Shina sy Tibet: Demaokrasia an-tsesintany

Misy fahabangana amin'ny endrika maro izany hoe Tibetana an-tsesitany izany: very ny tanindrazana ary very koa ny zo koa mifanaraka amin'izany. Amin'ny lafiny sasany ihany koa anefa dia toy ny fitahiana miova tava ihany izany fahabangana izany. Nihamafy ny fiavaham-pirenena, ny fahalalaham-pitenenana sy ny fampielezana ny fivavahany tsy misy tahotra fanenjehana ary ny fahafaha-mifidy  ho an'ny Tibetana mialokaloka any Dharamshala. Tsy mba mizaka ireo rehetra ireo kosa anefa ny Tibetana mbola mitoetra any Tibet entin'ny Shinoa (foko) Han.

Tany Dharamshala ny 3 Oktobra lasa teo ny Akademisiana Amerikana Shinoa Jianglin Li, mpanoratra ny 1959 Lhasa, hanara-maso ny fifidianana santatra ny Kalon Tripa, filohan'ny kabinetran'ny Central Tibetan Administration (CTA)[ Fitantanana Foibe Tibetana], vondro-kery manoa ny Dalai Lama faha-14. Ny tarigetran'ny CTA moa dia ny “mamerin-kasina ny mpialokaloka Tibetana sy manangana indray ny fahafahana sy ny fahasambarana any Tibet”. Ny fahafantaran'ny besinimaro ny CTA moa dia hoe Governemanta an-tsesintany Tibetana.

Araka ny namariparitan'i Li azy ao amin'ny diary an-tsary ny fifidianana, dia tonga maro dia maro tany amin'ny biraom-pifidianana tokoa ny mpifidy. Tsy azo odian-tsy hita ny tsiky eny amin'ny endrik'izy ireo.

Mitovitovy amin'ny fifidianana mivantana ny filoham-panjakana any amin'ny demaokrasia tandrefana ihany ny fomba fifidianana ny Kalon Tripa (Filohan'ny Kashag na kabinetra). Miara-dalana amin'izany ihany koa ny fifidianana loholona, saingy, amin'ny fomba tibetana. Hazavain'i Li ny fomba fifidianana:

议员共40名,西藏三区各10名,四大教派加苯教各两名,加起来就是40名。僧人可以投两票,一票投给他所在的地域,另一票投给他所属的教派。比方说,一个来自康区的黄教僧人,他可以投一票给代表康区的议员,还可以投一票给代表格鲁派的议员。

Toerana 40 no mandrafitra ny Antenimieran-doholona ka manana 10 avy ny ny faritra nenti-paharazana Tibetana telo, ny toerana 10 ambiny kosa dia zaraina mitovy amin'ny sekolin'ny Bodisma Tibetana efatra malaza sy ny Bon. Amin'izay fotoana izay ny moanina any amin'ny sekolin'ny  Gelug sy avy any Kham dia hifidy izay ho amin'ny toeran'ny Kham sy ny Gelug.

Araka ny nambaran'ny vaomieran'ny fifidianana dia  79.449 no isan'ny mpifidy voasoratra anarana. Tamin'ny fifidianana ankapobeny farany tamin'ny 2006 dia 72.771 no voasoratra anarana, saingy latsaky ny 50% tamin'ny mpifidy nisoratra anarana moa no isan'ny nandrotsa-bato. Ny antontan'isa ofisialin'ny mponina Tibetana an-tsesinany moa dia 150.000 eo ho eo (via Tibet Sun)

Sarotra ihany ny mieritreritra fa fony tonga voalohany tany india ny Dalai Lama faha-14 tamin'ny 1959, rehefa namakivaky ny lalan-tsarotr'i Himalaya, dia olona vitsivitsy monja no niara-dia taminy. Taona vitsivitsy nanaraka izany dia nihoatra ny 20.000 ny Tibetana nandray koa ny lalana mankany an-tsesintany. Tsy mbola nitsahatra mihitsy hatramin'izay ny fiezahana handingana ny sisintany Shinoa, fa matetika no ratsy fiafara. Misy moa ny lahatsary YouTube nalain'ny mpihanika tendrombohitra tandrefana mivezivezy an-tserasera, mampiseho ny Mpiandry sisintany nitifitra sivily Tibetana tsy manam-piadiana tamin'ny 2006, raha nikasa hiampita sisintany ny farany. Maro amin'ireo Tibetana ireo no tanora ary zara raha manana fitaovana entina mandehandeha.

