Venezoela: Ny fifidianana amin'ny 26 Septambra, ny fahafanam-po sy ny hevitra ao amin'ny Twitter

Ny 26 Septambra ho avy izao, dia hampihatra ny zon'izy ireo hifidy amin'ny fifidianana faha telopolo nandritra ireo iraika ambinifolo taona nitondran'ny Filoha Hugo Chávez izao ny vahoaka. Hanavaozana ny Antenimieram-pirenena manontolo ireo fifidianana ireo- izay Kongresy teo aloha ary ankehitriny dia rantsana mpanao lalàna tokana. Hifidy solom-bavam-bahoaka 165 ho an'ny antenimieram-pirenena ary 12 ho an'ny antenimieran-doholona Latina Amerikana; hanompo ny firenena ny mandritra ny 2011-2015 ireo voafidy. Fibanjinana ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 2012 io fifidianana io. Iray amin'ireo fitaovana be mpampiasa mandritra ny fanentanana ho amin'izany ny Twitter.

Ilaina ny manamarina fa vao haingana izay dia nahazo ny laharana fahatelo erantany amin'ny fidirana Twitter i Venezoela. Ny fidiran'ny Filoha Chávez tao amin'ny tambajotra tamin'ny faran'ny volan'Aprily dia nampitombo 4,8% ny fampiasana Twitter, ary manana mpanaraka mihoatra ny 800 arivo i Chávez (@chavezcandanga) amin'izao fotoana izao; sady arahan'ireo mpomba azy izy no arahan'ireo mpanohitra ihany koa.

Miteny i Jhonny (@jhgra) ao amin'ny Twitter:

@chavezcandanga ya tiene 819 mil 543 seguidores en Twitter” y la mayoria de la oposicion para saber que dice asi que xd

Manana mpanaraka mpanaraka 819 arivo sy 543 i @chavezcandanga ary mpanohitra mijery izay hambarany ny ankamaroan'izy ireo

Mitandrina amin'ny herin'ity fitaovana ity ireo mpanaraka sy ireo mpanohitra, ary ireo mpifaninana 105 [es] ho eo amin'ny toeran'ny fihaonana dia manana kaonty Twitter izay matetika hampiasain'izy ireo amin'ny fanentanana. Ny mpifaninana avy any amin'ny mpanohitra María Corina Machado (@MariaCorina2010) dia manakiana ny Antenimieram-pirenena amin'izao fotoana ao amin'ny Tweet-ny:

Esta es la misma AN q hace unos años creo la Comision para investigar la muerte d mascotas; pero no investiga 16mil muertes d vzlans en 2009

Ity ihany ilay Antenimieram-pirenena izay nanangana vaomiera mba handinihana ny fahafatesan'ireo biby fiompy; nefa tsy nanao fanadihadihana fahafatesan'ireo Venezoalana mihisa 16 arivo tamin'ny taona 2009

Ny kaonty Twitter-n'ilay mpifaninana María Corina Machado (@MariaCorina2010). Ny vakin'ilay sary famantarana "Isika no maro"

Ilay mpifaninana mpomba an'i Chávez, Freddy Bernal (@FreddyBernal) dia nampiseho ny fanohanany ny Filoha:

No claudicaremos ante el imperio ni ante la apatrida burguesía. Cmdte Chavez en la AN

Tsy hilavo lefona manoloana ny mpanakanrena tsy tia tanindrazana izahay. Ny Mpitarika Chávez ho ao amin'ny Antenimieram-pirenena

Tahaka ireo mpifaninana, ny vahoaka izay mankasitraka – ao anatin'ny zavatra maro hafa – ny fizaran'ny fitondrana na ny an'ny mpanohitra  ny fomba fijeriny ny zava-misy eo amin'ny firenena, ny fitiavany hifidy, sy ny fitiavany ny mpifaninana ankasitrahany.

