Iran: Ny mpitoraka blaogy voatana an-tranomaizina Shiva Nazar Ahari dia nafahana rehefa nadoa antoka $500,000

Shiva Nazar Ahari, gadra mafana fo mpiaro zon'olombelona sy mpitoraka blaogy, dia nafahana omaly.

Araka ireo vohikalam-baovao maro, dia antoka $500,000 no naloa tamin'ny famoahana an'i Shiva. Nankany amin'ny fitsarana niaraka tamin'ny tànany nisy rojo-vy izy tany amin'ny voalohandohan'ny volana Septambra ary nampangaina ho niaraka tamin'ilay fikambanana, Mponina Mujahedin ao Iran.

Efa an-taonany maro izao no nisian'ny fifandirana teo amin'ity fikambanana ity sy ny Repoblika Islamika, ary na fifandraisana aminy na inona na inona endriny dia tahaka ny ady fanoherana an'Andriamanitra na “Moharbeh“. Mety mahavoaheloka ho faty ny zavatra tahaka izany any Iran.

Nisy fihetsiketsehana maro natao hanohanana an'i Shiva tato anatin'ny herinandro vitsivitsy.

Tany Alemaina, tamin'ny Zoma 10 Septambra Madrane Solh Dortmond (Reny ho an'ny fandriampahalemana any Dortmund), vondrona iray izay tohanan'ireo lehilahy ihany koa, nitazona ny sarin'i Shiva teny an-tànan'izy ireo (sary eo ambony). Mivondrona isan-kerinandro izy ireo, mba hampisehoan'izy ireo ny firaisankinany amin'ireo reny misaona any Iran. Jereo ireo sary hafa ao amin'ny blaogin'izy ireo.

Ito ny fanentanan’ity vondrona ity ao amin'ny Facebook ho an'i Shiva.

Nanao fihetsiketsehana ihany koa ireo vahoaka tany Washington DC. Ahmad Batebi, mafana fo mpiaro zon'olombelona, miresaka mikasika an'i Shiva ao amin'ity horonantsary ity, ary miteny fa mafana fo mpiaro ny zon'olombelona fotsiny izy ary tsy mbola nidikiditra tamina resaka politika.

We are all Shiva (Shiva daholo izahay) dia fanentanana ao amin'ny aterineto manome toro-hevitra mikasika ireo hetsika samihafa afaka atao mba hanohanana an'i Shiva, miala any Canada ka hatrany Iran.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.