Madagasikara : notazonin'ny mpitandro filaminana ny mpanadihady iray mikasika ny fanondranana an-tsokosoko ireo Andramena [hazo “bois de rose”]

Ny zoma 17 Septambra 2010, ireo blaogy Mongabay [ndlr. mivoy ny fiarovana ny tontolo iainana] [teny Anglisy] sy MyDago [teny Frantsay] dia nitatitra fa ny Alahady 5 Septambra 2010 dia notazonin'ny mpitandro filaminana tany Maroantsetra [ndlr. faritra Analanjirofo, atsinanan'i Madagasikara] ny “mpanao gazety vahiny” iray izay nanadihady mikasika ny fanondranana an-tsokosoko ireo Andramena [hazo “bois de rose”] [teny Frantsay], tsy nambara izay mombamomba izany mpanao gazety vahiny izany.

4 hevitra

  • Tamin’ny gazety taratra moa no tena nakako ny anaran’ny bois de rose ho andramena fa “indraindray” misy fifangaroana amin’ny hoe “bolabola” entina ilazana ny vatankazo koa indraindray. Misy miresadresaka momba azy ity ihany koa ny gazety mpivoaka an-taratasy ka nametraka fa Afrikana Tatsimo io mpanao gazety sady mpaka sary io. Noterena nofafan’ilay mpaka sary moa ny sary azony fa hoe manala baraka fitondrana

  • hitanao fa noho ny fitiavana ilay teny malagasy dia tsy maintsy tadiavina mandrakariva ny voambolana ampiasain’ny olona amina zavatra iray mety ho tsy fantatsika ny filaza azy amin’ny teny malagasy ary anisan’ny zavatra iray nampirisihana ny mpiara-mandika teny izany hanangona ireny voambolana tsy mahazatra antsika ireny nandritra ilay vovonana izay natao.

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.