Afghanistan: Nanomboka ny fifidianana 2010

Nanomboka tamin'ny Sabotsy 18 Septambra tamin'ny 7 ora maraina ny fifidianan'ny  Wolesi Jirga ao Afghanistan. Raha ny voalazan'ny gazety navoakan'ny Komisiona tsy miankina miahy ny Fifidianana tamin'ny 17 Septambra dia  miisa  16.691 (89 isan-jato) amin'ireo birao fandatsaham-bato 18.731 nomanina any amin'ireo faritany  34 manerana ny firenena no efa nahazoana fanamafisana fa efa vonona handray ny mpifidy.

Na teo aza ny fitaintainana sy ny fandrahonana hanakorontana ny fandriampahalemana, anjatony ireo Afghans nitandahatra isaky ny birao fandatsaham-bato nanerana ny firenena mba haneho ny safidin'izy ireo.

Tolonews.com mitatitra fa nanombpka io Sabotsy io tamin'ny 7 ora maraina ny fihodinana faharoa tamin'ny fifidianana parlemantera Afghans ary nifarana tamin'ny 4 ora folakandro:

Nandatsa-bato tao amin'ny iray amin'ireo biraom-pifidianana tao amina sekoly ambony iray  ao Kabul ny Filoha Afghan Hamid Karzai ary niantso ny vahoaka  Afghans rehetra handray anjara amin'ireo fifidianana ka hifidy izay andrian'ny fony amin'ireo mpirotsaka.

Muzafar Ali, Afghan iray mpaka sary dia mizara sasantsasany amin'ireo sary nalainy faramparany momba ny fifidianana sady manamarika fa:

Filaharam-be no hita tany Bamyan sy faritra hafa be mponina any Hazara. Tsy toy ireo faritra hafa eo amin'ny firenena, ireo olona ireo dia tsy misaina akory izay mety ho olan'ny fandriampahalemana.

Younes Entezar, Afghan iray mpitoraka bilaogy no manoratra [fa]:

Androany, nifidy ny mpirotsaka tiako aho ary nifidy ny azy koa ny raiko. Misy olona 8 manan-jo hifidy ao amin'ny fianakavianay. Indrisy, tsy mahay mamaky teny sy manoratra ireo mpiray vodirindrina aminay ary tsy mbola nandray anjara tamin'izay fifidianana mihitsy hatreto, na namporisika mafy tokoa azy ireo aza aho.

HeratPaper.com, gazety iray anaty aterineto avy any amin'ny faritra avaratr'i Afghanistan dia  mitatitra [fa] fa teo ambany fanaraha-maso henjana tokoa no nizoran'ny fifidianana tao Herat:

Dr Daud Saba, Governoran'i Herat miteny hoe: Manao izay tratrany tokoa ny mpitandro filaminantsika mba hanamoràna ny fisian'ny fifidianana malalaka, mangarahara ary milamina.

Dawlatshah Poyesh izay any India amin'izao fotoana dia maniry [fa] indrindra raha mba afa-mandeha tany  Afghanistan mba hifidy izy:

Iriko indrindra ny mba ho any amin'izao anio izao. Mety mba nifidy olona iray aho na angamba nifidy ny tenako ihany, raha toa ka isan'ny mpirotsaka. Betsaka mpirotsaka tamin'ity indray mitoraka ity ary tokony mba ho izaho ny iray tamin'izy ireny. Saingy, farafaharatsiny, mba nety ho afaka nifidy izay mpirotsaka nandrinandrian'ny foko aho. Tena henjana be ny hisafidy mpirotsaka iray ao anatin'ny  600 hatramin'ny 700!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.