Mbola miandry Governemanta Vaovao i Aostralia

Herinandro taorian'ny fifidianana, dia mbola miandry ny fijoroan'ny Governemanta vaovao i Aostralia. Samy tsy nisy nahazo ny ampahan'isa be indrindra amin'ireo seza 150 ao amin'ny Antenimiera avokoa ny antoko tsirairay. Na dia mbola mitohy aza ny fanisana dia  toy izao ny mety ho vokatra vonjimaika:
72 Antokon'ny Mpiasa Aostraliana, 73 Liberaly/Nasionaly, 1 Maitso, 4 Mahaleotena. Mandeha eo ambany fanarahamason'ny mpiray firenena ny fifampiraharahana mba hananganana fitondrana vitsy an'isa.

Sempotra manombatombana, tsy ny mety ho valim-pifidianana ihany, fa ny antony “nampihantona” ity Antenimiera ity ireo mpitoraka bilaogy. Ao amin'ny vohikala mitondra ny anarany i Adrian Phoon dia mihevitra ny fiakaran'ny Maitso, manome tsiny ny Antokon'ny Mpiasa Aostraliana:

Diso fipetraka ny fiheveran'ny Antokon'ny Mpiasa nanantena ny vaton'ny liam-pivoarana nefa kely ny fahafaham-po nomeny ny liam-pivoarana. (Obama any Etazonia dia tokony handray naoty mikasika ilay vintan-dratsin'ny ALP tamin'ny fifidianana.)

Manely ny akon'ny hevitry ny maro izy:

Misy zavatra iray tena tsy isalasalana: tokony miverina mijapy ny fiarandalambin'ny fiovan-toetrandro ny ALP, ho an'ny tombontsoany sy ho an'izao tontolo izao, ary malaky.
Fifidianana Aostraliana 2010: Ahoana no naharesy ny antoko ankavia

Colin Jacobs ao amin'ny Electronic Frontiers dia nanao fampielezan-kevitra mavesatra tokoa nanakiana ny soso-kevitra fanivanana ny aterineto naroson'ny Governemantan'ny Antokon'ny mpiasa. Toy ny valifaty ny nandraisany ny vokatra:

Mino aho fa taitra ny fahatsiarovantena ara-politikan'ny maro tamin'ireo mpampiasa aterineto  tamin'ity fikasana hanivana ny fidirana amin'ny aterineto manerana ny firenena ity. Rehefa manan-danja amin'ny vahoaka ny fototry ny adi-hevitra, tsy nampihataka azy ireo fotsiny izany, fa manao izay nampisafoaka  azy ireo, na koa hiahiahy ny ALP  mandritra ny androm-piainany .
Ahoana no nandaminanao ny Fifidianana

Ao amin'ny Café Whispers, blaogy iray izay anoratako tsindraindray, dia mitaraina noho ny toetoetry ny fandehan-javatra i Nasking:

Ny zavatra mahagaga ahy dia ny habetsahan'ny olona izay vonona hifidy ireo mpanao politika & mpanao gazety mpiara-dàlana aminy “mikatsaka fandresena na handany hoatrinona na hoatrinona”, “miteny &  manao izao rehetra izao mba hahazoana fahefana” izay matetika no  mampiseho ny haavon'ny fivoaran'ny toe-tsain'ny adolantsento “izaho izaho izaho” vonona handrava ny vondrom-piarahamonina  iray manontolon'ireo fanorenan'ny foaran'ny Leggo satria tsy nahazo ny ribà manga & loka izy ireo rehefa niandrandra izany fatratra…ka nitsangana an-katezerana, ny tanan'izy ireo amin'ny maojany sady mikiririka hoe : AVERENO NY FIFANINANANA!!!.
Friday Siesta At The Cafe (Fialan-tsasatry ny Andro Zoma any anaty Kafe (edisiona “Waiting”)

Resaka  iray lehibe hafa no mahaliana an'i  Duckpond noho izay fahalalana hoe iza no handrafitra ny Governemanta:

Amin'ny herinandro ho avy io  dia hanana Governemanta hisolo ny governemanta vonjimaika isika  kanefa hanana governemant niomana hiasa amin'ny Fiakaran'ny hafanana eran-tany ve isika?

