Korea atsimo: Niteraka adihevitra nafana teo amin'ny mponina ny drafitry ny governemanta ho fampakarana ny vidin'ny sigara

Nanambara ny sampana miandraikitra ny fahasalaman'ny mponina ao Korea atsimo fa ho ampiakarina avo telo heny amin'ny vidiny amin'izao fotoana izao ny vidin'ny sigara mba ifehezana ny tahan'ny fifohan'ny olona sigara ao amin'ny firenena, taha izay ambony dia ambony tokoa, izany dia nampisy adihevitra lehibe tao amin'ny aterineto izay nihodinkodina teo amin'ny vidin'ny sigara. Vokatry ny karoka nataony dia nahatsapa ny foibe mifehy sy misakana ny aretina ao Korea [Korea Centers for Disease Control and Prevention (KCDCP)] fa ny fampiakarana ny vidin'ny sigara no tetik'ady mahomby indrindra hampihemotra ny olona amin'ny fifohana sigara ary nandefa soso-kevitra izy ireo hoe tokony hampiakarina ho 8,000 won (manodidididina eo amin'ny 7 USD) ny vidin'ny sigara raha toa ka mbola 2,500 Korean Won (USD 2) izany ankehitriny.

Tafakatra 43 isan-jato ny tahan'ny  lehilahy mpifoka sigara tao Korea tamin'ny taona lasa teo, raha toa ka nijanona latsaky ny 28 isan-jato ny salanisa tokony tazomina raha araky ny fandinihana nataon'ny OECD (Organization for Economic Co-operation and Development – Fikambanana miandraikitra ny fifampiraharahana sy fampandrosoana ara-toe-karena). Tsapa fa nahatonga ny fitomboan'ny fanjifan”ny mponina sigara ao amin'ny firenena ny vidiny izay diso ambany loatra. Nilaza mazava tsara ny tatitry ny KCDP fa raha ohatra ka efa nampiakarina 8,500 won dieny mialoha ny vidin'ny sigara tamin'ny taona 2007 izay mbola nijanona 2,500 won, dia mety efa nidina 30.4 isan-jato ankehitriny ny tahan'ny fifohana sigara. Maro ireo Koreana no nanambara tamin'ny aterineto fa manaiky izy ireo fa ilaina haingana dia haingana ny fampihenana ny tahan'ny fifohana sigara, nefa maro amin'izy ireo no kely finoana eo amin'ny fahombiazan'io drafitra  io.

Sarina sigara  nalaina tao amin'ny Wikipedia.

Nilaza ny mpitoraka blaogy iray antsoina hoe  Pati35 izay manana Ray mpidoroka hatry ny ela fa diso tafahoatra loatra ny fampiakarana ny vidin'ny sigara ho avo telo heny amin'ny vidiny tokony ho izy sady tsy  ho zakan'ny ankamaroan'ny olona izay manana fidiram-bola ambany dia ambany, izay miankin-doha tanteraka amin'ny sigara  satria io no hany fitaovana iray entiny hanamaivanana ny rarin-tsainy. Raha ny fahitan'io mpitoraka blaogy io dia hetsiky ny governemanta izay mitodika amin'ny tombontsoa lehibe eo amin'ny vola miditra azo avy amin'ny hetra goavana  io – 70 isan-jato ao Korea – fa tsy fanehoana velively ny fitsinjovana ny fahasalaman'ny vahoaka.

일반 서민들의 수준을 생각한다면, 저런 가격을 쉽게 책정할 수 없을 겁니다…저런 식으로 줄이자는 것은 이제 담배도 있는 자들만 태울 수 있는 특권계층의 혜택이 되는 셈이겠지요… 비흡연자지만, 서민들의 스트레스 해소법 중 하나는 담배입니다…단순 스트레스 해소법을 넘어, 없는 분들의 유일한 낙이라고도 할 수 있을텐데요…아버지도 술은 못 드시고, 유일하게 즐겨하시는 것이 흡연입니다. 건강에 좋지 않기에 말려도 봤지만, 술도 드시지 못하고, 사회에서 쌓인 스트레스를 해소할 수 있는 많지 않은 방법 중 하나가 흡연이기에 그냥 기호식품으로 지켜보고 있죠…담뱃값 인상을 통해, 흡연율을 줄이자는 것은 어디까지나 근본적인 방법이 아닌 것 같습니다. 단순히 세금만 많이 벌어들이겠다는 것으로 생각되네요. 세금은 세금대로 걷고, 국민 건강은 생각한다고 생색은 생색대로 내려는 속내가 보이는 것 같아 참 그렇네요.

