Arabia Saodita: Fahazoan-dalana hitoraka blaogy!

Nahatonga resabe tamin'ny vohikala sy blaogin'ny media sosialy ny fanambarana farany nataon'ny mpitondra-tenin'ny Minisitry ny kolontsaina sy ny Fampahalalam-baovao Abdulrahman Al Hazzaa. Nilaza izany fanambaràna izany fa ireo mpamoaka ao amin'ny vohikala sy media ao amin'ny aterineton'ny Arabia Saodita rehetra, anisan'izany ireo blaogy sy sehatra fifanakalozan-kevitra, dia mila voarakitra ofisialy ao anatin'ny lisitry ny Governemanta. Samy manohitra izany lalàna vaovao izany na ireo Saodiana na ireo tsy Saodiana. Ao amin'ny Twitter, mivezivezy amin'ny tenifototra #haza3 io fanoherana io – izay mitovy amin'ny fanampin'anarana ofisialin'ilay minisitra.
Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra.

Ao amin'ny blaoginy Crossroads Arabia, faritan'i John Burgess ho fanarahamaso  ity fanapaha-kevitra ity:

Taloha, afaka nandidy ny zavatra tenenin'ny vahoaka sy henoiny amin'ny media ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Fampahalalam-baovao. Raha ny tena izy dia azy daholo ny rehetra, raha tsy atao ara-bakiteny, dia amina fanaraha-maso henjana. Nampanano-sarotra izany fanaraha-maso izay nahakivy ny sasany izany ny media vaovao.

Honena ny blaoginy i iamsoos ao amin'ny Twitter-ny:

مدونتي العزيزة أرسل لك باقات التعزية والأسى ! فأنت مخالفة .. ابتعدي عن اشارات المراقبة فأنتِ بلاتصريح #Haza3
Ry blaogy malalako, raiso ny fampiononako. Tsy nahazo alàlana ianao!

Ireo hafa indray kosa dia nanapa-kevitra ny hanesoeso amin'ity raharaha ity. Miteny i kabdu:

انا قررت إني أفتح مدونه في النت لوق , إيش الأوراق المطلوبة ؟؟ #Haza3
Nanapa-kevitra ny hanangana ny blaogiko manokana ao amin'ny aterineto aho, inona ireo fepetra ofisialy tokony ho fenoiko?

ary dia nanampy i Fouad Alfarhan:

من يسجل مدونته ومعلوماته عند وزارة الإعلام اختياريا كما قالوا هو مثل من يبلغ وزارة المياه بجدول أوقات استحمامه #Haza3
Ireo izay nandrakitra ny blaoginy sy ny mombamomba azy tao anatin'ny lisitry ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao araka izay noteneniny, dia tokony hitatitra ny fotoana fandroany any amin'ny Minisiteran'ny Rano ihany koa

i Abdulaziz Fagih kosa dia nanolotra hevitra ho fanamborana lalàna vaovao:

نطمح من الدولة بأصدار خطة مستقبلية لجعل دخول الحمامات بتصريح رسمي أو مرسوم ملكي لحامله #KSA #Haza3
Ny tianay dia ny hamoahan'ny Governemanta lalàna vaovao mba tsy ho afaka mandeha mankany amin'ny trano fivoahana raha tsy mahazo alàlana ofisialy avy any amin'ny fanjakana

Nampisafoaka mpitoraka blaogy maro ihany koa ity fanambarana ity. Ao amin'ny blaoginy, manontany ny fahalalahan'ny vahoaka Saodiana miteny i Saudi Women (Ireo vehivavy Saodiana):

Tsy voafehy tsara ve ny fahalalahantsika? Mila fahazoan-dàlana an-tsoratry ny mpiambina ahy ve aho vao afaka mikirakira ity blaogy ity? Mila taratasin'asa koa ve aho? Tokony handalo amin'ny Ministera ve aho alohan'ny hamoahako zavatra? Ahoana raha ho solon'ny fitoraham-blaogy, manoratra  zavatra tsy misy valaka amin'izanyanaty Tweet mitohitohy na any amin'ireo naoty Facebook ireo mpitoraka blaogy, inona no ho ataon'izy ireo amin'izany? Tokony hanoratra ny kaonty Facebook sy Twitter-nay ihany koa ve izahay?

Toy izany koa, i Sultan Aljumairy dia maneho ny fahasahiranan-tsainy ao anatina lahatsoratra am-blaogy feno fahatezerana :

إلى أي نقطة تاريخية يراد بنا أن نعود ! حتى الكلام كثير علينا !
Aiza amin'ny tantara no tian'izy ireo hamerenana antsika? Na dia ny fanehoatsika izay ao ampontsika aza ankehitriny dia zavatra  tafahoatra

Vokatr”ireo resabe makadiry, nandà i Al-Hazzaa denied ny andro ampitson'io fa tsy mila endrika taratasy fisoratana avy amin'ireo mpitoraka blaogy na ireo mpitantana sehatra fiadian-kevitra. Nanampy ihany koa izy fa ny fampiharana ity lalàna ity dia natokana ho an'ireo gazety amin'ny aterineto. Nanambara ny Minisitera fa diso ny fandraisana ny zavatra voatenin'ilay mpitondra tenin'i Al Hazzaa.

Nahatonga adihevitra mikasika ny media vaovao sy ny fiantraikany amin'ireo mpitondra ity fandàvana ity.

Manondro ny Twitter ho fitaovana mahery ankehitriny i Fawaz Saad:

تراجع سريع! تويتر صار يخوف #NewE3lam #haza3
Mihemora haingana! Mampatahotra ny Twitter

Fa ireo sasany kosa dia nanontany tena hoe maninona ilay fandàvana no avy any amin'ny gazety vahiny.

Miteny i Samar Almoossa:

#Haza3 استغربت أن يأتي النفي من وكالة الأنباء الفرنسية ، ليس لدينا وكالة أنباء وقنوات ؟ آم الرسالة عالمية ولا شأن للشعب فيها ؟
Taitra aho tamin'ilay fandàvana avy any amin'ny AFP, angaha isika tsy manana foibe mpampahalala vaovao eto an-toerana? Sa hafatra iraisam-pirenena izay tsy misy hidirantsika vahoaka izany?

Farany, manome soso-kevitra amin'ny tsy fahatomombanana eo amin'ireo gazety ao amin'ny aterineto i Alfarhan:

لو كنت صاحب صحيفة إلكترونية لأعدت تقديمها على أنها مدونة جماعية تهرباً من طلب التصريح #Haza3
Raha tompona gazety ao amin'ny aterineto aho dia mety nandroso izany ho tahaka ny blaogy ifandrimbonana mba hialàna amin'ny fakàna fahazoan-dàlana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.