India: Mirehitra indray i Kashmir…

Hetsi-panoherana tao Kashmir. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr, Kashmiridibber, CC BY-NC-ND

Raha noheverinao fa tsy hisy akony maneran-tany ny resaka fandoroana Korany dia metimety raha miverina mandinika ianao. Ny korontana misy amin'izao fotoana any amin'ny faritra Kashmir Indiana dia nateraky ny fanoherana mahery setra nipoitra taorian'ny nivoahan'ny tatitra momba ny fanivaivana ny Korany tany Michigan, Etazonia. Ny kabinetra ao Jammu sy  Kashmir  dia nanameloka ny fitaterana ilay resaka fandoroana Korany ary nangataka tamin'ny vahoaka mba ho tony. Na izany aza, raka ny nambaran'ny  BBC, vahoaka an'arivony maro no nankahatra ny fandraràna ka nidina an-dalambe, niventy fankahalàna an'i India sy Etazonia sady nandoro ny sarin'ny Filoha Amerikana Barack Obama.

Nodoran'ireo andian'olona  ny tranobem-panjakana maro sy sekolim-pinoana Protestanta iray ka dia nitifitra ny mpitandro filaminana. 18 raha kely no  olona maty ary marobe ny naratra. Mipetraka ny fanontanian'ny olona hoe firy amin'ireny hetsi-panoherana ireny no tena nateraky ny fanivaivana ny Korany ary firy no vokatry ny toe-po mankahala indiana fotsiny izao sy ny  adin'izy ireo ho an'ny fahaleovantenany. Ilay mpanao gazezty Altaf Hossain niteny to amin'ny  BBC fa: ” mety ho takona ihany ny hatezerana amin'i Etazonia atsy ho atsy, saingy ny fandatsahan-drà kosa dia vao mainka hampidedaka ny fankahalàna an'i India ho mafimafy kokoa.”

Noho ny firongatry ny herisetra an-dalambe0 tao Kashmir tato anatin'ny volana vitsivitsy, nihenjana ny mpitandro filaminana Indiana. Maro tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana no namoy ny ainy ary maro ihany koa no voasambotra. Niseho masoandro ireo videos mampiseho famoretana sy fampijaliana nampiharina tamin'ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana toy ny nanjo an'i  Abu Gharib, izay vao mainka nampisafaoka Kashmiris marobe.

Ato anatin’ity video avy amina tsy matihanina nampakarin'ny Kashmir Nation ity, ireo mpanao fihetsiketsehana dia milanja sora-baventy mitory ny  “Azadi” (Fahafahana/fahaleovantena) tsy hiaraka amin'i India:

Ireo blaogy indiana malaza maro dia toa nangina saingy marobe kosa   ireo mpampiasa  Twitter no  nifanakalo resaka momba an'io. Na dia maro amin'ireo bitsika (tweets) aza no miaty hatezerana sy honohono tsy mitombina, ny sasany kosa dia mampita tenim-pahendrena. Indreto bitsika vitsivitsy maneho ny fanehoan-kevitra amin'ny endriny samihafa momba ilay toe-draharaha.

Ireo ezaky ny governemanta Indiana:

@sardesairajdeep: kashmir tsy vahàna any delhi. mila manakaiky kokoa an'ireo olona any an-Demaka, maka ny fo sy fanahin'izy ireny, na dia sarotra aza izany.

@sardesairajdeep: 3 volana vao nahavita niantso fihaonamben'ny antoko politika rehetra tao  kashmir ny praiministra. zavatra efa elabe taloha tany no tokony ho natao.

@SachinKalbag: Amin'ny fanohanana ny fanapahan-kevitry ny  AFSPA (Armed Forces Special Powers Act), nanome porofo an'ireo mpitaky fizakan-tena mikasika ny maha-kianja be misokatra amin'ny baranahiny ny Lemaka ny governemanta.

miaramila Indiana misafo ny faritra Kashmir fehezin'ny Indiana . Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr, Kashmiridibber, CC BY-NC-ND

Vaovao sy honohono milaza fandoroana foto-drafitr'asa:

@AdityaRajKaul: @samar11 Ny rain'ny raibeko no isan'ny nanangana ny sekoly  Biscoe izay nodoran'ireo mpitaky fizakan-tena #Separatist Goons ao #Kashmir

@AdityaRajKaul: Vaovao voamarina: ireo andian'olona #Kashmir #Separatist io hariva io dia nandoro ny Tempoly Shiv  @Nayi Basti aty Khaanabal, Anantnag. Potika ny paositry ny Polisy #Taliban

@pawandurani: Fanambaràna goavana. Tsy misy tempoly voadotra ao  #Kashmir ary tsy misy fanamarinana avy amin'ny Governemanta. Manivam-baovaoa ny Governamanta … Rikoriko amin'ny toe-tsaina Indiana.