Tsy tokony ho (8,000 won) izany  ny vidiny tokony napetrak'izy ireo (ny governemanta) ho sarany mety indrindra raha toa ka nijery ny fari-piainan'ny olon-tsotra izy ireo. Ny fanenana ny tahan'ny fifohana sigara amin'io fomba io dia midika fa natokana ho an'ny kilasy ambony ihany ny sigara. Na dia tsy mpifoka sigara aza aho dia tsapako fa ny fifohana azy io no fomba iray be mpifidy  hanalan'ny olona ny sorisoriny… Mahomby izy io matetika satria izy io ihany no mba hany fahafinaretan'ireo tsy dia manam-bola loatra… Tsy mahazo misotro zava-pisotro misy alkola ny Raiko ary ny hany zavatra mba tiany dia ny mifoka sigara. Marina fa efa niezaka ny nanala azy tamin'ny sigara aho nohon'ny antony ara-pahasalamana, fa farany dia najanoko izany ary tsapako fa tiany ny mifoka sigara satria io ihany no ahafahany manadino ny sorisoriny ary io ihany koa no mba afaka ataony noho izy tsy mahazo misotro toaka… Tsy vahaolana mihitsy ny fanenana ny tahan'ny fifohana sigara amin'ny alalan'ny fampiakarana ny vidiny. Io hetsika io dia miompana manokana amin'ny fanangonana hetra betsaka. Mahasorena ny mijery ny governemanta manangona ny volan'ny hetra sy mody hoe miahy ny fahasalaman'ny vahoaka.

Maro ireo tsy mpifoka sigara no nanampy isa ireo mpifoka sigara ka niresaka momba an'io olana io avy amin'ny fomba fijerin'ireo mpandoa hetra, toa  an'ilay mpitoraka blaogy tsy mpifoka sigara iray antsoina hoe Setre, ka narahany vazivazy sy nanaovany fanoharana  ary nomeny anarana hoe tia tanindrazana ireo mpifoka sigara noho izy ireo mandoa hetra. Nahatsiaro ny fahazazany tamin'ny taona 80 io mpitoraka blaogy io. Tamin'izany fotoana izany, raha nanana fahazarana nifoka sigara teny amin'ny toerana misy ny be sy ny maro na manakaikikaiky izany toy ny fiarakodia mpitatitra olona sy ny lamasinina ireo zatovo lahy (somary mpanakorontana) dia tsy mba nisy olona sahy nitaraina teo anatrehan'izany. Nanambara izy fa niova ny toe- piaraha-monina satria ankehitriny dia misy ireo olona no sahy maneho ny tsy fankasitrahany ireo mpifoka sigara, noho izany mahatsiaro tena ho very  zo izy ireo ara-ketra eo amin'ny entana andoavany hetra ry zareo.

현재 담배 한 갑당 흡연자들이 내는 세금은 1500원 가량이 된다. 일년이면 54만원, 10년이면 540만원을 세금으로 당신은 이미 낸 것이다. 세금 잘 내는 걸로 치면 흡연자들이야말로 가장 애국자가 아닌가…이제 흡연자들은 어디서나 눈총을 받는다. 사방이 탁 트인 공간에서도 혹시 모를 지나갈 행인을 위해 담배를 피워서는 안되는 분위기가 되었다. 이것이 맞다고 나도 생각한다. 그런데 이렇게 존중받지 못하는 흡연권을 가진 흡연자들이 내는 세금…세금에 대해서는 한 마디 할 수 있는 것 아닌가.

Amin'izao fotoana izao, ny mpifoka sigara iray dia mandoa hetra 1,500 won isaky ny sigara iray fonosana. Ho tafakatra any amin'ny efatra alina sy dimy hetsywon (USD 450) izany raha toa ka aloa isan-taona ary efatra hetsy sy dimy tapitrisa won (USD 4,500) ao anatin'ny 10 taona. Raha tsarainao amin'ny alalan'ny hetra aloa ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana, dia ireo mpifoka sigara izany no azo lazaina ho tena azo atokisana indrindra… Ankehitriny, tsy misy mpankasitraka ireo mpifoka sigara na aiza na aiza tany alehan'izy ireo. Lasa niforona ny fandraran'ny fiaraha-monina ny fifohana sigara eny amin'ny toerana izay mety andalovan'ny be sy ny maro. Mihevitra aho fa tsara ny fisian'izany. Fa ho an'ireo mpifoka sigara izay tsy misy mpiraharaha, dia mbola manan-kambara foana izy ireo nohon'ny hetra efainy.

Ireo olona mpanelanelana manohana io hetsiky ny governemanta io dia dia manaiky nefa misalasala ihany ny amin'ny fomba hanatanterahana izany. Maniry ny mpitoraka blaogy  See4110 mba hihena kokoa ny fiakarana tampokin'ny vidin'ny sigara na dia be dia be aza ny antony tokony hampiakarana izany. Nijanona teo amin'ny vidiny teo aloha ihany ny vidin'ny sigara  iray fonosana nanerana ny firenena nandritry ny dimy taona raha 2,500 won izany nanomboka tamin'ny taona 2005.