Manohana ny mpifaninana ankasitrahany i Juan Carlos Alvarado (@juanc_34) :

Vean hoy por el canal i , al compatriota @freddybernal, dando claras respuestas y defendiendo a nuestro proceso socialista y humanista

Mijereva ny fantsona i androany, manome valinteny mazava sy miaro ny lalana sosialista sy manaja ny mahaolona ny mpiray tanindrazana amintsika @freddybernal

Nandefa hafatra ho an'i Freddy Bernal ihany koa i Omar Castejon (@castejon1):

@FreddyBernal Camarada Freddy no se deje apabuyar por los dos periodistas de Televen, PATRIA SOCIALISTA! O MUERTE! VENCEREMOS CAMARADA!!!!!

Aza manaiky tsindrin'ny mpanao gazety ianao ry namana @FreddyBernal, SOSIALISTAN'NY FIRENENA! NA NY FAHAFATESANA! HANDRESY ISIKA RY NAMANA!

Mieritreritra i José Leonardo Hill (@joselhill) fa:

Hay q ganar las elecciones,para legitimar el avance Revolucionario del socialismo,en Venezuela y en el mundo entero.@PartidoPSUV

Mila mandresy isika amin'ny fifidianana, mba hanamarina ny Fandrosoan'ny sosialisma mivoatra, any Venezoela sy manerana izao tontolo izao. @PartidoPSUV

Kaonty Twitter-n'i Omar Casterjon (@castejon1), mpanohana an'i Chávez. Ny sary aoriana : "PSUV: Ankolafin'ny Sosialista Mikambana any Venezoela"

Amin'ny lafiny hafa, maneho fiahiahiana mitombina amin'ny fazotran'ny demokrasia ny mpanohitra, ary amin'ireo zava-mitranga maro dia manondro ireo fitoviana amin'ny modely Kiobana. Ana (@anabelland), miaraka amin'ireo mpanaraka mihoatra ny 5000, dia manontany:

¿Democracia?, ¿tienes idea de qué es? RT @Reporte360: Chávez: “Aquí hemos llegado para no irnos más” http://bit.ly/bnGicV

Demokrasia? tsy manana hevitra amin'ny mety ho dikan'izany ve ianao? RT @Reporte360: Chávez: “Tonga teto izahay ka tsy hiala” http://bit.ly/bnGicV

Mandrisika ny mpanaraka azy hifidy sy hanome isa an'i Kioba ho ohatra mendrika i Jacqueline González (@jacogori), manonona ny mpifaninana mpanohitra Maria Corina Machado:

A votar! RT @globovision Corina Machado: “Vamos a escoger entre el Comunismo a la cubana, o democracia a la venezolana” http://bit.ly/aX0yth

Mifidiana! RT @globovision Corina Machado: “Hifidy isika na ny amin'ny fomban'ny Komonisma Kiobana, na ny demokrasian'ny Venezoelana” http://bit.ly/aX0yth

Mamerina mi-tweet ny resadresaky ny mpanoratra tantara foronina sy poety Venezoelana iray i La Resistencia (@Resistenciavzla):

RT @ftapia: Rafael Cadenas: las democracias son siempre corregibles, las dictaduras son siempre empeorables vota el #26S #MUD #Venezuela

RT @ftapia: Rafael Cadenas: Afaka tsaraina foana ny Demokrasia, miharatsy hatrany ny fahefana, fifidianana ao amin'ny #26S #MUD #Venezuela

Fomba fijery roa amina firenena iray, izay handraisana fepetra tsy mihoatra ny 10 andro. Luis Vicente León (@luisvicenteleon), Filohan'ny Datanálisis –iray amin'ireo foibe mpandinika manamboninahitra indrindra ao amin'ny firenena– dia maminavina fa mety ho henjana ny vokatry ny fifidianana izay hahazoan'ireo mpifaninana mpomba an'i Chávez 52% ary hahazoan'ny mpanohitra 48% [es].

Tsy mahazo alalana hamoaka ny vaovao ofisialy mikasika ny fifidianana amin'ny Twitter ny media sy mpanao gazety any Venezoela. Araka izany dia hanana ny fahefana hampahafantatra avy amin'ireo mpifaninana mihisa 140 ny vahoaka amin'ny 26 Septambra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.