Fanampiana sy antso vonjy:

@polgrim: Tsy ampy intsony ny rà any amin'ireo  hopitaly ao Kashmir. Raha hanome, antsoy  – tompon'andraikitra Fitehirizan-drà SMHS, 094-19-415373. v @FaizanAli

Fanehoan-kevitra:

@polgrim: Mampahonena ny mahita fa maro amin'ireo olon'ny filazam-baovao Indiana ao amin'ny Twitter no manana toe-tsaina hafahafa amin'ny zava-misy raha vao i Kashmir no resahana. Tena mahonena.

@NitishaKaul: ireo Kashmiris mangataka hanoma sy hankalaza ny  Azadi dia efa miomàna holazaina ho Silamo, mpiara-dia amin'ny Pak, mahery fihetsika, mpihoko. #Kashmir #India

@Deshbhakta: @bdutt foto-kevitra na anton-javatra toy inona no tohanan'ny fantsonareo tamin'ny tsy nandefasana ireo vaovao momba ny saina Pak nihofahofa tao an-tananan'i Lal Chowk Srinagar Indiana ?

@Kalkharab Koshur: O #india , aleo lazaiko anareo, ho reraky ny handràra eo foana ianareo fa izahay koa tsy ho reraka amin'ny adinay. Mila miala ianarei #kashmir

Ireo vahaolana azo sainina:

@smitaprakash: @ranga_chennai heveriko fa tsy misy olona mahazo antoka amin'izay tena mety handeha ao Kashmir intsony. Laharam-pahamehana ny fampiatoana ny herisetra, fa toraka izany koa ny famaliana ny fangatahan-dry zareo.

Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr, Kashmiridibber. Ampiasàna ny CC BY-NC-ND license

Kashmir Blogs manoratra mikasika ny fampiasàna ny finoana ho fanatrarana ny tanjon'ireo mpitaky fisintahana:

Mitohy tsy miato ny sangodina tsy misy fetran'ny herisetra, afa-tsy ireo fotoana fohy mitsitaitaika isiam-pitoniana. Ny tafika mitam-piadiana Indiana ary ny mpampihorohoro tohanan'i Pakistana no manao saka sy voalavo mifampitady mifamono  ary dia ny kashmiris maro tsy manantsiny no mamoy ny ainy ao anatin'io lalao  mahafaty io.

Ireo antoko politika mpitaky fizakan-tena dia mazava be  fa voavidin'ireo sampam-pitsikilovana Pakistane mba hanohy handrehitra ny afo mahamain'ny fankahalàna an'i India. Io no antony lehibe mahatonga an-dry zareo tsy ho rototra amin'izay fifampiresahana miaraka amin'ny governemanta foibe Indiana.  Noho izany inona no ataon'ireo mpitaky fizakan-tena hiantohana ny tsy hiverenan'ny fandriampahalemana mihitsy any amin'ireo baiboho voadaroka lava? Ny valiny dia ampisain-dry zareo ny resa-pinoana mba handrehetana ny fankahalana an'i India, tsy ijereny mihitsy izay ho vokatry ny tetiky ry zareo.

The Kashmir milaza fa tsy olana i Kashmir raha ara-toekarena satria tsy hoe ambany manao ahoana raha ny tondron'ny fandrosoana”. Any an-kafa ny olana no mipetraka:

Maka tahaka an'i Pakistana amin'ny endrika roa ny Baiboho. Pakistana mangataka eran-tany amin'ny fanaovana fampitahorana hoe hamono tena nefa etsy andanininy ireo sangan'i Pakistana dia mandefa ny taranany mandranto fahaizana any ivelany fa ry Abduls sy Kasabs mahantra kosa dia maty noho ny fitakiany. Fihatsaram-belatsihy toy izany no ampiharin'ireo mpitarika azy ao amin'ny Lemaka.

K.R. Surendran mihevitra fa ilain'i  Kashmir ny mijery ifotony ny fototr'aretina sy ny olana:

Fa iza no nitondra ity ampahan'ny firenentsika ity ho amin'izao lalana tsy misy ivoahana izao e? Iza no namadika azy ity ho faritanin'ny rà mandriaka? Pakistana irery… sa ireo olom-panjakana koa? Ireo manampahefana any amin'ny foibe na izy rehetra ireo mitambatra?

Mbola maro ireo fanontaniana ilàna valiny ary tsy mbola misy hatreto marika famantarana ny ho fivahan'ny fifandirana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.