I Paid A Bribe (Nandoa tsolotra aho): Ezaka any India

K=A+F-F.   Araka ny nanaovan'i Robert Klitgaard azy, “Kolikoly mira Ampihimamba ampiana Fahanginana analàna Fahatokisana”.

Ny kolikoly, indrindra ara-politika, dia miha-mitombo any India, izay zary toa efa mahazatra ary miatrika izany isan'andro ireo olom-pirenena. Miteraka tsifahamarinana goavana izany ary mety misy akony eo amin'ny fiveloman'ny vahoaka aza izany. Tao anatin'ny adihevitra momba ny tetika vaovao hanoherana ny kolikoly, i Shaazka Beyerle, Filohan'ny Mpanolotsaina ao amin'ny Foibe Iraisam-pirenena misahana ny Fifandirana tsy mampiasa herisetra, dia mandray ho ohatra ny vehivavy mananontena iray izay tsy afaka mahazo vatsy ara-tsakafo avy amin'ny Rafi-panapariahana tantanin'ny fanjakana satria ny tompon'andraikitry ny governemanta dia mangata-bola aminy mba hamoahana ny karatra fanampiana ity ramatoa. Ireo olom-pirenena izay tsy afaka mandoa izany dia mijaly noho ny tsy fahafahany, ary ireo izay afaka kosa tsy afa-manoatra fa manao kolikoly. Miha-mitombo hatrany ny hatezerana sy hasosorana ateraky ny kolikoly, etsy anilany koa anefa avo dia avo ihany ny fandeferana izany. Ny olom-pirenena sasany dia zatra manome tambiny kely ho an'ny fanaovana asa, izay vao mainka mamelona ny kolikoly.

I Paid A Bribe dia miezaka ny miady hevitra momba ity olana ity izay mibahana any anivon'ny fiarahamonina Indiana. Mandrisika ny olona mba tsy handefitra amin'ny fanararaotam-pahefàna ataon'ireo tompon'andraikitra izany, sy mba hitatitra ireo trangana kolikoly mba “hanabaribariana ny vidin'ny kolikoly.” Afaka mitatitra ny fotoana nandoavany kolikoly na tsia ny olona, na ny fotoana tsy nanerena azy ireo handoa kolikoly, amin'ny alalan'ny fandefasana ireo tantara amin'ny alalan'ny fanehoankevitra, lahatsoratra blaogy na horonantsary mihitsy aza.

Ity tetikasa ity, izay nokarakarain'i Janaagraha, dia natomboka amin'ny 15 Aogositra 2010 (Fetim-pirenena Indiana).  T R Raghunandan, mpiasam-panjakàna ambony taloha ary ankehitriny mpandrindra ny tetikasa, dia miteny fa ny tanjona dia “ny hanaovana topimaso ny trangana kolikoly any India.” Nanomana tetika vaovao i Janaagraha hiadiana amin'ny kolikoly. Ity hevitra ity dia tsy mifantoka loatra amin'ny fandraisana fepetra amin'ireo sampana voafaritra mifototra amin'ireo tatitra ataon'ny olom-pirenena tsirairay, fa mampiasa dingana voarafitra mba hijerena ireo faritra tena ahitàna kolikoly. Mandinika i Raghunandan fa “afaka manana hevitra tsara momba ny kolikoly mitranga anatin'ny fiarahamonina tsirairay”; ny ilaina izany dia ny fahatakarana tsara ny hoe mitranga amin'ny fomba toy inona ary nahoana no misy ny kolikoly. Atambatra ary alalinina ireo tatitra avoaka ao amin'ny vohikala. Ireny fandalinana ireny no mampiseho ireo sampana tena mpanao kolikoly, tsy fahampiana ampiasain'ireo tompon'andraikitra mba hangatahana kolikoly, ireo tranga angatahana kolikoly sy ny sisa, ary rehefa avy mamantatra ireo tranga sy dingana mety hahitàna kolikoly, manantona ireo sampana sy ny governemanta i Janaagraha ho fandraisana fepetra. Maneho izany ity kisarisary manaraka ity.

Tanjon'ny “I Paid a Bribe” ihany koa ny handrisika sy hankahery olom-pirenena maro mba hamoahan'ireto farany ny tantarany, izay manampy ho an'ny fitandremana bebe kokoa. Ankoatr'ireo tatitry ny olona momba ny kolikoly, manana andian-tsary mifandimby miseho mampiseho ireo antontanisa goavana  ihany koa ny pejy fandraisan'ity vohikala. Misy sary lehibe mitondra ny lohateny hoe “Corruption Commons” mitanisa ireo fitarainana avy any amin'ny firenena samihafa any India. Aseho amin'ireny fomba samihafa ireny ny halehiben'ny olana, manampy amin'ny fanovàna ny kolikoly miainga avy amin'ny zava-drehetra resahan'ny olona, ho olana afaka itadiavan'ny tsirairay vahaolana. Afaka mandray anjara amin'ny alalan'ny dingana tsotra sy tsy mampatahotra ny rehetra, ary tsy voatery hampahafantatra ny tenany izy na hanonona anaran'olona ao amin'ireo tatitra ataony.

Anisan'ireo toetra misongadina mahaliana sady mampifandray ny “Ask Raghu”. Raghunandan dia mamaly ireo fanontaniana manokana apetraky ny olona, ka manome azy ireny izay fanazavàna ilainy. Manazava izy fa matahotra mafy ny governemanta ny vahoaka, noho ny tsy fahampiam-panazavàna indrindra indrindra. Tokony hisy vaovao bebe kokoa eo an-tànana ka hahatoky tena kokoa ny olona mba hifanandrina amin'ireo tompon'andraikitra sy mba hijoroany amin'ny fanarahana ireo dingana napetraka ary tsy hanao kolikoly. Misy lamin'asa hametrahana “Taratasy Fotsy”, ny voalohany momba ny Fanoràtana Tany sy Fanànana ary haharitra iray volana miaraka amin'ny horonantsary, mba ahazoan'ny olona ny fahalalàna marina momba ireo dingana arahina, ny sandany, ny fotoana ilaina ary ny asan'ireo tompon'andraikitra. Ny sampana ‘Akony’ dia mampiseho ireo tranga nijoroan'ny olona manohitra  ny kolikoly tamin'ny fahalalàna nomen'i Janaagraha, ary tamin'ny fanandratana ny feony monja  ihany.

Ao amin'ny sehatra fiadiana hevitra ao amin'ilay vohikala dia afaka manome sosokevitra koa ny olona ary mandray anjara amin'ireo fijery mivaingana sy tetika vaovao hiadiana amin'ny kolikoly. Amin'ny alalan'io sehatra io, afaka mizara ny zava-niainany momba ny kolikoly ny olom-pirenena, ampaherezina mba hifehy ny tsifahamarinana mihatra amin'izy ireo ary miara-miasa hanohitra izany.

Ka, “nanao kolikoly? tsy nanao? tsy nanan-tsafidy? nihàrany? tezitra? zarao ny tantaranao” ary miadia!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.