Venezoela: Sarimihetsika an'aterineto mampirisika ny olompirenena hifidy

Hifidy ny vahoaka any Venezuela ny faha 26 septambra hanavao ny solombavam-bahoakany, sehatra mpanao lalàna tokana mandrafitra ny kongresy, ary amin'ny aterineto kosa, olona 12 no manao sy manatontosa sarimihetsika maromaro mitaona ny mponina handatsa-bato.

Ny Los Hermanos Electorales , na Electroral Brothers dia manana andiana sarimihetsika efatra mandefa ny zavamisy samihafa an-kira mahakasika ny mahazava-dehibe ny fandehanana mifidy handraisana fanapahan-kevitra manoloana ny herisetra, ny fahalalahana maneho hevitra, ny ekonomia ary ny tsy fahampian-tsakafo. Ny sarimihetsika nataony farany dia miresaka ny tsy fandriampahalemana, ny herisetra ary ny fangalana an-keriny izay mihatra amin'ny vahoaka any Venezoela ary manafangaro izany amin'ny gadona reggae sy mpandihy mihanjakanjaka, mandefa hafatra fa ny vintana hanatsarana izany dia tokony hifidy ianao.

Ny sarimihetsika Quetelleva2010 (Ny ho azonao) dia milaza amin'ny endrika maloka ny tsy fandriampahalemana ihany. Olona niharam-boina tamin'ny fangalana an-keriny no matahotra mandritra ny alina raha iny izy mitondra fiara iny handeha haka ny volany rehetra any amin'ny banky, napetraka teo amin'ny biraom-pifidianana izy ka ireo mpitazana no miteny hoe: raha tsy mitarika anao hifidy ny tsy fandriam-pahalemana, inona no ho azonao ?

Voto Joven manana fampielezan-kevitra hafa koa, manindry tsara fa tsy jerena ny toerana misy anao, na mpanaraka na mpanohitra ny fitondrana ianao, dia ilaina foana ny fandatsaham-bato. Noho izany dia manome antony 26  tokony hifidianana amin'ny faha 26 ny volana izy:

Ity sarimihetsika manaraka ity dia manontany ny mponina any Venezoela raha ho tonga hifidy izy ireo na hanary ny vatony any amin'ny fanariam-pako, sarin-teny amin'ny teny espanola amin'ny hoe votar izay midika hoe mandatsa-bato sy ny hoe botar izay midika hoe manary:

Sarimihetsika hafa koa mitondra ny lohateny hoe Anton'ny fifidianana any Venezoela no manohana antokona mpilatsaka ho fidiana manokana, tahaka ity iray ity izay manohana ny The Democratic Alternative, izay miantso ny mpifidy any Venezuela hanaraka an'i Cuba :

Tsy voatery ho sarimihetsika natao tany an-toerana ihany no aseho, fa ao koa ny nadika,  tahaka ity iray ity izay nalaina avy tamin'ny fampielezan-kevitra nandritra ny fifidianana tany Etazonia. Raha mitovy ny feo, ny lohateny kely kosa dia maneho ny zavamisy marina any Venezoela : raha tokony hiantso ny olona hisoratra anarana hifidy izy ireo, dia asainy maka fanampim-panazavana mialoha nny fifidianana ny olona, ary atorony ny bilaogy Cartelera Electoral .

Ireny fampielezan-kevitra rehetra ireny dia natao hanatsarana ny tahan'ny tsy fahatongavana mifidy indrindra eo amin'ny tanora, izay mpikirakira internety betsaka indrindra : araka ity sarimihetsika ity, izay mamerina ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin'ny taona 2000, dia 75% ny tanora tokony hifidy no tsy tonga nandatsa-bato. Enga anie ka hihena betsaka, tena betsaka izany taha izany amin'ity taona ity.

hajian-tsarin'i Venezuelan Flag avy amin'i Alejandro Andres Alarcon ary ampiasaina mifanaraka amin'ny CC Attribution license.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.