona ao Bangladesh ny fahalotoana mampididoza eny amin'ny rivotra
Volana nahatsiravina ho an'ireo mponina ao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh, iny Janoary iny, satria tena nampidi-doza ny kalitaon'ny rivotra, nandritra ny sivy andro.
BBC Bangla: nandefa ny fandaharany farany taorian'ny 81 taona niasàny
Nandritra ireo krizy tao Bangladesh nandritra ny taompolo maro, loharanom-baovao tsy nitanila ny BBC Bangla ary azo nianteherana. Manamarika fiafaràna vanim-potoana iray ny fikatonany
Hetsika mba hahafahan'ny rehetra misitraka amin'ny vidiny mora ny “salàkam-bavy” ao Azia Atsimo
Misy ezaka atao ao Bangladesh, India ary Népal mba hanomezana salàka fidiovana ho an'ny vehivavy ka mba hanatsaràna ny fahasalaman'izy ireny sy hamongorna ireo fanilikilihana ara-tsôsialy mifamatotra amin'ny resaka fadimbolana.
Bangladesh : Tompondaka Erantany FIFA, Fahatsiarovana ny fahiny
(May 2010) Hanomboka ny lalao fiadiana izay ho Tompondaka Erantany FIFA 2010. Raha efa maresaka erantany ny momba azy, dia ireo tany alohany kosa no tanisain'ireo bilaogera vitsivitsy avy ao Bangladesh ato
Bangladesh, mandray latsaky ny 2 USD isanandro, velona amin'ny fomba ahoana ?
Niditra tamina fitokonana ireo mpiasan'ny dite ao Bangladesh hitakiana karama BDT 300 (3,16 dolàra amerikàna). Nahazoan-dry zareo fisondrotana 25 isanjato, BDT 170 (1,80 dolara amerikàna), ny fitokonana nataony. Fa ampy ve izany?
Nahazo fanovan'endrika graffiti marevaka ny lamasinin'ny Oniversiten'i Chittagong malaza
Iray amin'ireo oniversite vitsivitsy eto amin'izao tontolo izao manana fiaran-dalamby manokana izay vao nolokoana graffiti marevaka ny Anjerimanontolon'i Chittagong.
Mitondra taratry ny fanantenana ho an'ny vondrom-piarahamonina indizeny ny boky fitsipi-pitenenan'ny teny Mro voalohany
Tamin'ity taona ity, zava-nisongadina tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny ao Bangladesh ny famoahana ny boky fitsipi-pitenenana voalohany nosoratana tamin'ny teny Mro, fiteny indizeny iray tandindonin-doza.
Fanafihana voarindra mahazo ireo Bangladeshita mpikatroka ao amin'ny Facebook
Tao anatin'ny fanafihana fiaraha-miasa vao haingana nataon'ireo olon-tsy fantatra, nivadika tamin'ny fomba misitery ho sary fanomezam-boninahitra ahitana ny voambolana "Remembering" (tsaroana) tsy azo idirana ny horirantava Facebook an'ireo olo-malaza, mpanao gazety, olon'ny media ary mpikatroka avy any Bangladesh.
Lahatsarin'ny ‘Fanaka Kakoli’ nahatonga sary mahatsikaiky tao Bangladesh sy Bengal Andrefana
Nanjary zava-nanaitaitra tao Bangladesh sy Bengali Andrefana any India ny lahatsary dokambarotra iray tsy nandaniana vola firy zarazaraina ety anaty tambajotra sôsialy, andrenesana fehezanteny miverimberina misy teny enina hoe "Mora vidy, tsara kalitao, ny Fanaka Kakoli"