Meksika: Niteraka tondra-drano ny firotsahan'ny orana be loatra tany Veracruz sy Tabasco

Miaina iray amin'ireo loza voajanahary goavana indrindra nikapoka ny firenena i Meksika amin'izao fotoana izao. Ny gazety Meksikana Milenio [es] nanamarina fa tamin'ireo firenena roa niharan'ny tondra-drano, Veracruz sy Tabasco, mihoatra ny 25000 ireo olona tsy maintsy nandao ny fonenany, satria efa hirodana tsy ho ela ny fefilohan'i “Temazcal” sy “Cerro de Oro” noho ny hamafin'ny herin'ny rotsak'orana.

Nitsikera ny loza miatra amin'ireo fonenany ireo mpampiasa Twitter, tahaka an'i Marisol Montúfar (@hereismarisol), izay nanoratra [es]:

Viviendo sentimentos encontrados, amo la lluvia pero es una verdadera pena lo que esta pasando en #Tlacotalpan

Nahatsiaro toa nifandritra, tia orana aho nefa iny zava-nitranga tany #Tlacotalpan iny dia mahonena

Mampitaha [es] iny zava-nitranga iny tamin'ilay horohoron-tany tany Haiti i NicteTapiaKim (@NicteTapiaKim):

Cuando lo de Haiti, camiones y camiones llenos de ayuda, y ahora que nosotros la necesitamos no hay!!! #veracruz #lluvias #inundacion

Rehefa nitranga [ilay horohoron-tany] tany Haiti, tonga niaraka tamin'ny fanampiana ireo kamio, ary izao rehefa mila azy izahay aty dia tsy misy izany #veracruz#lluvias#inundacion

Araka ny Agence Fanaovan-gazetyPrensa Latina [es], mbola ratsy noho izay noeritreritina ny fatiantoka ara-ekonomika: “Ny manam-pahefana Meksikana dia nitatitra ny fahaverezana vola mitentina aman-tapitrisa noho ireo rotsak'orana mahery, ireo fokonolona 25 ao amin'ny firenen'i Veracruz dia mila 131 tapitrisa dollars fara-faha keliny hanamboarana ny fahasimban'ny fitaovana.”

Tamin'ny herinandro lasa teo, mba hampiseho ny firaisankinany noho ny faneren'ny olona be fangatahana, nandeha tany Tlacotalpan, Veracruz ny Filoha Felipe Calderón izay nahatratra iray kilometatra manodidina ny rano sy ireo arabe tondraka. Araka ny voalazan'ny El Universal [es], nahatratra teo amin'ny 1 ka hatramin'ny 1.5 metatra teo ny ahavon'ny rano.

Ny Filoha Meksikana Felipe Calderon mandeha makany amin'ny arabe tondraka tany Veracruz, Meksika. Sarin'ny mpampiasa Flickr Gobierno Federal, nahazoana famelana ho ampiasaina – NonCommercial-ShareAline 2.0 Generic Creative Commons license

Ao amin'ny Twitter, nahatonga ady hevitra ny fitsidihan'i Caderon. Mampahafantatra [es] i Manuel (@mdgo80):

Dicen que el agua en #Veracruz no supera los 30 cms, lo midieron con las rodillas de #Calderón

Niteny izy ireo fa tsy mihoatra ny 30 sm ny ahavon'ny rano any  #Veracruz, nandrefy izany tamin'ny tongotry ny #Calderon izy ireo

Misalasala ny sasany amin'ireo mpampiasa, satria mino izy ireo fa raha niseho i Calderón dia ho an'ny gazety fa tsy hampiseho ny firaisan-kinany amin'ny fandehanana tany amin'ireo arabe tondraka. Nanoratra [es] i Mario Vázquez (@MMarioVazquez):

¿A que fué Felipe Calderon a Veracruz? R= a tomarse la foto

Maninona i Felipe Calderon no nakany Veracruz? Valiny = mba haka sary

Nefa i Pachicle (@Pachicle) kosa dia manana fibanjinana hafa [es]:

Esta Enderezando el Rumbo Calderon, Agarra a la Barbie y se Mete al Agua en Veracruz a las Calles Inundadas, No Kiere Perder la Presidencia

Mampahitsy ny hazakazakany i Calderon, nisambotra ny “The Barbie” izy ary nankany amin'ireo arabe tondraky nyrano tany Veracruz. Tsy te-hanary ny fitondrany izy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.