Libanona: Ny fanomezana fahazoan-dalana ny mpitsoa-ponenana Palestiniana hiasa

toby Nahr el Bared, Libanona (avy amin'ny mpampiasa Flickr nimzilvio)

Fonenan'ny mpialokaloka Palestiniana maherin'ny 400.000 i Libanona, nitsoaka na nandositra tamin'ny taona 1948 ny sasany amin'izy ireo tamin'ny fotoana nananganana ny fanjakan'i Israely, ary ny sasany kosa nitsoaka nandritra na taorian'ny adin'ny taona 1967. Tsy nahazo nanana trano ireo mpitsoa-ponenana, tsy tafiditra hahazo fikarakarana ara-pahasalamana, ary nila alalana manokana raha hiala amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana, fandraràna izay nokianin'ireo vondrona toy ny Amnesty International.
Hatramin'izay, tsy nahazo niasa tamin'ireo sehatr'asa maro ihany koa izy ireo, na izany aza, nisy ny lalàna vaovao nolanian'ny parlemanta tamin'ny 17 Aogositra mamela ny mpitsoa-ponenana Palestiniana hahazo miasa amin'ny maha-vahiny azy ( mbola voasakana ihany izy ireo amin'ny ‘asa mivelo-tena’ maro, anisan'izany ny sehatry ny lalàna sy ny ara-pahasalamana ).

Sady nahazo tehaka no nahazo kiana ny lalàna, izay hanankery raha vao vitan'ny Filoha Michel Suleiman sonia. Raha mahita azy ity ho toy ny dingana mankany amin'ny fanatsarana maharitra kokoa ireo fiainan'ireo mpitsoa-ponenana ny sasany toy ny Firenena Mikambana ,  ny hafa kosa mahita azy ho fampanarahan-dalàna ireo mpitsoa-ponenana ao Libanona, ary noho izany, dia dingana iray ho amin'ny fifehezana ny Zo hiverina any amin'ny taniny izy ity.

Manazava i Roqayah Chamseddine, manoratra ao amin'nyMondoweiss,ny antony , araka ny heviny, mahatonga ny fanapahan-kevitra ho fihetsika tsara raisina, nefa tsy mbola ampy :

Laviko mihitsy ny eritreritra hiantso ireo tobin'ny mpitsoa-ponena hoe ” trano baoritra” nefa tsy maintsy hampiasa teny tsotra aho; ahodinkodin’ ireo Isiraeliana, ireo Amerikana ary ireo Arabo, ny sain’ ireo Palestiniana .
Amin'izao fotoana izao, hajaina ny lalàna vao nolanian'ny parlemanta Libaney, nandrasana 60 taona ny Libaney vao nanome alalana ny Palestiniana ny zo hiasa fotsiny; ary tsy haiko raha tokony hoe ho menatra fotsiny aho na tokony hanana tsiri-panantenana. Fandrosoana mankamin'ny lalana marina io fa ny azo antoka aloha, dia mahita isika fa mizotra miadana dia miadana ilay izy. Tsy misy olona tokony hodokafana mihitsy amin'izany indrindra fa ny Governemanta Libaney .

Milaza ny mpitoraka bilaogy Oussama Hayek fa “tsy misy antony hankalazana ny zon'ireo Palestiniana” satria :

Misy zavatra tsy mety avy any amin'ny fotony mihitsy ny lalàna izay nolanian'ny Parlemanta androany, izay manome ireo Palestiniana ny zo hiasa any Libanona. Mamofona fanavakavahana lalandava amin'ny fijerena ny zom-pirenen'ny tsirairay manokana izany. Ary tena hetsika tsy mety mihitsy izy ity noho ny antony roa :

  • Manohy misakana ireo Palestiniana amin'ireo asa izay mila ny fidirana ho mpikambana amin'ny sendika izany, rafi-pitantanana efa lany andro izay tokony ho foanana tsy ampiharina intsony amin'ny olona rehetra .
  • Manohy manakana ireo Palestiniana amin'ny fananany trano .
  • Mamarana toy izao ny mpitoraka bilaogy :

    Marina fa zatra mandika ny lalàna Libaney ireo vondrona Palestiniana, ary mbola tokony hanaiky ny tsy hanana fitaovam-piadiana intsony izy ireo. Fa karazana fanasaziana iraisana araka ny andrasan'ny tsirairay avy amin'i Saddam na i Staline kosa ny fitazonana ireo vahoaka iray manontolo miisa 400.000 ho takalon'aina noho ireo hetsik'ireo jiolahim-boto anjatony vitsivitsy. Toetra tsy azo ekena izany avy amin'ny karazana demokrasia izay ironan'i Libanona .

