Fankalazàna ny Andron'ny Malaizia

16 Septambra no andro nitambaran'ny Malaya miaraka amin'ny Sabah, Sarawak ary Singapore ho Malaizia. Na izany aza, tamin'ity taona ity vao lasa andro fialàntsasatra iombonana ny Andron'i Malaizia; taloha dia ny Fetin'ny fahaleovantenan'ny Malaya ihany no andro fialàntsasatra iombonana.

Nafana ny Twitter niaraka tamin'ny tenifototra #harimalaysia. Ni-tweet i TsirAhXuan:

tsy hoe hanery ny Malay hihinana sakafo Sinoa na Indiana na ny mifamadika amin'izany ny 1Malaysia (Malazia tokana). Raha afaka miteny ny tenin'ny hafa ny olona iray, firaisana ho iray izany.

Nandray anjara tamin'ny tweets ihany koa ireo mpanao politika.

Liow Tiong Lai, Minisitry ny Fahasalamàna any Malaizia, dia ni-tweet:

Dingana iray lehibe amin'ny famoronana Malaizia tena tokana ny fanekena ny Andron'ny Malaizia.

Avy eo izy nanohy nanao hoe:

Manantena aho fa ity fankalazàna ity dia hampahatsiahy antsika fa samy tompon'andraikitra avokoa isika amin'ny fitazonana ireo hevitra tokana nananganana ity firenena ity.

Hannah Yeoh, solombavambahoakan'ny Fitondràna ho an'i  Subang Jaya dia nanan-javatra tsara holazaina ihany:

Andron'ny Malaizia – Mankasitraka ireo namako avy any Sabah & Sarawak aho. Azafady raha izao vao neken'ny governemanta io andro io. Aleo tara toa izay tsy misy.

Ny sasany aza nanararaotra io fotoana io hireharehàna amin'ny Malaysia, tahaka ny onjam-peo DJ Hunny Madu:

Feno hafanana ny foko mi-tweet azy ity. Raha mbola nisy ny fotoana tokony nanaovako izany dia ny ho Malaiziana ihany no nofidiako.

Sahirana tahaka iazny koa ny tontolon'ny blaogy. May? dia nanolotra fomba fijery iray hafa mikasika izany:

Ireo Malaiziana Tandrefana sasany mbola matahotra ny fieritreretana hoe monina eny ambony hazo ireo vahoakan'ny Sarawak sy Sabah ary mbola mitombo isa ireo mpihaza. Leo foana ireo Malaiziana Tatsinanana sasany rehefa mamaky ireny  fandraisana an-tendrony ireny, nefa tsy mbola nahavita nampitombo ny fahalalàny manokana momba an'i Malaizia Andrefana. 47 taona izao… Nefa rehefa amin'ny Andron'ny Malaizia/Fetim-pirenena ihany ve izany vao fantatsika? Ahoana ny momba ireo 364 andro hafa ao anatin'ny taona?

Ny sary famantarana ampiasaina ato amin'ity lahatsoratra ity dia avy amin'ny Flickr an'i Roslan Tangah (solon'anarana Rasso) ampiasaina eo ambany fiarovana CC License Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.