Egipta: “Te-hanam-bady aho”; hatrany amin'ny blaogy ka hatrany amin'ny fahitalavitra

The cover of Ghada Abdel Aal's book, Wanna be a Bride.

Ghada Abdel Aal

Maherin'ny roa taona lasa izay, ny Global Voices Online dia nanao lahatsoratra momba ireo blaogy Egiptiana navoaka ho boky. Izao ny iray amin'ireo boky ireo navadika ho tantara mitohy amin'ny fahitalavitra, izay alefa mandritra ny herinandro masin'ny Ramadany.

Ny Blaogy, Boky ary Tantara mitohy amin'ny fahitalavitra

Ayza Atgawez – Te-hanam-bady – izany no anaran'ilay blaogy [Ar], ilay boky [Ar], ary koa ilay tantara mitohy vaovao amin'ny fahitalavitra. Fitambarana tantara fohy mahatsikaiky momba ny tantaran'ny tovovavy iray tsy sasatry ny mitady vady mendrika.

Ary izao no famintinan'ilay mpitoraka blaogy/mpanoratra Ghada Abdel Aaal ny tantara mitohiny amin'ny blaogy:

أمثل 15 مليون بنت من سن 25 إلى سن 35 و اللي بيضغط عليهم المجتمع كل يوم عشان يتجوزوا..مع إنه مش بإيديهم إنهم لسه قاعدين
Misolo tena vehivavy maherin'ny 15 tapitrisa manodidina ny 25 hatramin'ny 35 taona aho, izay monina anaty fiaraha-monina manenjika sy manao tsinontsinona ny fanambadiana. Na izany aza, tsy mbola misy idirany amin'ny tsy fahitàna vady mendrika izy ireo.

Tapakila mandroso sy miverina ho an'ny valan-tserasera sy ny Haino aman-jery andavanandro

Araka ny hitanao dia nanomboka tany amina blaogy izy ary nahita làlana nankany amin'ny haino aman-jery andavanandro. Dia izao indray izy mandeha miverina amin'ny valan-tserasera. Ilay tovovavy Toniziana mpilalao sarimihetsika – Hend Sabry – izay mpilalao fototra ao amin'ny tantara mitohy dia nanapa-kevitra ny hifandray amin'ireo mpankafy azy amin'ny alalan'ny Twitter ary nanontany azy ireo izay mba heviny momba ny lalaony sy ilay tantara mitohy iray manontolo.

@HendSabry: Asio tenifototra #3ayzaAtgawez hatrany ireo hevitrao ka ahafahako manaraka izany! Misaotra
@HendSabry: إيه أكتر جملة شدتكم في حلقة اليوم؟
@HendSabry: Inona no fehezanteny nahasarika indrindra tamin'ny seho androany?
Ayza Atgawez starring the actress Hend Sabry

Ayza Atgawez lalaovin'ny mpilalao sarimihetsika Hend Sabry

Dia nanomboka nandefa hevitra ireo mpi-tweets Egiptiana sy Arabo amin'ilay tenifototra voalaza.

Nayera02: @HendSabry Mijery ny #3ayzaAtgawez , avy hatrany dia tantara mitohy tsara indrindra amin'ity Ramadany ity! Mahafinaritra.

@_Nouna_: 7l2t #3ayzaAtgawez kant 7lewa awe today w really happens.. e3lnat el gawaz ba2t keteeeeeeeer awe

@_Nouna_: Tsara be ny sehon'ny #3ayzaAtgawez androany, ary zava-marina iny. Miparitaka eny rehetra eny ireo dokam-barotra fitadiavam-bady ankehitriny
@Momen_Elfadly: هناك فارق كبير بين الأداء الكاريكاتوري الكوميدي الساخر، وبين المبالغة المزعجة والهيبرة التي تقوم بها هند صبري باستمرار من أجل استجداء الضحك
@Momen_Elfadly: Misy fahasamihafàna be eo amin'ny filalaovana ny sarimihetsika hatsikana sy ny mampihomehy, ary ireo fihetsika diso tafahoatra mankaleo ataony amin'ny tarehiny dia miandry hatrany ireo mpijery mba hihomehy.
@TravellerW: #3ayzaAtgawez maneso ireo olona fohy; miantso ny lehilahy fohy hoe ‘Ilaikely’. Amin'ny fomba mihaja. #Racism #Ignorance #Trash #RamadanTV
@BentMasreya: أكتر سؤال كرهته في رمضان “إيه أكتر جملة عجبتكوا في حلقة النهاردة؟” ارخم من المسلسل ذاااااته
@BentMasreya: Ity fanontaniana ity no halako indrindra tamin'ity Ramadany ity, “Inona no fehezanteny nahasarika indrindra tamin'ny seho androany?”, mbola ratsy noho ilay tantara mitohy aza io.