… Ny Fiakaran'ny hafanana eran-tany dia raharaha handalo fotsiny. Krizy mananontanona mivelatra tsikelikeky mandritra ireo zato taona ho avy io ary mitaky politika, fitsinjovana ary fahasahiana. Raha ahilika ny hevitra  tsy ara-tsiantifika, dia hiatraika amin'i Aostralia tahaka ny any amin'ny faritra hafa eran-tany ny vokatr'izany.

… Ny herinandro iray dia fotoana lavabe amin'ny politika, nefa fotoana fohy ao amin'ny fiakaran'ny hafanan'ny tany.
SAFIDY TSY IZY NY MIANDRIANDRY

Nanavao ny fanantenana ho ara-dalàna ny gay marriage blog, feno fanehoana ny zava-misy:

Miaraka amin'ny fisian'ireo Maitso ho andrin'ny mizànam-pahefana ao amin'ireo tranon'ny Antenimiera roa dia mbola tsy akaiky kokoa ny ivon'ny sehatra politika tahaka izao ny fanambadiana pelaka.

… Raha ny marina, ny zavatra ilaina dia ny fampidirana volavolan-dalàna iray avy amin'ny mpikambana tsy miankina arahana fandatsaham-bato malalaka. Afaka hahazo sombiny amin'ny zava-tsoa amin'izany i Gillard raha sahy izy – amin'ny fanolorana izany volavolan-dalàna izany mandalo amina Mpikamban'ny Parlemanta avy amin'ny Antokon'ny Mpiasa. Raha mampaneno ny fanairan'ny “radar” politikany izany dia afaka hanao izany ny loholona Maitso na koa ny Bandt.

… ireo fifampiraharahàna taorian'ny fifidianana  dia fotoana saro-pady ho an'ireo pelaka sy ireo mpanao politika nametrahan'izy ireo ny finoany.
TSY MAINTSY MIKIRY IREO AOSTRALIANA

Manana lahatsoratra roa ny amin'izay mety nitondra ny vokatry ny fifidianana ny Political Sword. Mandinika ireo mety ho antony ry zareo:

Ny Rudd no toa fanazavana mandresy lahatra kokoa amin'ny antony mety nahatonga ny toy izao. Mbola misy antony maro hafa ihany koa: Gillard, Queensland, NSW, Abbott, Coalition, ny gazety, sy ny maro hafa. Ho amina sehatra hafa ireny.

Ny fehiny:

Mbola tiako ihany Kevin Rudd. Mino aho fa olona mahafinaritra sy manana fitondrantena mendrika ary idealy  goavana izay manana vina mahafinaritra ho an'ity firenena ity, sy politika maro mba hanasoavana ny vahoakany. Izany no fepetra fametrahana politika sy fifandraisana amin'ireo mpifidy izay tsy najary ka nadiso fanantenana ny maro tamintsika nanohana azy ombieny ombieny. Fa izaho manokana dia mbola midera azy sy malahelo hoe tonga amin'izao izy ity.
Adihevitra bebe kokoa ao amin'ny: Ahoana no nahatonga azy ity ho toy izao?

