Alzeria: Ny amin'ny Mpanankarena, ny Mahantra ary ny Antonony

Manao ahoana izany atao hoe mahantra? Ary manao ahoana izany manan-karena? Mandinika ireo tranga roa ireo ilay Alzeriana, Salim ary koa maneho ny heviny (Ar) momba ireo eo anelanelan'izany.

Toa izao ny fanolorany ny lahatsorany:

لو كانت الوسطية امرأة لقتلتها، رغم حبي للتفاحة الحمراء . و لو كان الفقر رجلا لقتلته، رغم تقديري للرجولة . و لو كان البذخ شبحا لقتلته، مع أن الأشباح لا تقتل ..

Raha vehivavy ny eo anelanelany, dia ho novonoiko izy na dia eo aza ny fitiavako paoma mena. Ary raha lehilahy ny fahantràna, dia ho novonoiko izy, na dia eo aza ny fitiavako ny fahamatoran'ny lehilahy, ary raha matotoa ny hadalàna, dia ho novonoiko koa izy na dia tsy afaka vonoina aza ny matotoa.

Manoratra momba ny fahantràna i Salim:

أن تَعيش فقيرا فهذا يعني أنك سَتشتهي وجبة كاملة، و ستَشتهي صديقا يملِك سيارة كي تجرب الجولة فيها، سَتَتَمنٌى لو أنٌك استكملت دراستك، و ستسهر الليل متخيلا نفسك تلبس لباسا عاديا و تملك هاتفا لا بأْس به، و أنك على علاقة مع فتاة متواضعة و أنت تمتلِك شيئا يضمن مواصلتها معك .. ستحس بالذل فور أن يمرض أحد من عائلتك و أنت تطلب ثمن علاجه من الذي يسوى و الذي لا يسوى .. أن تكون فقيرا هذا يعني أنك ستحقد على الأغنياء ..
Ny miaina anaty fahantràna dia midika fa manonofy  ny sakafo ampy foana ianao; manantena ianao fa manana namana manana fiara ka afaka hitaingina izany. Mety haniry ianao ny hahavita fianarana ary hanonofy mandritra ny alina fa mitafy tahaka ny olon-drehetra, na manana finday, izay afaka aderaderanao. Hieritreritra ianao fa miaraka amina vehivavy tso-piaina iray, ary nanana antoka fa hanohy hiaraka aminao izy. Hahatsiaro menatra koa ianao rehefa harary ny iray amin'ny havanao, dia hitetitety ireo mendrika na tsia ianao hitady ny vidin'ny fitsaboana azy. Ny fahantràna dia midika fankahalànao ny manan-karena.

Ary manazava i  Salim momba ny maha-mpanankarena:

أن تَعيش غَنِيا، في الغالب سَتَدُوسُ على عشَرات من الناس في طريقك، و لن تسعد بمال تحرسه ليلا و نهارا من الزوال، لن تهنأ بالنوم، ستعاني من ارتفاع نسبة الكولسترول و لن تأكل اللحم، ستصاب بداء السكري و لن تأكل الحلويات، ستصاب بالضغط الدموي المضطرب و لن تأكل إلا أكلا بلا طعم، سيموت قلبك و لن يضعف إلا أمام الفائدة، سترى الكل حولك يتأهبون لاستغلالك، لن تتمكن من حب أي فتاة لأن قلبك يتبع الفائدة و لأنك أصبحت تخاف من أن تكون محل استغلال .. أن تكون غنيا هذا يعني أنك ستحقد على الفقراء ..
Ny maha-mpanankarena dia midika fa efa nanitsaka olona am-polony maromaro ianao tamin'ny làlanao, tsy hahafaly anao io vola be ambenanao andro aman'alina io, ary hitaintain-dava ianao ny amin'ny mety hanjavonany. Tsy hahazo fy amin'ny torimaso ianao ary hijaly noho ny tahan-tavy ambony loatra ao aminao, hahatonga anao tsy hihinana hena mena. Hisy diabeta ianao, ary tsy ho afaka hihinana zava-mamy. Hiakatra ny tosi-drànao ka sakafo matsatso no hany ho azonao hanina. Ho faty ny fonao ary tsy hifoha raha tsy manoloana ny tombon-tsoa. Ho toy ny olona vonona ny hampiasa anao no fahitànao ny manodidina anao. Tsy mba afaka hitia vehivavy ianao satria ny tombon-tsoa ihany no ho ao am-ponao, na koa satria matahotra ny ho ampiasaina ianao. Ny fanànan-karena dia midika fa hankahalainao ireo mahantra.

Toy izao kosa ny atolotr'i Salim momba ireo miaina eo amin'ny antonony:

أما أن تعيش في وسطية، هذا يعني أنك سَتُحِب و ستعتقد أنك تملك ما سيضمن لَكَ حبيبتك، أن تأكل كالأغنياء يوما و كالفقراء يوما، ستقود أنت السيارة و لن تحس بطعم الجولة فيها، ستملك الهاتف الرائع و ستبيعه فور احتياجك، ستتمكن من علاج أبيك إذا أصابه المرض في مستشفى حكومي، لكنك سَتُحِس بالذٌل إن استعصى المرض، و في النهاية ستفقد حبيبتك لأن اعتقادك لم يكن في محله، ستتذوق من كل شيئ قليلا، الوسطية هي تذوق، ستعيش كل لحظة بصفة و لن ترسو على بر .. و حينها ستحقد على الغني و على الفقير و ستلعن الوسطية ..
Ny fiainana antonony dia midika fa ho raiki-pitia amin'olona ianao, ary hino ianao fa manana zavatra ahazoanao iantohana ny olon-tianao. Hihinana tahaka ny manan-karena ianao amin'ny andro iray ary tahaka ny mahantra ny ampitson'iny. Hitondra ny fiaranao ianao fa tsy hahazo fy amin'ny dianao. Hanana iny finday mahavariana iny ianao ary hivarotra izany raha vao misy ilànao vola. Afaka miezaka ny mitsabo ny rainao any amina hopitalim-panjakàna ianao rehefa sendra marary izy, ka hahatsiaro menatra raha areti-mandoza izany. Amin'ny farany, ho very ny olon-tianao satria tsy tamin'ny tokony ho izy ny fanantenànao. Ho nandrakandramanao avokoa ny zava-drehetra. Ny fiainana antonony dia midika fitsapatsapàna kely ny zava-drehetra. Samihafa hatrany ny fomba iainanao ny fotoana rehetra ary tsy ho afa-po mihitsy ianao. Amin'izay no hankahalànao ny mpanan-karena sy ny mahantra ary ny ozona nahatonga anao hiaina amin'ny saranga antonony.

Raha ny aminy indray dia miaiky i Salim:

لن أرتاح سواء كنت غنيا أم فقيرا أم “وسطيا” .. سأرتاح فقط عندما أعيش كما أريد .. في عالم لا يحوي طبقات لا يرتاح أحد فيها .
Tsy ho afa-po aho na ho mpanan-karena na hahantra na ho antonony. Ho faly aho raha miaina amin'ny fomba itiavako azy, amina tontolo tsy misy antanan-tohatra ara-tsaranga, izay tsy mahafaly na iza na iza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.