Tantara mikasika ny Azerbaijani

Azerbaijan : Lahatsary Fanentanana Ho Famotsorana An'ireo Mafana Fo Nofonjaina

  15 Oktobra 2018

Ny fitazonana vao haingana an'ireo roa mafana fo amin'ny tambajotra sy mpitarika ny hetsiky ny tanora ao Azerbaijan, tamin'ny herinandro lasa teo, dia nampisy fahaketrahana tamin'ireo blaogera sy ireo mafana fo tao anatiny ary tany ivelan'i Azerbaijan, ary ankehitriny, fanentanana lahatsary iray no nalefa mba hiantsoana ny governemanta azeri hihetsika mba hamotsotra an'ireo tomponandraikitra roa avy amin'ny hetsiky ny tanora: Adnan Hajizada sy Emin Milli.

Ao Azerbaijan Tany Manankarena Solika, Manao Hetsi-panoherana Ny Vahoaka; Valian'ny Governemanta Fisamborana

  17 Janoary 2016

Nifamory teo afovoan'ny tanàna ary nanoloana ireo tranoben'ny governemanta ireo olona an-jatony manerana an'i Azerbaijan, nangataka asa ary nanohitra ny fiakaran'ny vidin-javatra, ny fitotonganan'ny fiainana ary ny fitomboan'ny tahan'ny tsy an'asa. Noho ny fitotongan'ny vidin-tsolika maneran-tany izay tafidina hatramin'ny latsaky ny 30 dolara Amerikana ny iray barika ankehitriny, miatrika fotoan-tsarotra izao ilay firenena, izay nisitraka ambaratonganà fahamarinan-toeran'ny toekarena teo ho eo ihany, noho ny toekareny miankin-doha amin'ny solika…

Ireo pejinay momba an i Azerbaijani

az