Grèce: Figadrana mandra-pahafaty no sazin'ilay polisy namono zatovo iray ka nitarika korontana tamin'ny 2008

Tamin'ny desambra 2008, niteraka korontana sy fanoherana tao amin'ny tanàna maro tany Grèce ny nahafatesan'ilay zatovo iray antsoina hoe Alexandros Grigoropoulos, 15 taona, tany amin'ny polisy, tezitra ny olona noho ny herisetra ataon'ny polisy tsy mitsaha-mitombo, miaraka amin'ny tsy fahazoana sazy, ny tsy fahaizana sy ny kolikoly, ny resabe  izay nanafaingana ny  olana ara-bola. Farany, taorian'ny roa taona nampiferin'aina niandrasana ny valiny, nivoaka ny didim-pitsarana tamin'ny 11 oktobra.

Ilay polisy namono an'i Grigoropoulos, Epaminondas Korkoneas, voaheloka noho izany ary higadra mandra-pahafatiny. Polisy hafa koa, Vassilios Saraliotis, voaheloka higadra 10 taona an-tranomaizina noho ny firaisana tsikombakomba.

Fanehoan-kevitra voalohany tany amin'nyTwitter

Ireo mpiserasera twitter teo am-piandrasana raha vao naheno dia nisento naneho fahafahana saingy tamim-pahamalinana. Ny korontana niseho tamin'ny volana desambra no nanombohan'ny fiseraserana tamin'ny twitter be indrindra tany Grèce, nampiasa azy ny olona aman'arivony maro nanarahana ny fizotry ny tantara, ary nilain'ny media iraisam-pirenena aza izy tamin'izany. Nanampy ilay “anaram-bositra” tamin'ny rohy#griots koa izy, izay nameno ny pejy voalohan'ny media sy ny tany ambadika rehetra.

Tsy mbola ambany ohatr'izany ny fahatokisan'ny olona ny fomba fitsarana tany Grèce, nandritra ny taranaka maro nifandimby nisian'ny raharaha politika ratsy sy hery setra ataon'ny polisy izay tsy voasazy mihitsy. Ny tompon'ny radio an-terinety Apostolis Kaparoudakis nanambara ny anton'ny valin'ny fitsarana androany ao amin'ny Twitter:

πιθανά ιστορική ημέρα για τη χώρα (αναμένοντας να καταδικαστεί για πρώτη φορά σε ισόβια ένστολος δολοφόνος …)

Andro mana-tantara ho an'ny firenena angamba (izay niandry mpamono olona mitondra fanamiana miaramila voalohany voasazy higadra mandra-pahafatiny…)

Ilay mpanao gazety mpaka sary Craig Wherlock, izay nanao fanadihadihana tamin'ny korontana tamin'ny desambra tany Thessalonique nandritra ny andro maro, no  nanao izany indray teny an-dalana rehetra teny:

Teny an-dalana ho an'ny afovoan'ny tanàna aho no nahita polisy maro mitandro ny filaminana amperin'asa, izay vao tsaroako fa hay moa anio no hivoaka ny didim-pitsarana tamin'ny raharaha namonoana an'i Grogoropoulos.

Tamim-pahamalinana ihany no nandraisana ny vaovao momba ilay fanasaziana. Ilay mpitoraka bilaogy elikas, izay milaza fa nifindra monina ivelan'ny Grèce noh ny tsy fitiavany ny fireneny, no nahatsapa tara-pahazavana kely:

Fanagadrana miaramila grika mandra-pahafatiny satria namono zatovo iray, niteraka savorovoro 2 taona lasa izay. Misy fahamarinana ihany ao ami'nny firenena na izany aza…

Antidrasex nanasoaso ilay “ramatoa jamba” ary nilaza,

Αγαπητή Δικαιοσύνη, σήμερα έδειξες ότι μπορείς να λειτουργήσεις. Εύχομαι να επεκταθείς και σε άλλες περιπτώσεις, καθώς και στην έφεση.

Ramatoa Fahamarinana, androany nampiseho ianao fa faka miasa ihany. Enga anie mbola hanao toy izany ihany ianao amin'ny raharaha hafa koa, sy amin'ny fitsarana ambony.