Mitantara ny zava-niainany amin'ny maha-sesintany Tibetana azy i Li:

目前,作为藏人,想要行使你的民主权利,你先得流亡,让你的身份成为“流亡藏人”。不过,其实我自己也一样,我的民主权利来自美国,而非中国。我行使自己的民主权利,先得让自己变成“美籍华人”。。。

Ankehitriny, mila manao sesintany ny tenany ny Tibetana raha te-hizaka ny zony hampihatra ny demaokrasia. Raha ny marina, mihatra amiko ihany koa izany, avy any Etazonia ny zoko hizaka ny demaokrasia, fa tsy avy any Shina. Tsy maintsy manao ny tenako ho “Amerikana Shinoa” aho mba hananako zo.

Miako any amin'ny mpikatroka Tibetana angamba ny fanamarihan'i Li. Poety sady mpanoratra Tibetana malaza Woeser, izay miaina eo ambany fanaraha-mason'i Beijing izay tsy mahazo mivoaka an'i Shina, no nampifandrohy ny diarin'i Li amin'ny bolongany, Ilay Tibet Tsy hita maso (lahatsoratra efa maty fa jereo ny voafina). Nanasongadina ny fanamarihan'i Li momba ny mpialokaloka “tsara vintana” izy:

而在我的人生中,我从未有过自己做主参与投票选举的经历……

Na izany aza dia tsy mbola nifidy mihitsy tamin'ny nahimpoko aho hatramin'izay niainako.

Nilamindamina ihany ny fifidianana tany India. Saingy nohelingelenin'ny mpitondra tao an-toerana kosa izany tany Nepal. Manoratra i Tibet report:

…Ny tsy fahatombenana izay mampiavaka ny governemanta Nepaley no manome vahana ny fitondrana Shinoa miaraka amin'ireo manampahefana manaiky azy holalaoviny mba handà ny zo fototra ho an'ny mpialokaloka Tibetana any Nepal. Vavolombelon'izany izahay tamin'ny 3 oktobra nahita ny fitadiavan'ny manampahefana handrombaka ny vatam-pifidianan'ny fokonolona Tibetana tao an-drenivohitr'i Nepal, izay nandray anjara tamin'ny fifidianana tontosaina manerantany.

Ankoatra ny tany Azia Atsimo, dia nisy fifidianana ihany koa tany Eoropa sy Amerika Avaratra misy Tibetana an-tsesintany. Mitantara ny fizotran'ny fifidianana tao New York i Chopathar tao amin'ny fampitan-kevitry ny lahatsoratr'i Woeser (jereo ny rohy voafina etsy ambony ):

纽约的投票现场非常热烈壮观,人进人出,因为大堂里人太多,一部分投完票的人必须得出来。投票地点在曼哈顿。
我很早就去了,我排队排到了第一位,当然是第一个签名和领到选票及投票的。为自己苦难的祖国图伯特尽一份心,我感到无上光荣。
Chopathar 10.04.2010 纽约市

Feno olona hatrany ny toeram-pifidianana teto New York fa misy hatrany ny olona lasa sy ny olona tonga. Koa satria moa feno olona hatrany ny toeerana dia tsy maintsy mandeha mivoaka aloha ireo efa nandrotsa-bato mba hahafahan'ny hafa miditra. Tao Manhattan ny toeram-pifidianana. Tonga aloha be aho ka anisan'ny nandrotsa-bato voalohany. Mazava loatra fa izaho no voalohany nanao sonia, nanangona ny biletà ary nifidy. Tena mahatsiaro manana rehareha aho fa nanao zavatra ho an'ilay Tibet tanindrazako mijaly. Chopathar 10.04.2010 NYC

Hotontosaina amin'ny 20 mars 2011 moa ny fifidianana farany hanapahan-kevitra ny amin'ny fandrafetana ny Kalon Tripa. Nanangana vohikala hisintonana kandidà maromaro kokoa i Thubten Samdup, solontenan'ny Dalai Lama any Eoropa avaratra. Avy amin'ny fanontaniana nomena ny Kandidà moa no hahitan'ny mpamaky ny zava-manahirana sy tadiavin'ny Tibetana an-tsesintany indrindra:

Aiza ho aiza ianao eo amin'ny fifampiresahan'i Tibet sy Shina ary inona ny zavatra hafa tianao atao?
Inona ny fepetra eriteretinao fa azontsika fokonolona Tibetana an-tsesintany atao hanova ho tsaratsara kokoa ny fiainan'ireo Tibetana mbola monina any Tibet; indrindra ho an'ireo miatrika ny resaka adintany, fitazonana tsy ara-drariny ary ny fiangarana eo amin'ny fitaizana sy fahazoana asa?
Inona no azonao atao hamelombelona indray ny tobim-ponenana Tibetana midadasika sy mba hamadihana indray ny fironan'ny tanora maro ankehitriny mandao ny fiarahamonina misy azy mba hitady asa any an-toerankafa?
Inona no azonao atao hanatsarana ny fampianarana any amin'ny rafi-mpampianarantsika sy hahazoan'ny tanora tibetana mikajy ny kolontsainy any an-tsesintany?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.