Lorenzo ao amin'ny Thinking Out Aloud dia mbola velom-panantenana raha miohatra amin'ny hafa rehetra:

Rariny ny fitarainana nikasika ny votoaty manify tamin'ilay fanentanana tamin'ny fifidianana federaly teo,  ary ny vokatry ny Antenimieram-pirenena mitsingilahila dia efa anisan'ny porofon'ny  tsy fisian'ny votoantin-kevitra tamin'ny fifidianana. Kanefa, nanana mpirotsaka roa tsara fitondra, maranin-tsaina, tia vahoaka ho eo amin'ny toeran'ny Praiminisitra ihany koa isika. Ny mitarika dia ny volavola hanolorana ministera ahitàna fiaraha-miasa betsaka amin'ireo olona  mato-tsaina sy manam-pahaizana. (Ny filazana fa misy ireo toe-tsaina ilaina amin'ny faharesena na fandresen'ny iray na ny hafa, na ny fahalasanan'ny iray na ny hafa ho PM dia antony mahatonga famoizam-po ara-tsaina, milaza zavatra lalina bebe kokoa amintsika mikasika ny fiangolangolan'ny olona amin'ireo fandaniam-bola tafahoatra noho ny an'i Julia na Tony.) Nizotra ampilaminana tsy nisy herisetra ny fampielezan-kevitra izay raisinay ho efa zavatra azo sahady nefa dia raisin'ireo faritra sasany eto amin'ny bolabolan-tany ho zava-mahagaga.
The Lucky Country (Firenena Sambatra/manam-bintana)

Ao amin'ny blaogy iraisan'i Peter Black, Election Blackout dia manana “meta-blogging” vitsivitsy i Emma Anderson, miblaogy mikasika ny fitorahana blaogy miresaka ny fifidianana. Maneho fanamarihana miabo  ihany koa izy:

… Ny maha-isan'ny ato amin'ity blaogy ity ahy, dia nisy fiatraikany be teo amin'nyfomba fijeriko ny tontolon'ny politika. Mbola tsy matoky foana aho, mino tanteraka aho fa maro ireo mila miova, ary mino aho fa tena ilaina ny fisian'ireo feo manohitra sy mitsikera. Na izany aza, sambany izao, mieritreritra aho fa toa nisy lanjany ny latsabatoko, ary manenina aho tamin'ny tsy nisoratako anarana ara-potoana.

… Mila mamporisika ireo vahoaka hieritreritra mikasika azy ireo tsirairay avy isika. Mba ho feo manohitra ny kobaka am-bava, ho  feo iray mankasitraka ny zava-bita, fa tsy ireo anaty firaketana. Mila manaja ny fahasamihafan'ny kolontsainantsika sy ny vahoakantsika isika, nefa mila mampifandanja izany amin'ny zava-misy ihany koa. Tokony hihazakazaka any amin'reo hevitra sy zava-bita tsara indrindra izao tontolo izao, fa tsy amin'ny ideolojia.
Blaogy vaovao iray hamelabelattra ny amin'ity blaogy ity : ireo lesona manokana sasany  tahaka ireo lesona amin'ny ankapobeny

Manantena i Orange Tim ao amin'ny Despatches from Agent Orange fa hitondra fiovàna amin'ny fomba fiasan'ny mpanao lalànantsika io antenimieram-pirenena mitsingilahila io:

Zavatra iray no tena azo antoka, mahita aho fa maro ireo mpifidy no mihevitra fa tonga izao ny fotoana mba  hanavaozana ny antenimiera. Mba ho tsotra, matetika ireo mpanao politika dia “manavao” ny fomba fiainantsika & ny fiasantsika, fa tsy rototra mihitsy hanavao ny fitondrany.

Te-hahita fanahy tia karokaroka manao jeritodika ao amin'ireo antoko lehibe ireo ihany koa izy:

Matoky aho fa ireo antoko politika lehibe ireo dia sady hibanjina ny ao anatiny no hanavao ny aminy. Raha tsy manao izany izy ireo, dia hanana olana vitsivitsy avy eo. Tena mazava izao fa mino ireo mpifidy Aostraliana hoe manana olana ry zareo ary tokony hanao fanavaozana ireo antoko politikan-dry zareo.
Miandry i Aostralia

Tsy izy irery no mahatsapa toy izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.