Azia Atsimo: Ireo mpitoraka blaogy miresaka ny ‘Andro fandoroana Korany’

The Holy Quran by arabicdes on Flickr (CC-BY-NC-ND)

Ny Korany Masina ao amin'ny Flickr (CC-BY-NC-ND)

Ny tantara nanintona ny sain'ny olona eran-tany tamin'iny herinandro lasa iny dia ny andro Fandoroana Korany nolazain'ilay pastora Amerikana Terry mba hanamarihana ny tsingerin-taonan'ny fanafihana tamin'ny 11 Septambra 2001. I Terry Jones dia mitarika ny Dove World Outreach Center any Gainesville,Florida, izay nahazo laza nandritra ny faramparan'ny taona 2000 tamin'ny nanehoany ampahibemaso ny fanakianana ny finoana Silamo. Na dia maro aza, anisan'izany ny Filoha Obama, no nanakiana ity hetsika ity , niroso ihany tamin'ilay fandaminany i Pastora Jones ary mbola niteraka adihevitra ihany mandra-pilàzany ny fanafoanana tamin'ny 9 Septambra 2010.

Nandray anjara tamin'ity adihevitra ity ireo mpitoraka blaogy eran-tany ary vondrona Facebook tia itony no tena nampiakatrakatra ny maripàna. Niady hevitra mikasika izany ihany koa ireo mpitoraka blaogy any Asia Atsimo ary hijery  hevitra vitsivitsy avy any amin'izy ireny isika:

Bhutan:

Manoratra i Passu:

Manadala ny sain'ny vahoaka antapitrisany eran-tany ny feo tokan'ny Pastora Jones avy amina kangregasiona kely misy  olona 50 eo ho eo mpanaraka azy any Florida . [..]

Tany amin'ny Sekoly Ambaratonga ambonin'ny Drukgyel aho rehefa nianjera ny Tilikambo Kambana, izay nahatonga ny ady tany Afghanistan; sivy taona androany dia maro ireo olona namoy ny ainy ary inona no azontsika? Tokony hisy fomba tsara kokoa ho enti-mahatsiaro ny 9/11!

Bangladesh:

Manontany i Asif ao amin'ny blaogy Unheard Voice:

Ito misy fanontaniana tokony ho eritreretina….amin'izao fotoana maha-vonona pasitoram-piangonana iray handoro ny Korany izao, tsy maninona ve ny mieritreritra ny Kristiana rehetra ho tahaka ny toka-maso tsy mahalala afa-tsy ny mandoro Korany — mitovy amin'ny fanaovan'ireo antoko ankavanan'ity firenena ity vosoboso-dratsy ny finoana Silamo?

Arakaraky ny fanakaikezan'ny 9/11, manao resabe momba ity adihevitra ity ny media. 6 taona izao no nandaozako ity firenena ity fa isaky ny tonga aty aho dia manontany tena foana amin'ny fanohizan'ny politika sy ny tontolon'ny media ny fandranitana miharo hadalàna fanaon'ny Elatra Ankavanana. Sarah Palin, ny zanany, ny pastora, ry Sean Hannitys erak'izao tontolo izao no  toa mifehy ny onjan-drivotra.

Milaza ity fitarihan'ny pasora ity ho tsy Kristiana ireo mpitoraka blaogy any ampielezana, Jerome D'Costa. Manana fanamarihana vistivitsy momba ity fandaharan'asa fandoroana Korany ity izy:

  • Ny fitondran-tenan'ilay Pastora sy ireo mpikambana ao amin'ny fiangonany dia tsy vitan'ny hoe tsy Kristiana fotsiny fa sady sain-jaza maroroka no hadalana miaro tsinjaka.
  • Ny zavatra ataon'ity Pastora tsy ampy saina ity dia fitarihana ho any amin'ny herisetra.
  • Mbola mametraka  ny tenany ho  ambany noho ireo Silamo mahery fihestika ireo izy.
  • Miaina  amina faritra mihiboka voaaro any U.S.A. ny Pastora Jones ka mahazo an'eritreritra mihitsy ny fiainan'ireo Kristian vitsy an'isa any amin'ireo firenena Silamo. Tsy tsapany  fa ny fihetsika kely ataony noho ny fankahalany sy ny fitiavany hamaly faty dia mety hankamin'ny herisetra hiantraika amin'ireny olona tsy manantsiny any ireny.
  • Tsy hisy fiantraikany amin'ireo Silamo mahery fihetsika ny fandoroana ny Korany.