    Amin'ny lafiny iray amin'ny vola madinika,Mihevitra i Marillionlb ao amin'ny For a better Lebanon fa tsy andraikitr'i Libanona ireo mpitsoa-ponenana ireo :

    Eny, manana zo hanana fiainana tsara ny olombelona tsirairay, manana ny zony fototra ho arovana, fahazoan-dalana hiditra amin'ny fikarakarana ara-pahasalamana fototra, hianatra, trano hisitrihan'ny lohany, afaka hiasa ary ho isan'ny “singa mpanamboatra” eo amin'ny fiaraha-monina ..sns.
    NEFA:
    Mba hananany sy hahazoany ireo zo ireo, tokony ho eo ambanin'ny karazana lalàna aloha ny olona iray, indrindra izy raha vahiny any amin'ny tanin'olona (hilazana azy ireo farafaharatsiny ary tsy ampiasaina ny teny hoe “mpitsoa-ponenana ”).
    Tsy i Libanona no nahatonga ny olan'ny Palestiniana izay nanala ireo Palestiniana amin'ny tanindrazany; ny mifanohitra amin'izay aza, tsy hoe nanaiky fotsiny ireo fidirana maro an'isan'ireo mpitsoa-ponenana i Libanona, fa ( hadisoana ) nanao sonia ny fifanarahan'ny Le Caire nanomezana an'i Yasser Arafat sy ireo tariny jiolahim-boto, fahafahana malalaka ny hanakorontana, ary koa ( tamin'ny fotoana sasany) niezaka izy ireo ny hanorina ny fanjakan'i Palestina teo amin'ny sisintany Libaney .

    Naneho ny heviny ny mpanakiana iray eo amin'ny bilaogy fa manaiky izany koa :

    Misaotra anao amin'ity lahatsoratra ity. 100% marina ny anao .
    Raha mila zo izy ireo, sao dia tokony hanaja ireo firenena mampiantrano azy aloha izy voalohany ary hametraka ireo fitaovam-piadiany .
    Nijaly mafy loatra miohatra ny an'ireo firenena hafa i Libanona noho ireo Palestiniana ireo.

    Raha ny fomba fijery Palestiniana, toy ny aseho ao amin'ny Palestine Free Voice, tsy dia tena fanovana loatra akory ireo fanovana ireo :

    Indrisy fa tsy manome ireo zo tena misy dikany ho an'ny Palestiniana sivily akory i Libanona, na mba nampivoatra tsara akory ireo fahazoany asa. Nanala ireo hetran'ny fahazoan-dalana miasa fotsiny no nataony ( izay tsy olana goavana mihitsy hatramin'izay ) ary nanome alalana ny hananganana ny Social Security Fund manokana izy (fa tsy ny Lebanese National Security Fund araka ny tatitra diso tamin'ny haino aman-jery sasany maro .)

    Farany, mamehy ireo fomba fijerin'ny Palesitiniana ny hoaviny ny mpampiasa Twitter iRevolt amin'ny fanazavany ny antony mahatonga ny zo mitovy — tsy asiana zom-pirenena — ho tena zava-dehibe ho an'ireo olona maro :

    Raha mahazo ny zo sivily, sosialy sy ara-toe-karena ireo Palestiniana, nefa tsy omena ny zom-pirenana Libaney, dia miantoka ny filàn'izy ireo ny hiverina any amin'ny taniny izany, mitsipaka ireo firarian-tsoan'i Etazonia-Isiraeliana ho an'ny Palestiniana ny hampidirana azy ireo amin'ny tontolo Arabo – ary hamela ny mombamomba azy ireo amin'ny fomba rehetra – ary hamela ireo Palestiniana hampivoatra ireo satany raha monina mipetraka any ivelan'ny tanindrazany izy .

    Sary avy amin'i mpampiasa Flickr nimzilvio nahazo alalana avy amin'i Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic license.

    Atombohy ny resaka

    Mpanoratra, azafady Hiditra »

    Torolalana

    • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
    • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.