Araka ny hitanao, nanaiky ireo hevitra sasany, nanohitra kosa ny sasany, ary ireo hevitra hafa dia nampiaiky an'i Hend fa mahavoa roa ny valan-tserasera (media sosialy):

@HendSabry: Ireo hevitra ihany no alefa amin'ny #3ayzaAtgawez  azafady… Tsy hanaiky ompa mamely manokana aho 🙂

Ny akon'ny tantara mitohy

Lavitry ny tantara mitohy mihitsy, ny foto-kevitr'ilay blaogy/bok/tantara mitohy dia nahatonga an'i Yasmine El-Mehairy hanoratra andiana lahatsoratra – enina aloha no misy hatreto – ao amin'ny blaoginy amin'ny lohateny hoe, “Miala tsiny fa tsy te-hanam-bady aho“:

بمناسبة اذاعة مسلسل عايزة اتجوز اللي كل الناس بتبصلي اني المفروض اخده مثل اعلى و اروح ادور على عريس
و بما ان عادة المصريين ان لازم ينكدوا على الواحد في اي مناسبة سعيدة و يفكروا باللي نقصوا في حياتوا
و بمناسبة كلمة “عقبال” اللي عمري ما حبيتها ولا طيقتها

احب اشارك معاكوا حكيتي مع الحب و الجواز و الذى منه , هاسميها “انا اسفة , مش عايزة اتنيل” . الحكاية دي فيها فضايح , و اعترافات , جزء لا بأس به من تاريخي الاسود . القصص كتير , منها الي يضحك و منها الي يبكي بس في الاخر هيا حصليت خلاص , و تسببت في تكوين شخصيتي و الي حصل حصل , و جائز لو شاركت الناس, تقدروا انا ليه بقيت كده
Tamin'ny fotoana handefasana ilay tantara mitohy amin'ny fahitalavitra, Wanna be a Bride izay nahatonga ny rehetra niteny tamiko hanao io ho modely ka hanomboka hitady ny anjarako koa. Ary noho ny fahazaran-dratsin'ny Egiptiana mamadika ny fotoam-pifaliana – fanambadiana, na fifamofoana – ho fotoan'alahelo, amin'ny fitenenana amiko hoe, “miandry ny fanambadianao na fifamofoanao koa”. Ary tsy mbola nitia io fehezanteny io mihitsy aho noho izy mampahatsiahy ny olona ny zavatra banga eo amin'ny fiainany.

Ka hanomboka hizara aminao ny zava-niainako manokana momba ny fitiavana sy fangataham-panambadiana aho, ary hiantso izany hoe “Miala tsiny fa tsy te-hanambady aho”. Ireto tantara ireto dia feno loza ary mamboraka ampahany amin'ny tantara ratsiko momba ny fanambadiana. Maro loatra ireo tantara, ny sasany mahatsikaiky ary ny hafa mampalahelo, nefa rehefa mifarana ny andro, tantara niainako sy nahatonga ny maha-izaho ahy ihany ireny, ary mety hoe amin'ny fitantarako izany anao dia ahafahanao mahafantatra bebe kokoa momba ahy sy ny oetrako amin'izao.

Mpampiasa Twitter iray hafa indray namboraka roa tamin'ireo nofiratsy ratsy indrindra izay tanteraka.

@Marrvie: Ny fahakiviana dia azo soritana toy izao; Namana miteny amiko fa i @HendSabry ao amin'ny #3ayzaAtgawez dia mampatsiahy azy ahy
@Marrvie: Sy ny olom-pantatra sy nahalala ny feoko ka nino fa lehilahy aho!

Ary farany ny mpampiasa Twitter iray hafa nanontany tena raha ny fanambadiana no tanjona farany, na mbola misy tanjona iray hafa amin'ny fiainann-dry zareo:

@Mazloum: Tab el mafrood ba3d #3ayzaAtgawez yenzelo Ramadan el gayy bel sequel: #3ayzaAttalla2

@Mazloum: Tsy tokony hanao tantara hafa tohiny ho an'ny Ramadany manaraka ve ry zareo ka hanome lohateny izany hoe: Te-hisara-panambadiana aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.