Tokony handefa tafika any Afghanistan ve i Bengladesy ?

Ireo mpikambana avy amin'ny 'Bengladesy avy ao amin'ny Firenena Mikambana Iraka avy any Liberia(UNMIL). Sary avy amin'ny sary nalain'ny Firenena Mikambana tamin'ny Flickr. CC BY-NC-ND

Nanamarika ny mahaizy azy ny Tafik'i Bengladesy tamin'ny fanomezany andia-tafika ho amin'ireo Hetsika maro samihafa ataon'ny Firenena Mikambana hitandroana ny filaminana manerana izao tontolo izao nanomboka tamin'ny 1988. Olona miisa 10855 nahetsika, mitàna ny laharana voalohany amin'ny fanomezana tafika ho amin'ny hery mitandro ny fandriam-pahalemana maro samihafa manerana izao tontolo izao ao amin'ny Firenena Mikambana i Bengladesy .

Na izany aza, nahazo fangatahana tafika hafakely ny firenena vao haingana. Milaza izao manaraka izao i Faheem Haider ao amin'ny bilaogin'ny Bangladesh Foreign Policy :

Nandefa fangatahana tany amin'ny Ministry ny raharaham-bahiny Dipu Moni i Richard Holbrooke, iraka manokan'ny Amerikana any Afganistana sy Pakistana fa nandefa tropy hanampy amin'ny famonjena an'i Afganistana amin'ny ady ataon'ny Talibana ny governemantan'i Bengladesy .

Voaray tany Bengladesy ny fangatahana miaraka amin'ny hetsika mifangaro, na izany aza, mbola nanahirana ihany koa tamin'ity olana ity ny fatahorana ny Talibana . Milaza ny fanambaran'ny Talibana ao amina tranonkala ny AFP :

“Mino (izahay) fa mahalala tsara ny mikasika ny finoana Silamo sy ny fahaizana mitondra ara-politika ny mpitondra ao Bengladesy mba tsy hanaitra ny olona hiady amin'ny Silamo sy amin'ny vahoaka Afghana amin'ny fandefasana miaramila anjatony vitsivitsy ho any Afghanistana ,”

Manohitra ny hetsika ny fihetsem-pon'ny vahoaka amin'ny ankapobeny raha araka ny hita amin'ny gazety maro samihafa . Mihevitra [bn] ny solontenan'i BBC taloha tany Bengladesy i Ataus Samad fa mety hiteraka korontana ho an'ny vahoaka izany ary hanasa tsy nahy ny mpifanandrina toy ny Talibana hanimba an'i Bengladesy . Milaza [bn] ny filohan'ny tafika teo aloha Ny Jeneraly M. Harun-or-Rashid fa tsy hisy herin'ny mpitandro filaminana avy amin'ny Firenena Mikambana any Afganistana, fa ny andian-tafika OTAN no ho any. Tsy mpikambana ao amin'ny OTAN i Bengladesy, ka tsy misy dikany loatra ny hiarahany amin'ny OTAN .

Miresaka mikasika ity olana ity ihany koa ny mponina Bengladesy amin'ny aterineto . Mihevitra [bn] i Kazi Mamun fa tokony hijery ny zavatra tena tadiavin'ny governemanta Afganistana i Bengladesy. Manontany izy raha tokony handà ny tolotra i Bengladesy ary ho voateny amin'ny fiarahany amin'ny to teny na handefa tropy voafetra mba hanohana ny ady sy ny fampihorohoroana ary ny mahazo an'i Afganistana .

Milaza [bn] i Dheebor ao amin'ny Somewhereinblog fa betsaka ireo firenena Eoropeana no nanomboka nanala ny andia-tafiny any Afghanistana. Manontany tena izy hoe fa maninona ny Amerikana no tsy manontany an'i Inde na i Pakistana amin'ny fanampiana andia-tafika .

Mitsikera eo amina lahatsoratra nosoratan'i Mahasachib ao amin'ny Nagorikblog, milaza i Gaurango Karmakar,manao hoe[bn]:

বাংলাদেশের সৈন্যদের যেহেতু কোনো কাজ নেই,তাই তারা সেখানে যেতে পারে। কিছু টাকা পয়সা আসলো। সৈন্য সামন্ত আফগান থেকে উঠিয়ে নেয়া হবে একটি মস্তবড় ভুল সিদ্ধান্ত।অন্ধ ধর্মীয় গুরুরা আবার মাথা চাড়া দিবে।সেই সুযোগ কাউকে আর দেয়া যায় না।

Satria tsy dia manana ny mahaizy azy ny tropy Bengladesy, dia afaka mankeny izy ireo. Mba zara aza izy ireo mahazo vola kely. Tena ho fahadisoana lehibe ny misintaka amin'ny tropin'ny OTAN. Hitsangana indray ny mpitondra fivavahana tsy manaiky lembenana. Tsy avelantsika hitranga izany .

Mitsikera ity lahatsoratra ity i Lenin Haider :

বাংলাদেশের ক্ষেত্রে মানুষের চিন্তা চেতনাকে ভাবতে হবে। আমার ধারনা আওয়ামীলীগ কোনোভাবেই সৈন্য পাঠাবে না আগামী ভোটের কথা চিন্তা করে। কারন তখন জামাত আর তালেবান সমর্থকরা ৫ম সংশোধনী ও আফগানে সৈন্য পাঠানোকে এক করে প্রপাগান্ডা ছড়াবে যে আওয়ামীলীগ যে ইসলামের বিরুদ্ধে তার প্রমাণ হিসেবে।

Tokony hijery ny hevitry ny Bengladesy ihany koa isika. Mihevitra aho fa tsy handefa andia-tafika mihitsy ny governemanta Ligin'i Awami raha mitodika amin'ny fifidianana ho avy. Satria dia ho lohahevitry ny fampielezan-kevitra iray izay ho an'ny Jamaat-e-Islami (antoko politika Silamo amin'ny ilan'ny havanana ) sy ny mpampitamby ny Talibana . Hilaza izy ireo fa manohitra ny Silamo ny Governemanta Ligin'i Awami noho izy mampiaraka ny andia-tafika amin'ny olan'i Afganistana sy mikasika ny andininy faha5 amin'ny lalampanorenana (izay miverina amin'ny lalampanorenana laika ).

Noho izany, toa tahka ny ho sarotra ho an'ny governemanta Bengladesy ihany ny hitazona ny fangatahan'i Etazonia ny handefasana andia-tafika any Afghanistana. Fa raha ara-foto-kevitra, manohana ny ady amin'ny fanoherana ny fampihorohoroana izay mibaribary be amin'ny fepetra atao amin'ny to teny i Bengladesy .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.