Korea Atsimo: Tatitra toetr'andro mivantana amin'ny alalan'ny Twitter mandritra ny rivo-doza Typhoon

Nahavoa indray Twitter tany Korea Atsimo tamin'ny tatitra toetr'andro mivantana mandritra ny rivo-doza mahery nandrava ny peninsule Koreana androany. Nandravarava ny firenena avy hatrany ny rivo-doza mahery Kompasu taloha sy nandritra ny fotoam-piasàna — namaky fitaratra, nanongotra hazobe, nandrava rindrina ary namotika kianja mihitsy aza. Nandefa bitsika ny olona mba hampandre ny hafa ny misy ireo làlana tsy voasakan'ireo hazobe sy takelaby nentin'ny rivotra, ary (namerina) ni-tweet ireo fanampim-baovao farany sady nampakatra sarin'ireo faharavàna.

Adiny dimy monja ny rivo-doza mahery Kompasu (“compass” amin'ny teny Japoney) no tao an-tanàn-dehiben'i Seoul, nefa namely mafy nahavita ireto fandravàna hita sary ireto izany. Ny rivo-doza  tropikaly mahery indrindra nahavoa ny faritra tao anatin'ny 15 taona, dia nampiato ireo fanamboarana metro, niteraka fahatapahana goavana tamin'ny herinaratra , ary nanery ireo orinasam-pitaterana an'habakabaka hanafoana na hanova lalana ireo sidina. Noho ilay rivo-doza nahatratra ny heriny faran'ny ambony tany amin'ny 5 na 6 ora maraina, ora tany an-toerana, an'aliny maro ireo mponina avy lavitra no tratran'ny heriny mpanimba raha mbola teny an-dàlana handeha hiasa. Ireto sary ireto dia nalefa tweet avy amin'ireo olon-tsotra mpitati-baovao  mba hampisehoana amin'ny hafa izay zava-bitan'ny rivo-doza any amin'ny manodidina ny toerana misy azy ireny, sy hanome torohevitra momba ny toetoetry ny làlana.

@demoon84: 종합운동장 펜스도 태풍 앞엔 어쩔 수 없네여 http://twitpic.com/2kclkp

Na ny ‘general stadium’ aza tsy nanam-bintana nanoloana ny rivo-doza.

@demoon 84: 길거리는 아수라장입니다… 태풍 정말 무섭네여

Mikorontana tanteraka ny arabe. Tena mampihorohoro ny rivo-doza.

@runintosky: 맞은편 아파트 창문이랑 난간이 다 떨어졌어요..

Nilatsaka avy teny amin'ireo trano ireo fitaratra sy (arofanina) fefy tamin'ny lavarangana.

@tomato 1981 : 홈플러스 간판 떨어졌어요.

Niongana ny takelaby manondro ny ‘Home Plus’ [fanamarihana: Walmart amin'ny fomba Koreana].

@drumboy83: 압구정 갤러리아 앞 상황입니다 참고하세요 http://twipl.net/AklW

Izao no zava-misy amin'izao fotoana eo alohan'ny Galleria (trano fivarotana) any Apgujeong, raha tianao ho fantatra.

Maro ireo nizara ny zava-misy momba ny toetoetry ny fifamoivoizana:

@taiji410: #gangnam_ 은마파출소에서 휘문고올라가는 언덕 우측 가로등이 쓰러져있었는데… 아까 6시30분쯤… 도로 절반을 막아서 중앙선 넘어 올라갔네요~ 흐아~ 지금은치웠을래나… http://yfrog.com/3dn1qjj

#gangnam [fanamarihana: anarana distrika] Nidaboka ny andrin-jiro nitsangana teo amin'ny ilany havanan'ny làlana mampitohy ny Tobin'ny Polisy any Eun-ma amin'ny Sekoly Hui-mun…tamin'ny 6: 30 maraina tany ho any…nibahana ny antsasaky ny lalana izy io, tsy maintsy niampita eny afovoan-dàlana aho (hialàna amin'io)…Efa nisy nanala ve izany izao?

@TheAPLLL: 7호선도 청담대교 건널때 서행하느라 모든 역에서 1분씩 정차하네요…

Mijanona mandritra ny fotoana fohy ny Zotra faha-7 isaky ny toby fiantsonana rehetra rehefa nandany fotoana niampita ny tetezana ChungDam…

@cocmoon: RT @Twit_Korea: 강풍에 아파트 베란다 유리창이 깨지고 있습니다. 신문지에 물을 적셔서 유리창에 붙이면 깨짐이 방지된다네요. -재난대책본부 #태풍_ 곤파스 http://twitpic.com/2kcl4c

Vakin'ny rivo-mahery ny fitaratry ny varavarankely. Mba hisorohana ny fahavakisan'ny fitaratra, asio gazety mandon'ny rano amin'ny fitaratra. – Foiben-toerana Fisorohana ny Loza sy Sehatra fandraisana Fepetra #Typhoon_Kompasu

Noho ny ankamaroan'ireo làlam-by ambonin'ny tany tsy afa-miasa ao an-tanàna, niaina ny lozan'ny fitaterana ratsy indrindra tao anatin'ny taona maro ireo mponina avy lavitra, fa i Twitter kosa nanampy ireo sasany handrindra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.