Mozika: Rakikira mampiray ireo mpanakanto nahilika sy nosivanina

Listen to the Banned [Henoy ireo voasakana] dia rakikira mampivondrona ireo mpanao mozika izay nahilika, nosivanina na naiditra an-tranomaizina noho ny mozika ataony. Ahitàna ireo mpihira avy any Afghanistan, Cote D’Ivoire, Irana, Israely, Libanona, Pakistana, Palestina,  Sodana, Tiorky, Uighurstan sy Zimbabwe. Ity tetikasa ity dia natsangan'ny Freemuse, fikambanana iraisam-pirenena mandàla ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny mozika, sy Deeyah, mpanao mozika Pakistane-Norveziana izay, rehefa avy niaritra fandrahonana mandritra ny taona maro noho ny fifidianana ny mozika ho fitadiavam-bola, dia manokan-tena hanandratra ny zon'olombelona sy ny fahalalahana maneho hevitra ankehitriny.

Nampiasa tambajotra sosialy izy ireo hampahafantarana ny olona momba ilay rakikira sy ireo tantaran'ny mpanao mozika tsirairay heno ao. Manana ny mombamomba ny mpanakanto tsirairay avy ny vohikalany. Ao amin'ny twitter, voarakitra amin'ny tena iainana ny lohatenin'ilay rakikira: mamoaka mikasika ny hiran'ireo mpanakanto vao hivoakafanafihana ireo mpanakanto nandritra ny fampisehoana ary fampahatsiahivana ezaka fanavotana ny mpanakanto iray any am-ponja. Ao amin'ny Facebook ry zareo mamoaka fanampim-baovao ary mahazo fanohanana avy amin'ireo mpankafy, ary ao amin'ny YouTube izy namoaka ampahany amin'ny hiran'ireo mpanakanto tsirairay ao amin'ilay rakikira.

Ohatra i Farhad Darya, nanao fampisehoana tany Kabul vao herinandro latsaka lasa izay ho an'ireo vehivavy Afghan nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fandriampahalemana. Tamin'io andro io, raha efa nadiva hifarana ny fampisehoana dia nisy baomba nipoaka tao amin'ny faitra fametrahana fiara ary olona 13 no naratra:

Ho an'ny Afghans an-tapitrisany maro, i Farhad Darya no nitondra ny fiverenan'ny mozika taorian'ny naharesen'ny Taliban tamin'ny 2001. Nahiliky ny Taliban ny mozika, sarimihetsika ary fahitalavitra tany Afghanistan nandritra ny fanjakàny nanomboka tamin'ny 1996 hatramin'ny nionganany tamin'ny 2001. Taorian'ny nionganan'ny Taliban, i Farhad Darya no iray tamin'ireo feo heno voalohany tamin'ny onjam-peo, izay anisan'ireo mpanakanto nalaza indrindra tamin'ny sehatry ny mozika “pop” Afghan nanomboka tamin'ny tapatapaky ny taona 1980. Nandeha nanao sesitany ny tenany izy rehefa nanjaka tao amin'ny firenena ny Taliban, nefa mbola nalaza ihany teo amin'ny Afghans an-tapitrisany maro.

Avy any Irana i Mahsa Vadat, nefa tsy maintsy nifindra rehefa niteraka famerana maro ho an'ireo mpanao mozika ny Revolisiona Ismalika tamin'ny 1979. Noho ireo mpihira vehivavy tsy maintsy nanao sonia fanekena iray mandràra azy ireo tsy hihira am-pahibemaso, tany ivelan'i Irana izy no niaka-tsehatra. Indrisy anefa fa tsy nihatsara ny tranga sasany ho an'ny vehivavy hatramin'izay: 

Ankehitriny any Irana, afaka manao karazana mozika maro ny vehivavy nefa tsy afaka mihira an-tsehatra ho an'ny mpihaino mifangaro ry zareo. Afaka mandray anjara amin'ny fampisehoana “natokana ho an'ny vehivavy monja” ry zareo, ny sasany amin'ireo dia karakarain'ny Minisiteran'ny Kolotsaina isan-taona. Afaka mihira miaraka amin'ny lehilahy, na amin'ny antoko mpihira koa ny vehivavy. Mandà ny hihira ho an'ny vehivavy irery i Mahsa Vahdat. Sady any ivelan'i Irana foana no tontosaina ireo fampisehoany.

Any am-ponja i Lapiro De Mbanga avy any Cameroon amin'izao fotoana iazo, voaheloka ho nampikorontana ny tanora rehefa nampiasaina tany amin'ireo fihetsiketsehana ilay hirany “Lalàm-panorenana Mitohana”:

Nandritra ireo fitokonana sy fihetsiketsehan'ny vahoaka nanerana ny firenena, namorona ilay hira “Constitution Constipée” (Lalàm-panorenana Mitohana) i Lapiro, izay anoritsoritany ny filoham-pirenena, Paul Biya, ho “tratra tao amin'ny fandriky ny tambajotra izay nanery azy hijanona eo amin'ny fitondràna na dia efa reraka aza.” Lasa hira fanevan'ireo fihetsiketsehana  amin'ny fomba tsy ofisialy ilay hira, dia voasambotra i Lapiro ary voaheloka ho nihantsy ny tsy filaminan'ny tanora. Tamin'ny Septambra 2009, voasazy telo taona an-tranomaizina izy ary voatery nandoa onitra 280 tapitrisa CFA francs (640000 $) ho fanonerana ny fahasimbàna naterak'ireo fihetsiketsehana.

Avy any Zimbabwe i Chiwoniso Maraire:

Raha mpanohana mahafatra-po ny fanovàn'ny Filoha Robert Mugabe momba ny fananan-tany any Zimbabwe i Chiwoniso Maraire tany am-boalohany, nanomboka nitsikera tsy an-kihambahambana ny tsy fahampiana fahaizana, ny fitomboan'ny kolikoly ary ny tsy fahampian'ny fahalalahana miteny. Rehefa avy niaina famotopotorana henjana nataon'ny polisy izy dia nanapa-kevitra ny handao an'i Zimbabwe tamin'ny 2007.

Azonao atao ny mamantatra bebe kokoa momba ireo mpanakanto sy mihaino santionany amin'ireo hira ao amin'ny Listentothebanned.com

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.