Fahabangan'ny fahaiza-mitarika ao Nepal: Tsy mbola tsinjo izay ho fiafaràny

The Coat of arms of Nepal. Image Courtesy Wikipedia

Ny zoma lasa teo (1 Oktobra 2010) dia nandamoaka ny andrana fahasivy nataon'ny parlemanta ao Nepal ho fifidianana izay ho Praiministra. Vao mainka mampitarazoka ny olana politika lalovan'ny firenena izany, izay nanomboka tamin'ny fametraham-pialàn'ny Praiministra Madhav Kumar Nepal tamin'ny 30 Jona.

Ny hany mpirotsaka hofidiana tamin'ilay fihodinana fahasivy, Ram Chandra Poudel avy amin'ny Antokon'ny Kongresy Nepaley, dia 105 monja tamin'ny vatom-pifidianana no azony, mbola lavitry ny afo ny kitay raha te hahazo ny maro an'isa amin'ireo mpikambana 601 ao amin'ny parlemanta. Niziriziry tsy hanaisotra ny filatsahan-kofidiany izy. Ny fihodinana fahafolo amin'ny fifidianana dia hatao amin'ny faramparan'ity volana ity.

Ity fahabangan'ny fahaiza-mitarika sy ny tsy fahampian'ny tondrozotra ao amin'ny governemanta ity dia misy fiantraikany ratsy amin'ny toekarena ao Nepal izay efa osa rahateo sady koa mampihantona ny dingana fanoratana ny lalàmpanorenana. Eny fa hatraty amin'ny farany ambany indrindra amin'ny fitantanana mihitsy no tapaka, manamarika i  Martin Searle ao amin'ny Fanavaozana ara-politika (Policy Innovations):

“Tato anatin'ny taompolo enina farany dia nanana lalàmpanorenana enina i Nepal. Ny andrana farany ho fanangànana azy ity indray dia nanaraka ny ady an-trano  nanomboka ny 1996 hatramin'ny 2006 teo amin'ireo Maoists sy ny fanjakana. Nandritra io fotoana io, azon'ireo Maoists tanteraka ny fifehezana faritra midadasika teo amin'ny firenena, ka dia voahilika ry zareo fanjakana sy ny fitantanan'ny governemanta. Na teo aza ny fitsahàran'ny gidragidra sy ny fidiran'ny Maoists teo amin'ny sehatry ny politika avolenta tamin'ny fifidianana natao ny 2008 (izay nahazoan-dry zareo ny ampahan'isa be indrindra), mbola hita tamin'ny sehatra maro ihany ny tsy fahombiazan'ny fanjakana.

Ny làlana nofinidin'ny Firenena Mikambana hanatonana ireo fitondram-panjakana—ny fisian'ireo sekreteran'ny Village Development Committee (VDC) Komitim-Bohitra ho amin'ny Fampandrosoana— dia maneho fa nanomboka tamin'ny Desambra 2009 dia 42% monja amin'reo VDC no manana sekretera miasa amin'ny fotoana feno ny any amin'ny toerana ilàna azy, ary  39% amin'ireo sekretera VDC no, na miasa amina ampaham-potoana voafetra eo amin'ilay vohitra, na manao ny raharahany avy any amin'ny foiben'ny distrika”

Tarafina avy any ivelany dia toy ny efa tsy taka-tànana intsony ny korontana ao Nepal. Saingy tsy ny rehetra no taitra amin'ny fisamantsamahana misoko mangina midona amin'ny fitantanana ny firenena. Eurasia Review, manao fanamarihana ao amin'ny lahatsoratra farany indrindra avy amin'ny  International Crisis Group ( Vondrona mpandinika ny Krizy Iraisam-pirenena, milaza fa i Nepal dia “eo anivona vanim-potoana iray fanaovana fombafomba mifandrirondrirotra”:

“Ny fikisahan'i Nepal miala avy amin'ny ady an-trano ho any amin'ny fandriampahalemana dia sahala amin'ny hoe zava-misavoritaka. Nefa tsy misavoritaka izany ny firenena; mety hoe mitabataba be sy manahiran-tsaina io fikisahany io saingy tsy hoe baranahiny. Misy fandrindràna arahana ny fanovàna ara-politika ary ny fahafahan'i Nepal mizaka ny dingan'ny hetsika ara-politika manohitra ny fiovàna mahery vaika.

“Haingana be ny fikisahana niala tamin'ny ady nankamin'ny fandriampahalemana fa mbola mijanona ho tsy feno”, hoy i  Jacob Rinck, mpanadihady avy amin'ny Crisis Group avy any Azia Atsimo. “nefa ny dingana mankamin'ny fitoniana dia toa sarotra tsy araka ny iheverana azy.”

Rajan Koirala avy amin'ny  Prout Journal, na izany aza, dia tsy miombon-kevitra amin'ny hoe mizotra ho amin'ny làlana tsara ny tetezamita ao Nepal. Manamarika izy fa ny tanjon'ny tetikasam-pirenena hoe  “Tisidiho i Nepal 2011″ izay mikendry ny handoko an'i Nepal ho toy ny fiafaran'ny dia manodidina ny tany, dia tena tara be mnihitsy noho ny fahabangan'ny fitantanana amin'ny sehatra avo ao amin'ny governemanta.

Nepal – Island Peak – fitambotsoran'ny ranomandry, mahavariana, Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr, mckaysavage ampiasàna ny CC Attribution 2.0 Générique License

Azo takarina tsara ny rarintsaina mahazo ny vahoaka, saingy amin'ny saina tsy miangatra, tsy ho ilay vahaolana majika nandrasan'i Nepal akory ny fisiana Praiminisitra iray vaovao.  Hoy  Anup Kaphle ao amin'ny Pulitzer Center for Crisis Reporting manamarika ny zava-misy,

“Nefa na dia mahavita mifidy Praiminisitra vaovao aza i Nepal rahampitso, hisedra ny fanambin'ny fampivondronana ny firenena iray manontolo ao anatin'ny sehatra politika tsy ahitana làlan-kivoahana izy. Anampio an'izay ny famerenana sy fametrahana ireo mpiady Maoist taloha efa ho  19.600  izay mipetraka vonjimaika amin'izao fotoana izao any amin'ireo tobin-tafika manerana ny firenena, an'isan'ireo asa maozatra tsy maintsy hatrehan'i Nepal efa hatramin'ny taona 2006″

Taorian'ny telo volana niainana safotofoto sy tsy fahampiam-pitantanana, tsy azonao omena tsiny ny vahoaka raha manantena mpitarika hamaha ny olana rehetra, milaza fotsiny izay tena ao ampony ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.