Sina: Rehefa tapaka ny tambajotra ao Xinjiang…

Taorian'ny sahotaka tao Urumqi tamin'ny 5 Jolay 2009 dia tapaka nandritry ny volana maro ny tambajotra sy ny fifandraisana tao Xinjiang. Hatreto, tsy dia nisy tatitra mazava mikasika izay zava-niseho. Tsy ela akory izay dia nisy mponin'ny aterineto nanome antsipirihany momba ny zava-nitranga teo anelanelan'ny 6 Jolay sy ny 25 Desambra 2009 tao Xinjiang ao amin'ny daynew.net. Ity ambany ity misy famintinana fohy an'ilay tatitra.

1. Karazam-pifandraisana telo no tapaka: aterineto, SMS ary antso an-telefaona mankany ivelany. Ho an'ny mpampiasa aterineto tsotra, sarotra ho anao ny hiditra amina IP na vavahady iray hankany amin'ny aterineto. Ny tranonkala ampiantranoin'ny Xinjiang no hany azonao nidirana sy tranonkala sasantsany izay any ivelan'ny faritra ary tantànan'ny governemanta.

Nanomboka ny sasakalin'ny 6 Jolay, nitsahatra tsy niasa daholo ireo mpanome tolotra aterineto. Voasakana ny Chinanet, narahan'ny China mobile, China Unicom sy CERNET. CSTNET voasakana tamin'ny 9 Jolay. Ny fidirana mankamin'ny Finday avy any amin'ny aterineto dia niara-voasakana tamina fotoana mitovy, fa ny fampiasàna ny WAP kosa mbola tonga hatrany amin'ny tapaky ny Aogositra. Ny fomba tokana azonao ialàna izay fanakànana  izay dia ny fampiasàna modem 56K  mba hidirana amin'ny aterineto.

Nandritra izany fotoana izany dia tsy nisy hafatra fohy azo nalefa mihitsy. Na dia karatra tsy natao ho an'ny Xinjiang aza no ampiasainao.

Hatramin'ny 7 Jolay, sarotra be mihitsy izany manao antso iraisam-pirenena izany ary tamin'ny fiandohan'ny Aogositra, tapaka mihitsy ny mankany ivelany. Raha mila manao antso iraisam-pirenena ianao, dia mila manao izany eo ivelan'ny tranoben'ny orinasam-pahitalavitra ka ao amin'ny ‘cabines’ an-dry zareo no mandefa antso. Ny zava-nitranga dia sahala amin'izay nisy tamin'ny taona 80.

Ka ahoana izany no hahafahan'ny olona hifandray amin'ny any ivelany? Tsy nisy asany daholo ireo fitaovana fialàna sàkana rehetra  rehefa ny tambajotra avy ao Xinjiang mihitsy no tapaka. Ny azontsika atao dia:

1. Mampiasà moden  56K dial up mba hidirana amin'ireo mpanome tolotra mitendry laharana any ivelan'i Xinjiang. Teo anelanelan'ny Aogsitra sy Oktobra, nampiasa ny 022-16300, 089-16300 ny mponin'ny aterineto mba hahafahany miditra. Ny Oktobra hatramin'ny Desambra dia ny 010-95700 no idirana. Avy eo nikisaka nankamin'ny 0756-96169. Fotoana fohy taorian'ny nahitàn'ny manampahefana ny fampiasàna ny ‘dial up’ ho fidirana dia nosakanana koa ireny.

2. Ny tambajotram-pandraharahana anatiny: Ho an'ny fandraharahana toy ny ara-bola, ny fitaterana, ny tambajotran'izy ireny dia nitohy niasa hatrany. Na izany aza, mila manana fifandraisana amin'ny mpandraharaha ny tsirairay raha te ho tafiditra amin'ny tambajotra.

3. Lafo ny fifandraisana amin'ny alàlan'ny zanabolana.

4. Tombontsoa ho an'ireo manampahefana ao anatin'ny Governemanta – ireo sampan-draharaham-panjakana, toy ny polisy sy ny departemantan'ny fifandraisana dia nitohy tafiditra aterineto hatrany.

5. Ilaozy i Xinjiang na ampiasao ny tambajotran'ny faritany mpifanolo-bodirindrina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.