Shina: Loka Nobel Fandriampahalemana – Liu Xiaobo

Ora vitsivitsy izay dia nanapa-kevitra ny hanolotra ny loka Nobel Fandriampahalemana 2010 ho an'i Liu Xiaobo ny Vaomieran'ny Nobel Norveziana noho ny tolona tsy manao herisetra lavitr'ezaka nataony hisian'ny fampanjakana ny zon'olombelona fototra any Shina.

Fotoam-pifaliana lehibe ho an'ireo Shinoa tafiditra ho amin'io fironana io izao fotoana izao satria i Liu Xiaobo manko no misolo tena ny fahavononan'ny mpitolona ho amin'ny zon'olombelona hanovana am-pilaminana ny rafitra politika any Shina. Nosamborina ny lehilahy tamin'ny volana jona 2009 ary voaheloka higadra 11 taona voampanga ho  “mandrisika ny hanakorontanana ny fahefam-panjakana” taorian'ny namoahana ny Sata 08, volavolam-panitsiana ny Lalampanorenana.

Ny nahazo loka Nobel fandriampahalemana any am-pigadrana

Nambaran'ny [zh] fitondrana Shinoa, anefa, ho setrin'ny fanapahan-kevitry ny vaomieran'ny Nobel fa Jiolahy nomelohin'ny fitsarana Shinoa i Liu ary mifanohitra amin'ny tanjon'ny fanomezana loka Nobel momba ny fandriampahalemana io fanapahan-kevitry ny vaomiera io.

Ny tweet[sioka] iray avy amin'i Akiranns angamba to valinteny mety indrindra amin'ny fanambaran'ny mpitondra tenin'ny fitondrana Shinoa:

你知道上一位,获得诺贝尔和平奖的坐牢人士是谁么?卡尔·冯·阿希厄茨基。那时他的国家谁在执政?希特勒。

Fantatrao ve iza moa no nahazo loka Nobel fandriampahalemana farany nefa mbola tany am-ponja tamin'izany fotoana izany?Carl von Ossietzky. Ary iza no mpitondra tao amin'ny fireneny tamin'izany? Hitler.

Mpiserasera nosamborina fa nikarakara fiaraha-misakafo

Ary ho fanamarinana ny filazan'ny Akiranns amin'ny fampifandraisana ny zava-niainan'ireo nahazo ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana ireo dia nisafidy ny handrava ny fiaraha-misakafo tampotampoka nataon'ny mpiserasera ho fankalazana ity andro iray toa zato ity tany Shanghai sy tany Beijing ny polisy. Mitatitra avy amin'ny fiaraha-misakafo iray ao amin'ny Twitter i Hanlu1911:

上海饭醉活动取消,关注被带走的石扉客和其他不知名草泥马,警察拿着围脖上头像来对人,一只年青的草泥马被认出,目前广场警察和便衣四处出没。

Nofoanana ny fiaraha-misakafo sy fiaraha-manala hetaheta teto Shanghai. Noho ny fanahiana amin'ny mety hisian'i Shi Feike sy ry Soavalim-potaka an'ahitra (mpiserasera) hafa izay mety ho nalain'ny polisy. Mitondra saritapaka maro nalaina avy tamin'ny famahanam-bolongana bitika Sina.com ny manamboninahitra polisy. Mety hisy soavalim-potaka an'ahitra tanora iray ho fantatra amin'ny alalan'io fomba io. Efa mihaodihaody sy manara-maso manodidina ny kianja moa amin'izao fotoana izao ny polisy sy ny mpitsikilo.

Nahamarika  farafahavitsiny mpiserasera Shinoa 8 nalain'ny polisy tao Dongcheng any Beijing i Teng Biao:

王荔蕻、天天刚刚被东城区警察带到景山派出所。“十几个人连踢带打,满嘴脏话,骂骂咧咧”。阿尔、小路、屠夫被带到和平里派出所。许志永、何杨、@pengmomo等都被警察带走。饭醉还没开始,就都被抓了。请关注!

因聚会庆祝和平奖被带到派出所的推友有:@wlh8964 @pengmomo @leewua @heyang519 @zhiyongxu @tufuwugan @xiaolu8964 @renjiaqi 等。请关注。

i Wang Lihong sy i Tiantian izao no vao azon'ny polisin'ny distrikan'i Dongcheng nalefany tao amin'ny kaomisarian'i Jinshan. “Ampolony no voaompa sy nosamborina”. Ah Er, Xiaolu sy i Mpivaro-kena nalefa tany amin'ny kaomisarian'i Heping. Xu Zhiyong, He Yang, @pengmomo ary ny hafa ihany koa dia lasan'ny polisy avokoa. Tsy mbola nanomboka akory ny fiaraha-misakafo dia saiky voasambotra avokoa izy rehetra. Mitandrema amin'izany.

