Inona ny Global Voices?

Photo taken on January 25, 2015 in Cebu, Philippines, , to commemorate GV's 10th anniversary.CC BY-NC 2.0.

Sary nalaina ho fahatsiarovana ny tsingerintaona fahafolon'ny GV tany Cebu, Filipina. CC BY-NC 2.0

Vondrom-piarahamonin'ny mpanoratra, mpanadihady, manampahaizana manokana momba ny media antserasera ary mpandika lahatsoratra tsy voasakan-tsisintany, ary maro an'isa ny mpirotsaka an-tsitrapo izahay.

Nitarika ny resaka momba ny tatitry ny fampitam-baovaon'olontsotra ny Global Voices hatramin'ny taona 2005. Manangona, manamarina ary mandika an-dahatsoratra ireo vaovao sy tantara malaza mety tsy ho hitanao amin'ny aterineto, avy amin'ny blaogy, gazety miahy tena ary media sosialy any amin'ny firennea miisa 167 izahay.

Tsy ho tafakambana amin'ny toerana iray ihany ny tantara mahaliana sy goavana indrindra eto ambonin'ny tany. Tsindraindray izy ireny miparitaka miarakaraka na misaratsaraka manerana ny aterineto, lahatsoratra bilaogy sy sioka, ary amin'ny fiteny maro. Ireny no tantara taterinay indrindra ato amin'ny Global Voices—ary mandika azy ireny ho amin'ny fiteny mihoatra ny 40.

Ny ataonay

Mitatitra: Mitatitra momba ny firenena miisa 167 ao amin'ny efi-baovao tsy maka tombony ary virtoaly tanteraka ireo ekipa, tonia ary mpanoratra atokisanay.

Mandika: Ekipam-pandikateny an-dahatsoratra iraisampirenena ato aminay no mamadika ny tantara hitanao ato ho amin'ny fiteny mihoatra ny 40.

Miaro: ny tetikasa Advox ato aminay dia miaro ny zo sy ny fahafahana an-tserasera ary miady amin'ny fanampenam-bava.

Mampitao: mampitao ireo vondrom-piarahamonina mitoka-monina sy voahilikilika amin'ny fitaovana, talenta ary fanohanana ny tetikasa Rising Voices ato aminay.

Mampifandray: Manomana fihaonambe mifanatri-tava mivantana ho an'ireo mpandray anjara miely manerantany sy ny olon-tsotra maro izahay. Olona an-jatony no efa nihaona tamin'ny firenena valo samy hafa tao anatin'ny folo taona farany.

Fantaro ato ny momba ny tetikasanay rehetra.

Iraka

Miasa izahay hitady ireo tantara maharesy lahatra sy manandanja indrindra avy amin'ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika sy diso ny fanehoana azy (matetika). Toherinay mafy ny fanampenam-bava an-tserasera ary tohananay ny fomba vaovao ahafahan'ny olona afa-miditra ato amin'ny aterineto.

Kolontsainay

Omenay lanja amin'ny anaran'ny fahatakarana sy ny finamanana mihoatra sisintany ny fahalianana, ny fahatokisana ary ny fifandraisana amin'ny hafa. Ny tanjonay dia ny hanome hery ireo olona manome lanja ny rariny, ny fitoviana ary ny fahatsapana ny fihetseham-pon'ny hafa.

Sata ara-pitsarana

Ny Global Voices dia orina mpanasoa tsy mitady tombombarotra voasoratra anarana ho Stichting Global Voices ao Holandy. Ny vondrom-piarahamonina Global Voices dia ahitana mpanolotena ho mpandray anjara sy ekipa mpiantsoroka manana fifanekena arakasa, fehezin'ny filankevi-pitantanana. Mamakia bebe kokoa momba ny asanay ao amin'ny tatitra fanaonay isan-taona, izay ahitana ihany koa ny toe-bolanay isan-taona.

Te-hahalala antsipirihany bebe kokoa? Vakio ny Fanontaniana Averina Kisesisesy.

STICHTING GLOBAL VOICES
151 Kingsfordweg
1043GR Amsterdam
Netherlands
RISN No: 818855605