Mampitandrina ilay mpitoraka blaogy:

Raha manatanteraka io zava-kinasany io i Rev. Jones, tsy manan-jo hitonona ny tenany ho pastora Kristiana izy. Izany no karazan'olona mitondra fanalam-baraka ho an'ny maha-Kristiana sy ny maha pastora amin'ny fanomezana laka ny tenany sy ireo antony manosika azy manokana.

Pakistan:

Kalsoom ao amin'ny CHUP! – Changing Up Pakistan dia manontany ny Pastora Terry:

Miala tsiny aho, Pastora. Fa tena inona marina no tena hivavahanao? Ho an'ireo pitiny kely monjan'ny fahasalamana ara-tsaina ve? Ny fifandeferana, izay sady ambara ao amin'ny Baiboly sy ny Korany?

Manohy ihany ilay mpitoraka blaogy:

Mitovy tamin'ilay adihevitra mikasika ny Park 51 “Ground Zero Mosque”, ny fiangonan'i Florida dia mandoko ny “Tontolon'ny Silamo” – fiteny kivazivazy sy alaina sary an-tsaina – miaraka amina borosy voasokitra amin-bato tokana. Ary ny vokatry ny hetsika tahaka izany dia tena goavana sy henjana. Nefa, mifanindran-dàlana amin'izany, ny fandinihana somary mampisalasala avy amin'ny media  homentsika ny Pastora Jones sy ny fiangonany, arakaraky ny fiakaran'ny eo ampelan-tanan'izy ireo no hampiakatra ny adihevitra mikasika ny fahatahorana mafy ireo Silamo sy ny toy izany any Amerika. Fihodikodinana tsy misy farany sy mampidi-doza ity.

Na dia izany aza dia manakiana ireo Silamo amin'ny fihetsika tafahoatra nataond-dry zareo ho fanoherana  i Raza Habib raza ao amin'ny Pak Tea House:

Ny zavatra tena manahirana ahy dia misondrotrondro-poana amin'ny tranga tahaka izao isika Silamo. Ankoatra ny fahalalana mazava ireo fetran'ny governemanta Amerikana dia manana ity fahazarana maneho ny fahatezerana diso tafahoatra sy ratsy izay mampitroatra ny hafa ity na dia ny Silamo sasany nahita fianarana aza.

Sri Lanka:

Manoratra The Abyss:

Ho anareo izay mandray anjara amin'ity hetsika eran-tany ity, manahy mafy ny amin'ny fahasalaman'ny sainareo aho.  Mihevitra ve ianareo fa ny fandoroana boky dia hampiverina ny fotoana ka hamonjy ireo aina rehetra ireo? Mihevitra ve ianareo fa tsy nitranga ireny zavatra ireny raha tsy nisy ireo boky ireo? Marina mafy. [..]

Ny zavatra ataonareo dia mety tsy hitondra na inona na inona afa-tsy ny hatezeran'ireo izay tsy nanana antony hitànana lolom-po taminareo tany aloha. Hiteraka olana maro hafa noho izay efa nananareo taloha ianareo, ary dia noho ireo hetsika adala rehetra  tahaka ny fandoroana ny Korany. Tsy ny fivavahana no homena tsiny noho ireo zava-nitranga ny  9/11. Tsy noho ireo mpanaraka ihany koa. Fa ireo mpitarika fivavahana ‘extremistes’  izay namily ny tenin'ny Koran hivoaka ny fetra,  ary ao ambanin'ny fitarihan-dàlana diso  ataon'ny lehiben'izy ireo hamotika anao. Izy ireo no tokony homena tsiny, izany no tena ‘fundamentalism’ (fandikàna sy fitompoana amin'ny teny fantatra). Fa tsy ny Korany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.