… raha Cyberela kosa, mieritreritra momba ny fahelan'ny fitsarana grika, nameno ilay tonom-bavaka,

και να πάρεις πιο γρήγορα τις αποφάσεις σου αγαπητή δικαιοσύνη. 2 χρόνια μετά τη δολοφονία του παιδιού.

… ataovy haingana koa ny fitsarana. 2 taona izay no lasa hatramin'ny nahafatesan'ilay ankizy.

Cyberela koa mampitaha ny didim-pitsarana amin'ny raharaha mitovy amin'izao ihany, vono olona nataon'ny polisy 25 taona lasa izay:

Το παρανοϊκό σύστημα δικαιοσύνης… ο Κορκονέας ισόβια, ο Μελίστας 2,5 χρόνια για το ίδιο έγκλημα http://tinyurl.com/58aa9d

Fahamarinan'adala… Korkoneas nihinana mandra-pahafatiny fa i Melistas nigadra 2 taona sy tapany monja kanefa mitovy ny heloka.

… izay novalian'ilay mpitoraka bilaogy pitsirikos tsy nitafatfa mihitsy,

Την εποχή του Μελίστα δεν είχε διαδίκτυο και μπλογκ. Την εποχή του Κορκονέα έχει. Αυτή ήταν η ατυχία του.

Tsy mbola nisy internety sy bilaogy tamin'ny andron'i Melistas. Efa misy kosa ireo amin'izao andron'i Korkoneas izao. Izay no naharatsy vintana azy

elentelon, momba tsy misy fe-petra ny sazy masiaka tamin'ny raharahan'i Grigoropoulos, mieritreritra ny tohiny :

Και μετά την καταδίκη Κορκονέα που βρισκόμαστε? Η αστυνομοκρατία στην Αθήνα έχει θεριέψει και ο επόμενος Γρηγορόπουλος είναι στη γωνία!

Mitondra antsika ho aiza ny fanasaziana an'i Korkoneas? Mahazo vahana foana ny polisy any Athènes ka efa akaiky koa ny Grogoropoulos manaraka

Mihodina ny bilaogy

Ny bilaogy Jungle Report misintona zavatra mitovy tamin'ny raharahan'i Melistas ary mampitandrina fa iny didim-pitsarana iny dia mbola tsy tena izy:

αν η υπόθεση συνεχίσει από το Εφετείο στον Άρειο Πάγο, δεν θα υπάρχει το λαϊκό έρεισμα αλλά μία ζύγιση μέσα σε αυστηρά καθορισμένο νομικό πλαίσιο. [..] Σε πρωτόδικο βαθμό [ο Μελίστας] καταδικάστηκε σε 2,5(!) χρόνια αλλά απαλλάχτηκε στο δεύτερο βαθμό. Έτσι λοιπόν, το να πανηγυρίζουμε για μια ποινή που πιθανό είναι να ανατραπεί δεν είναι κάτι που μπορεί να ικανοποιεί παρά μόνο βραχυπρόθεσμα.

Raha miakatra fitsarana ambony ny raharaha, dia tsy raisina ny hevitry ny maro, mijanona ao amin'ny tontolon'ny fitsarana madiodio ny raharaha. Voasazy higadra 2 taona sy tapany i Melistas kanefa nafahan'ny fitsarana ambony. Mbola tsy azo ato izany ny mifaly amin'iny didim-pitsarana iny satria mbola mety hivadika ny rasa.

Ilay mpitoraka bilaogy sy mpanao sary Arkoudos naneho hevitra sady koriko amin'ny tsy fahamarinana tamin'ny raharaha vao haingana izay namonoan'ny polisy mpifindra monina mandalo iray nandritra ny fanafihana banky, tao amin'ny pejy voalohany hafa ao amin'ny gazetiny tsy tena izy, “Fomba fijery”:

fandikanteny: Taharo tsy maintsy ilaina – Ny hany mahasamihafa ny valifaty sy ny tsy rariny dia ny amin'ny alalan'ny fomba fanaovana azy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.