물가는 껑충 뛰었는데 담뱃값만 5년째 그대로라는 건 비합리적으로 보인다. 하지만 6000원을 올리는 건 사람들의 반발심을 살 것으로 보인다…그 수위를 넘기면 정책을 전면적으로 부정 할 일도 예상되기 때문이다. 6000원이라는 극단적인 선택보단 차근차근 올려나가보는 건 어떨까?

Tsy mitombona mihitsy hoe  niakatra avo dia avo ny vidim-piainana nefa tsy nihetsika  tamin'ny vidiny tao anatin'ny dimy taona ny sigara. Fa ny fampitomboana 6,000 won amin'io vidiny io dia hiteraka korontana eo  amin'ny  mponina. Maninona moa raha ampiakarin'izy ireo (ny governemanta) tsikelikely ny vidiny toy izay maka vahaolana mihoampampana toy izao (fampiakarana ho 8,000 won)?

Nisy somary nandiso fanantenana kely ihany moa ny vokatr'izany fanehoana fihetsika izany ; mpitoraka blaogy maro toa an'i Dino9587, no nilaza fa nanomboka nanangona sigara maro ny rainy; mpitoraka blaogy maro toa an'i Fbgy1904 no namporisika mafy ireo mpifoka sigara mba hiala amin'izany nohon'ny tombontsoan'izy ireo manokana ihany.

Sarina toerana iray fifohana sigara eny amin'ny fiandrasana lamasinina nalaina tao amin'ny Wikipedia

Fa mbola maro ireo manohana mafy an'io fanapahan-kevitry ny governemanta io. Araka ny lazain'ny mpitoraka blaogy matanjaka iray Kraze ny fiakaran'izy io dia tokony ampifandraisana amin'ny fitsinjovana ny fahasalamana sy ny fari-piainan'ny be sy ny maro ary ny fitandroana ny tontolo iainana. Ny tian'ilay mpitoraka blaogy hambara dia ilay andrana tsy nahomby tamin'ny taona 2006 raha niady mafy hitazona ny fanapahan-keviny ilay Minisitry ny Fahasalamanaa sy ny Fari-piainana teo aloha, Yoo Si-min, ho  fampakarana ny vidin'ny sigara ho 500 won mba hanaovana vaksiny  maimaim-poana ny ankizy madinika.  Nilaza io mpitoraka blaogy io fa marobe teo aloha ary mbola maro hatrany ireo mpifoka sigara ao Korea raha oharina amin'ireo tsy mpifoka, ary izany indrindra no mahatonga an'io andrana io tsy nahomby hatramin'ny farany matetika ka lasa malaza ratsy i Korea satria voalaza fa ao ny sigara no mora vidy indrindra.

길거리 흡연도 줄어들겠죠. 비싼 담배를 길에서 대충 피고 버리긴 아까울테니까요. 3배 가까이 늘어난 세금으로 자신이 내 뿜은 담배 연기를 자기 혼자 모두 마시고 나올 수 있는 완전 밀폐된 길거리 흡연시설을 만들어 준다면 담배 한 개피를 피고도 10개피를 피는 효과를 거둘 수 있을 것 같구요..간접흡연이 줄어 들어 국민건강에도 도움이 되겠죠. 거리에 버려진 담배 꽁초, 침 등도 줄어 들어 청소 비용도 줄어 들 것 같습니다. 화장실에서의 흡연도 줄어들겠죠. 무엇보다 청소년의 흡연율을 잡지 못하더라도 흡연양은 줄일 수 있을 거라고 생각합니다.

Izany (ny fampiakarana ny vidiny) dia hampihena ny fifohana sigara eny an-dalambe, satria dia ho fandaniam-bola fotsiny ny fanariana sigara eny an-dalana nefa mbola vao ny antsasany fotsiny no nofohana. Raha azontsika ampiasaina  io volan'ny hetra izay nampiakarina avo telo heny io hanorenana trano mihiboka iray ka amin'izay afaka  mifoka ny setroka rehetra izay avoakany ao ny mpidoroka iray da dia hifoka sigara miisa folo indray mandeha aza izy…Hanatsara ny fahasalaman'ny olona amin'ny ankapobeny koa izany amin'ny fanenana ireo vao mieritreritra ny hiditra amin'ny fifohana sigara. Betsaka noho izany ireo vola ho voatahiry amin'ny fanadiovana ny làlana satria hihena ny tain-tsigara sy ny vodin-tsigara atsipy eny rehetra eny, amin'izay koa hihavitsy ireo trano natokana hifohana fotsiny. Manampy an'izay koa, afaka mampiato ny fifohan'ny tanora sigara isika. Mety tsy ho vitantsika ny hanakana (ny fitomboan'ny) tahan'ny fifohana sigara, fa ny zavatra afaka ataontsika fotsiny dia ny hampihena ny habetsaky ny sigara jifain'ny tanora.

Na tena hetsiky ny governemanta hanehoany ny voninahiny na tsia izany fampiakarana ny vidin'ny sigara izany, dia maneho antony maro ho an'ny mpifoka sigara izany mba hialan'izy ireo amin'ny fidorohana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.