Takelaka fisoratana ho an'ireo mpandika teny

Raha tsy voadika amin'ny fiteninao ity takelaka ity, fidio etsy ankavanan'ny lahatsoratra izay teny tadiavina.

Lingua - Global Voices Translation Project

Ny vondrom-piarahamonin'ireo mpandika teny no ahafahanay manolotra lahatsoratra ho an'ireo mpamaky erantany amin'ny alàlan'ny fandikàna azy ireny avy any amin'ny fiteny Anglisy na teny hafa ho amin'ny fiteny hafa marobe, noho ny fisian'ireo mpandika teny miasa an-tsitrapo. Ahafahanay mampita  amin'ny fanamoràna ny fahafahana mahazo vaovao ho an'ireo mpamaky aminà fiteny maherin'ny 35 izy ireny. Raha toa ny teny fampiasànao ka tsy mivoaka etsy ankavian'ny fàfana na etsy ambany, dia azonao atao mihitsy aza ny manolotra tranonkala Global Voices iray amin'ny fiteninao, eto.

Hafaliana ho anay tokoa ny mandray ireo mpandika afaka handika ny iray amin'ireo fiteny arosonay ireo ho lasa teny Frantsay, na ireo maniry hiara-hiasa amin'ny Global Voices amin'ny fanoratana lahatsoratra. Ankoatry ny fandikàna teny, azonao atao koa ny manatevina laharana ny Global Voices amin'ny firotsahana an-tsitrapo aminà- sehatra hafa maro karazana.

Mohamed ElGohary, Ejipta, no mandrindra ny vondrom-piarahamonina erantanin'ireo mpandika tenin'ny Global Voices, Lingua, sy ireo tranonkalany miisa 30. Sary an'i Jeremy Clarke (ilay Kanadiana mpiangaly ny tranonkalanay)

Vondrom-piarahamonina virtoaly izahay, ahitàna mpandika teny miisa 500 miaina manerana izao tontolo izao. Raha te-hanatevin-daharana anay, fenoinao fotsiny io takelaka io. Izay tomponandraikitry ny tranonkala nofinidinao no hifandray aminao ary hanoro anao ny dingana arahana.

Mbola faly hatrany izahay mandray ireo olona vaovao mpanoratra ho an'ny Global Voices izay maniry hanoratra lahatsoratra momba ireo firenena izay ananany fahalalàna tsara na lohahevitra iray izay mahaliana azy ireo manokana. Raha ny fanoratana lahatsoratra no mahaliana anao, dia isaorana indrindra ianao hisoratra amin'ny alàlan'ity takelaka iray hafa ity.