Ireo mpisioka an-tserasera (Twitterers) izay nalefa ho any amin'ny Kaomisarià noho ny fankalazana ny fahazoana ny lokan'ny fandriamphalemana dia ry @wlh8964 @pengmomo @leewua @heyang519 @zhiyongxu @tufuwugan @xiaolu8964 @renjiaqi sy ny sisa. Mariho tsara izay

Sivana

Ankoatra ny fisamborana dia miasa mafy ihany koa ny milina fampielazankevitra mba tsy hielezan'ny vaovao any amin'ny sarambambem-bahoaka amin'ny alalan'ny fametrahana sivana feno amin'ny aterineto.

Voalohany, nikatona avokoa androany ny vavahadin-tserasera namoaka vaovao manokana momba ny loka Nobel, ka tafiditra ao ihany koa ny lohateny misongadina avy amin'ny 163.com, Sohu.com, Tencent ary Sina.com.

Faharoa, ny voambolana Shinoa hoe “Loka Nobel” (諾貝爾) sy “Loka fandriampahalemana” (和平獎) dia lasa tsy mety ikarohana amin'ny lohamilina fampiasan'ny maro.

Fahatelo, vantany vao vita ny fanambarana, dia tsy mety nalefa twitter  ny hafatra tamin'ny alalan'ny finday, araka ny tatitr'i @haojinsong, ny voambolana mety hanaitaitra misy hoe “Liu Xiaobo” (劉曉波).

Fomba fanehoana niforona

Na dia eo aza ny fepetran'ny fanakanana rehetra dia mbola nipariaka nanerana ny aterineto Shinoa ihany ny resaka. Ohatra, ao amin'ny famahanam-bolongana bitika Sina, dia mampiasa sary sy ny teny anglisy ny mpamaham-bolongana hialana amin'ny sivana. SongLingge#2 ohatra namoaka ny sarin'i Liu Xiaobo ary nanoratra hoe:

分享图片: 这位越来越像圣雄甘地的家伙,就是刚刚获得2010年度the Nobel Peace Prize 的“中国圣僧”。

Fizarantsary: ity tary ity dia mihamitovy hatrany hatrany amin'ny moanina Gandhi, izy io no moanina masina Shinoa izay vao nahazo ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana.

Fan Zhixing, izay mpanangom-baovao dia nandrisika ny mpiara-miasa aminy handrakitra ny tantara vita androany:

记者同仁们,键盘在你手下,你们准备怎样来记录这一天,让这一天在被提起的时候,光芒与阴影交相反映呢?

Ry mpanangom-baovao mpiara-miasa, eo ambany fifehezanao ny vata-marobokotrao. Ahoana ny handraketanao ny androany? Rehefa voatsiahy indray any aoriana any ny androany dia mba hitantsika ny hazavana sy ny aloka mifampitaratra amin'ny tsirairay avy.

Huang Yangda (lahatsoratra efa voavono):

聽說拿了和平獎的是個中國人,卻不是黨人啊!因為他好像被奪去了政治權利。忘了他叫什麼名字,怎樣寫都寫不出來。

Re tamin'ny alalan'ny fiampitan-teny, Shinoa hoe ilay zalahy nahazo ny lokan'ny fandriampahalemana, saingy tsy mpikambana ao amin'ny antoko izy! Satria efa noesorina taminy ny zo politikany. Adinoko ny anarany, tsy haiko ny fomba fanoratra azy.

Chongtou Yip milaza indray ny vaovao amin'ny alalan'ny fanoharana:

从前有一位蛮不讲理、暴力的父亲,因为儿子不听话,所以把他毒打及关在房间內。可是,学校老师同学都表扬他,邻里都赞许他,这位父亲能不看到自己的过失吗?

Indray andro, hono, nisy raim-pianakaviana mahery setra sy tsy mba misaina izay mamono sy managadra ny zanany lahy ao an'efitrano. Nefa ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra any an-tsekoly dia midera ity zanany lahy ity avokoa. Midera ilay zanaka avokoa ihany koa ny mpifanolo-bodirindrina rehetra. Ahoana no tsy hahitan'ilay ray ny helony amin'izany?

廖偉棠 indray namoaka poezia ho an'ny gadra politika rehetra:

致一个被囚禁者(116°46′E ,39°92′N) 莫须有的罪也莫须判 他们想把你在每一篇檄文中删除 使你成为真正的莫须有先生。 他们从永定河中捞出空气冻成的白骨 给你做了莫须有的铁窗、莫须有的枷锁, 却没想到你从白骨里蘸墨 画出了梦里人焚烧的春闺余烬。

Ho an'ilay gadra (116°46′E, 39°92′N): Tsy azo melohina ny heloka tsy misy antony. Te-hanafoana anao izy amin'ny fanambarana rehetra. Ary manao anao ho Andriamatoa tsy misy. nalainy ny rivotra avy amin'ny reniranon'i Yongding ary nampangatsiahiny eo amin'ny taolana fotsy. Izay navadiny ho fefy vin'ny varavarankely sy rojo mamatotra ny kitro. Tsy ho fantatr'izy ireo mandrakizay fa afa-mandraraka ranomainty eo amin'ny taolana fotsy ianao. Ary dia handoko ny setroky nofy lohataonan'ny mpanonofy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.