Ghana: Mifanerasera amin'ny vahoaka ao amin'ny Facebook ny Filoha teo aloha

ny Filoha Ganeana teo aloha John Kufuor / Sarim-panajana: tao amin'ny pejy Facebook-n'i Kufuor

Efa ho herintaona sy tapany izay no namindran'i John Kufuor ny fahefana ho an'i Filoha Atta Mills izay noraisin'ireo mpandinika politika ho ny fifidianana milamina sy malaza indrindra tamin'ny politika Afrikana. Tsy dia tsara loatra ireo volana nanaraka ny naha-Filoha azy – tamin'ireo fangatahany tsy misy antony teo anoloan'ireo fiampangana azy tamin'ny resaka kolikoly, voalako tamin'ny lafiny rehetra ny filoha teo aloha.

Na dia nandao ny birao aza izy, Kufuor dia mbola mahita ny filàna miserasera amin'ny vahoaka. Amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy ao amin'ny aterineto, miresaka amin'ny vahoaka amin'ny alalan'ny kaonty Facebook-ny i Kufuor, izay manana mpanaraka 15.066 (amin'izao fotoana anoratako ity lahatsoratra ity izao).

Hita noho izany fa ny Filoha Kufuor ihany no hany  filoha Ghaneana teo aloha mifanerasera amin'ny vahoaka Ghaneana amin'ny alalan'ireo sehatra media sosialy. Ary mety ho izy no voalohany handray ny boky firaketana ara-politika sy sosialiny, amin'ity tranga ity dia ny fahantrana sy ny hanoanana, eo amina sehatra iraisam-pirenena.

Nanambara mikasika ny fanendrena azy ho Ambasadora Miady amin'ny Hanoanana ao amin'ny FAO (Programa ara-tsakafo maneran-tany) ny filoha Ghaneana teo aloha ao amin'ny pejy Facebook-ny:

Voatendry ho Ambasadora Miady amin'ny Hanoanana ao amin'ny FAO (Programa ara-tsakafo maneran-tany) ny Manamboninahitra John Agyekum kufuor. Hiasa ho an'ny Tetikasa hiadiana amin'ny Hanoanana izy ary ho Ambasadora Miady amin'ny Hanoanana sy ny Loza voajanahary.<

Nahazo fitsidihana maherin'ny 95 sy hafatra 50 avy amin'ny mpanaraka azy ity fanambarana ity.

Nitsikera i Erasmus ‘Pobosky’ Oware:

Arahabaina i K4. Hankasitraka hatrany ireo asa tsara nataonao foana izao tontolo izao ary hamaly anao araka izany. Ianao no tsara indrindra tamin'ny fiainanay. Arahabaina fanindroany ry Dada.

Niteny i Arthur Chester:

Tena nanao zava-dehibe ho an'ireo ankizy Ghaneana ianao fony ianao mbola filoha ary maro aminay no mino fa hampihatra ny traikefanao ao  indray ianao.  Marahaba anao noho ny fiakaranao tamin'ity dingana ity izahay. Mitomoera any ary omeo laza ny tenanao sy Ghana reny malala.

Tamin'ny 9 Oktobra 2009, nambara tao amin'ny pejy Facebook-ny fa nandray ny toerany maha Filohan'ny Mpanolotsaim-pitantanan'ny Interpeace , fikambanana iray tsy miankina amin'ny fanjakana izay miompana amin'ny fananganana fandriampahalemana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena any amin'ireo fiaraha-monina izay efa nitrangan'ny fifandroritana sy fisavorovoroana. Androany, ny tarehiny dia iray amin'ireo olona vitsy mahay mitondra tena ao amin'ny pejy fandraisan'ity fikambanana ity.

Na dia tsy voafidy hitarika ezaka fanampiana aza i John Kufuor taorian'ny horohorontany tany Haiti tamin'ity taona 2010 ity dia namporisika kosa  ireo mpomba azy hivavaka ho an'ireo Haitiana sy “hanampy azy ireo satria rahalahy sy anabavintsika daholo izy ireo”:

Mankany amin'ireo vahoaka any Haiti ny foko. Mivavaka aho mba hampitonian'ilay Tompo Andriamanitra ny zava-mitranga. Adeha isika rehetra hanao izay tratrantsika mba hanampiana azy ireo satria rahalahy sy anabavintsika daholo izy ireo.

Niady hevitra mikasika lohahevitra samihafa tao amin'ny sehatra fiadian-keviny ireo mpomba azy. “Ny Filoha Tsara indrindra” dia iray amin'ireo lohahevitra ao amin'io sehatra io. I Francis no nampiditra ity lohahevitra ity ka miteny hoe:

Miaiky aho fa iray amin'ireo filoha Afrikana mahavita azy ny Filoha Ghaneana taloha Kufuor, raha tsy izy no tena mahavita azy ao Afrika ankehitriny.

Nanaiky i Kweku:

Izany no marina,  tsy misy fitaka sy tsy misy lainga

Fa tsy toy izany kosa i Frimpong:

Na dia nanao zava-dehibe amin'ny maha filoha azy aza izy, tsy midika izany fa izy no tsy manam-paharoa tamin'ireo filohan'ny Ghana rehetra.

Nanamarika i Steve fa tsy nahafa-po ny tsirairay i Kufuor:

Prez KuFFour, tamin'ny Fotoana Nitondrany an'i Ghana dia maro ireo zavatra tsy nanjary, Nanao izay tratry ny heriny izy nefa kosa tsy NAHAFA-PO ny rehetra. Nahalala aho fa mbola tsy NITSIDIKA ny Faritra Farany Andrefana,WA, mihitsy ny Prez KuFFour , nandritra ny 8 taona nitondrany. Mihoatra ny 50 taona i Ghana ary ireo Filoha rehetra izay nitondra ny Firenen'i Ghana dia nanao izay tratry ny heriny daholo.

Kofi dia mahita fa tsotra i Kufuor sady mahay mandefitra:

Tsy manam-paharoa izy, mihevitra aho fa izy no filoha tsara indrindra nananantsika teto Ghana, tena tsotra, mandefitra ary matahotra an'ANDRIAMANITRA.

Rehefa noravan'ny lehiben'ny Ghanaian National Disaster Management Organisation (NADMO) – Fikambanana Ghaneana Mitantana ny Loza Voajanahary ny fonenany raha nolazainy fa miorina anaty lalan-drano ny tranony, dia naneho hevitra mikasika izany tao amin'ny pejy Facebook-ny ireo mpanaraka azy.

Niteny i Juliet:

Tena mampalahelo fa moramora amin'ny politika ery ny manao zavatra tsy am-piheverana.

“Avelao ho irery ilay lahy antitra,” hoy Hillary:

Maninona izany no tsy natao nandritra ny fitondrany. ahoana ny momba ny SHOPRITE,VILLAGIO sy ireo fonenana rehetra manodidina. Omeo fitsaharana izahay. AVELAO MBA HIADANA ILAY “LAHY ANTITRA”……..

Lehilahy iray hafa mpanao politika any Afrika, mampiasa ireo tambajotra ara-tsosialy mba hifandraisana amin'ireo vahoaka ihany koa dia ny Filohan'i Nizeria Goodluck Jonathan. Namoaka lahatsoratra roa mikasika ny pejy Facebook-ny izahay ny volana Jolay 2010.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.