Amerika Latina: maneho hevitra mikasika ny loka Nobel ho an'ny literatiora azon'i Mario Vargas Llosa

“Mario Vargas Llosa” no nitana ny lohalaharana tao amin'ny serasera Twitter tamin'ny 7 oktobra lasa teo, raha nifoha ny vahoaka latino-amerikana niaraka tamin'ny vaovao fa ilay Peroviana no nahazo loka Nobel ho an'ny Litaratiora. Noraisina ho tahaka ny fandresena izany vaovao izany ho an'ny tontolon'ny literatiora latino-amerikana sy ny teny Espanola. Voice of America (Feon'i Amerika) nanome lohateny ny lahatsorany, “Nilaza ilay mpanoratra peroviana fa ny loka azony dia ho fanomezam-boninahitra ny literatiora latino-amerikana.” Naneho hevitra samy hafa any amin'ny twitter sy ny bilaogy ny mponina any Amerika Latina.

Any Mexique, Alfredo Guzman (@ideasdelmaza) no mahita fa fitenenan-dratsy ny fahazoan'i Vargas Llosa ny loka Nobel, ary Humberto García Neri (@hacheoficial) miserasera ao amin'ny twitter:

¿Celebrar a Vargas Llosa? Mejor celebren a los Incas y la belleza de su pueblo. Perú es hermoso.

Ankalazaina ve i Vargas Llosa? Aleo lavitra mankalaza ny Incas sy ny fahatsaran'ny mponina any aminareo. Tsara be i Perou.

Mifanohitra amin'izay, ilay mpanoratra meksikana,  Alberto Chimal (@albertochimal) milaza fa faly be noho ny nahazoan'i Vargas Llosa ny loka. Tryno Maldonado (@tryno), mpanoratra avy any Oaxaca, Mexico, miresaka ny momba ny mpifaninana hafa efa hatramin'ny ela, dia ilay mpanoratra meksikana  Carlos Fuentes, 81 taona:

Sólo una persona en el mundo ambicionaba más ese premio. Carlos Fuentes debe estar retorciéndose en su tumba. Momento. ¿O sigue vivo?
Olona tokana ihany eto ambonin'ny tany no tokony ho nahazo iny loka iny. Mivadika izay i Carlos Fuentes any am-pasana any. Andraso. Mbola velona moa izy?

Mario Vargas Llosa. Saripikan'ny mpampiasa Flickr Daniele Devoti, dadevoti, dinan'ny Attribution 2.0 Generic Creative Commons

Araka ny fandroson'ny andro, dia namoaka lahatsoratra maro natokana ho an'ilay mpanoratra peroviana daholo ny mpitoraka bilaogy rehetra any Amerika Latina.

Ilay mpitoraka bilaogy avy any Arzantina  Juan Carlos Lynch [es] milaza fa tamin'ny alalan'ny twitter no nahalalany ny vaovao. Manazava izy fa  “manana fifandraisana manokana” amin'ny zanaka lahin'i  Mario Vargas  Álvaro, ary noho izay dia efa imbetsaka izy no nifanena sy nifampiarahaba tamin'ity mpandresin'ny loka Nobel ity. Juan Carlos Lynch mamaritra an'i Vargas Llosa tahaka ny,

un gran señor. Un hombre alto, de pelo blanco, mirada muy profunda y gesto duro, que está siempre impecablemente vestido. Que inspira respeto. Pero esa imagen esconde a un gran ser humano. No sólo una persona de trato afable y un interesante sentido del humor, sino además un hombre de convicciones firmes, “familiero”, apasionado por todo lo que hace y, sobre todo, sumamente generoso.

Olona mihaja. Avo ranjanana, fotsy volo, miaraka amin'ny fijery lalina sy ny toetra matotra, tsy misy hokianina mihitsy ny fitafiany. Olona mampite-hanaja. Izany sary izany no manafina olona ambony. Tsy vitan'ny hoe tsara fanahy sy mpampihomehy ihany izy, fa olona manana fandresen-dahatra mahery vaika koa, “olona tia ny ankohonany”, tena tia izay rehetra ataony, ary, indrindra tena malala-tanana.

Martha Colmenares [es], mpanoratra sy mpanadihady avy any Venezuela manoratra ao amin'ny bilaoginy:

Me da muchísima alegria el Premio Nobel de Literatura 2010 al escritor peruano Mario Vargas Llosa a quien tuve la oportunidad de conocer y entrevistar para mi libro “La otra Piel” junto a la escritora Norka Armand, hace unos años, y aparte de nuestra admiración por su obra, quedamos deslumbradas por su personalidad.

Tena fifaliana lehibe ho ahy ny nahazoan'ilay mpanoratra peroviana Mario Vargas Llosa ny loka Nobel, efa nifanena tamiko sy nametrahako fanontaniana izy mikasika ny bokiny “L'autre peau” niaraka tamin'ilay mpanoratra Norka Armand, taona vitsivitsy izay, ary ankoatry ny fitiavanay ny asa sorany, dia nampitolagaga anay ny toetrany.

Ao amin'ny bilaogy El Clavo en el Zapato [es], Fadrique Iglesias Mendizábal avy any Bolivie shared mitantara ny traikefany manokana mikasika ny asa soratry Vargas Llosa:

Fue el primer autor que pude leer con atención en mi adolescencia. […] Se cierra un ciclo de grandes escritores. Ahora quedan los nuevos, sus sucesores aunque es muy aventurado soltar nombres.

Izy no mpanoratra voalohany nahatonga ahy ho liana namaky boky fony fahatanorako. Vaninandron'ny mpanoratra goavana no mifarana. Ny mpanoratra tanora izao sisa no tafajanona, ny mpandimby azy ireo, na dia misy adino aza ny anarana sasany.

Fradrique manoro mpanoratra tanora roa latino-amerikana avy any amin'ny faritra manodidina an'i Andes: Daniel Alarcón syRodrigo Hasbún.

Mario Cordero, ao amin'ny bilaogy Diario Paranoico [es] avy any Guatemala, manazava fa ny sasany amin'ireo mpanambany an'i Vargas Llosa, tsy mitovy hevitra amin'ny resaka politika, no mihevitra fa tsy mendrika azy ny loka Nobel:

Sí, Vargas Llosa es de derecha, políticamente hablando. Pero el Nobel no es un premio político (o al menos, no debería ser tomado como esto). Es un premio literario. […] Entonces, habría que resaltar que Vargas Llosa es un excelente escritor, y su premio lo respalda con calidad literaria.

Ekena, Vargas Llosa avy amin'ny antoko ankavanana, raha amin'ny resaka politika. Kanefa tsy loka politika ny Nobel (farafaharatsiny, tsy raisina ho tahaka izany). Loka literatiora io […] Noho izany tokony ho navoaka izany fa i Vargas Llosa dia mpanoratra ikoizana, ary ny lokany dia miankina amin'ny fahatsaran'ny asa sorany.

Hoy izy mamehy,

Aprendamos esa lección: separemos al Vargas Llosa escritor, que merece el Nobel, y el Vargas Llosa político, que podría no simpatizar con todos.

Ianarantsika izao lesona izao. Avaho i Vargas Llosa mpanoratra, izay mendrika ny loka Nobel, sy ny politika, izay tsy hahafaly ny rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.