Brezila: fanokanana ilay Graffiti lehibe indrindra eran-tany

Graffiti any Foz do Iguazu

Nanokana ny grafitti lehibe indrindra eran-tany izay mihoatra ny 37 000 sqaure feet any amin'ny faritr'i Foz do Iguaçu ny Filohan'i Brezila Lula da Silva. Ity faritany ity; malaza amin'ilay riandranon'i Iguaçu sy ny sisintany telo iraisan'i Paraguay, Brezila sy Arzantina, dia hody amin'ireo lalambe migodàna voaravaka manome lanja ny zon'ny ankizy sy ny tanora.

ClickFoz, vavahadim-baovaom-paritra an-tserasera ho an'ilay faritra misy ny riandrano dia manana fandrakofana manokana an'ity ezaka artistika ity mba hanalàna ny fanomezana endrika ratsy ny graffiti,  manatsara ny tanàna sy mampitandrina azy ireo mikasika ny zon'ny ankizy sy ny tanora.  Mampiseho ny ala-sarona ity horonantsary eto ambany ity, ahitàna ny fanokananan'ny Filoha Lula ny tetikasa miaraka amina sonia vita amin'ny ranon-doko sy ny feo lafik'ireo artista mifanakalo resaka mikasika ny asa vitan'izy ireo tamin'ilay lalàmbe voaravaka:

Manana ny tantara sy ireo sarin ‘ity ezaka niarahan'ny firenena telo tonta ity ny Odee.com:

Niara-niasa tamin'io lalàmbe io nandritra ny 10 andro tsy ankiato ny mpanao Graffiti avy any Brezila, Arzentina ary Paraguay ary vonona hiatrika ny fankalazana. Avy any Paraguay, voasarika tamin'ilay tetikasa avokoa ireo mpanakanto mpanao graffiti ahitàna an'i Eddy, Ataq, Oz, ary ny Priz izay an'ilay vondron'olona Paragoaiana “Jopara” . Any amin'ny ankilany Arzentina kosa dia misy ny vondron'olona Grupo We! ary ny an'ny Breziliana indray dia ny Pontello, ny vondron'olona Infames Crew ary ny Ya Basta natsangan'i Sica, Lalan, Michel sy ny hafa.

Priscila Benitez (Priz) avy any Paraguay dia nandrakitra anaty  horonantsary  ny fizotry ny asa nanaovana ilay graffiti. Iangaviana ianao hijery tsara ireo *skateboards*: niankina betsaka tamin'izy ireo ny fitaterana ny loko sy ireo mpanao sary hosodoko tamin'iny lalàmbe migodàna lavabe na viaducto iny:

Ao amin'ny blaoginy Punkgodangell dia manambara ny zava-drehetra mikasika ny zava-niainany amin'ny maha vehivavy tokana ao anatin'ity fiaraha-miasan'ireo artista mpanao graffiti  iraisam-pirenena ity i Priz, tamin'ny fitantanana ilay ezaka goavana be/titanika hanaovana sary hosodoko amin'ity rindrina lehibe ity miaraka amin'ny fihazakazaky ny fotoana, ny fanisana andro mandreraka, ny nianarany zava-baovao (anisan'izany ny fitaingenana skateboard) sy ny fiarahan'izy rehetra niezaka niara-niasa tamina tontolon'ny kolontsaina mifangaro:

Es todo un tema trabajar en equipo con gente que conoces por primera vez. Las relaciones humanas son complicadas y mas todavia cuando se trata de una triple frontera; cada artista tiene un estilo distinto, una manera de trabajar distinta y un lenguaje distinto. Conseguir que todo eso llegue a un acuerdo no es fácil, pero lo conseguimos. El objetivo final era uno en común y unimos fuerzas.

Lalao tena hafa mihitsy ny fiaraha-miasa ho ekipa iray miaraka amin'olona mbola tsy fantatrao. Sarotra ny mifandray amin'ny olona ary indrindra raha miresaka sisintany telo samy hafa ianao; samy manana ny fombany, ny fiasany sy ny fiteniny ny artista tsirairay.Tsy mora ny nanaovana izay hampiarahana izany rehetra izany, nefa vitanay. Ny tanjona farany dia niraisana ka dia nanambatra ny herinay izahay.

Afaka mijery ireo sary hafa mikasika ity viaduct ity vita any amin'ny pejin'ireo artista ianao: Eddy, Oz, Priz, Pontello ary Infames Crew.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.