Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo
‘Tek sleep and mark death': Tantara fampitandremana ny fianahan'ny menaka mainty ao Tobago
Mahatonga ny Jamaikana sasany hanontany tena amin'ny fahafahan'ny fireneny manalefaka ny fiantraikan'ny fianahan'ny menaka-solika ny voina ara-tontolo iainana vao nitranga tao Tobago — sy ny fisandratan'i Guyana ho mpamokatra solika —.
Miharatsy sy mandrahona ny hoavin'ny fomba fiaina mifindrafindra monina ny loza voajanahary ao Mongolia
Na dia biby aza no maty mandritra ny dzud, dia misy fiantraikany amin'ny firenena manontolo ireo loza ireo.
Fikafika WordPress sy fampahatsiarovana: Sary sy maribolana
Tsiahy amin'ny fampiasana mahomby ny maribolantsary sy kisarisary ho an'ny tantara GV.
Topimason'ny tontolon'ny media ao Tanzania
Manamarika ihany koa ny Reporters Sans Frontières fa maro ny seha-baovao no politisiana na olo-manandaza no tompon'ny seha-baovao, ka mahakitika ny fahaleovantenana ara-panoratan-dahatsoratra ary mitarika ho amin'ny fitongilanam-baovao.
Mampanahy ireo miozolomana ny fironana mamely ny fivavahana vao haingana nataon'i Ozbekistan
Tsy vao sambany ny miozolomana ao Ozbekistan, izay mandrafitra ny 94 isanjaton'ny mponina, no miatrika fanenjehana noho ny finoany.
Nofoanan'ny Fitsarana Tampony ao Però ny fizotram-pitsarana fanamombàna ankaterena nandritra ny fitondran'i Fujimori
Tonga izao fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony izao vokatry ny fitorian'ny minisitry ny fahasalamana teo aloha nandritra ny governemanta Fujimori, mba tsy hitsarana azy amin'ity raharaha ity.
Hafatra avy amin'ny Birao filankevi-pitantanan'ny Global Voices
Androany izahay manambara ao anaty fahatsapana tantely amam-bahona ny fandaozan'i Ivan Sigal, Tale Mpanatanteraka ny Global Voices, ny Global Voices ary hifindrany ho amin'ny toko vaovaon'ny fiainany any aoriandriana any amin'ity taona ity.
GV eto amin'izao tontolo izao: manangana firaisankina eo amin'ny vondrom-piarahamonina queer hatrany Mongolia ka hatrany Shily
Amin'ny maha efitrano famoaham-baovao anay, zara izahay raha mahita porofo mivaingana momba ny asanay, na izany aza, indraindray izahay tsara vintana mandre ny fiantraikan'ny tantaranay mivantana amin'ny fiarahamonina na tolona iray.
Teraka tao Jamaika, Jason Allen-Paisant indray no poeta karaibeana nahazo ny loka malaza T.S. Eliot
« Alina manatantara ho an'i poezian'i Karaiba » : Amin'izao fandreseny izao, fanintelony izao tao anatin'ny dimy taona ny poeta manana fiaviana karaibeana no nahazo ity loka malaza ity.
‘Ny hafatro raha voavono aho: aza mitsahatra': nilaza mialoha ny hahafatesany i Alexey Navalny
"Famonoana olona ny fahafatesan'i Navalny — famonoana olona nokinasa, famonoana olona natao araka ny fomba, famonoana olona izay ny fanjakana rosiana no meloka."