Filipina: “Hong Kong, mifona izahay tamin'ny zava-nitranga”

Ny fangalana ireo takalon'aina avy any Hong Kong tany Manila tamin'ny Alatsinainy lasa teo, izay nampifoha ny fahasorenana maneran-tany mikasika ny fandatsahan-drà, dia nahatonga ireo Filipiana hiala tsiny tamin'ny alalan'ny pejy tao amin'ny Facebook.

Ny pejy “Hong Kong, mifona izahay tamin'ny zava-nitranga” dia manana mpankasitraka mihoatra ny 30000 amin'izao fotoana izao. Ny rindriny dia feno fifonana ankapobeny nataon'ireo mpampiasa Facebook Filipiana:

Roland Jacob Delos Santos: Ry vahoakan'i Hong Kong, mifona sy mitsapa alahelo izahay. Miray aminareo izahay amin'ny fisaonana ireo fahalasana. Iangaviana ianareo hamela ny filohanay – tsy fantany izay nataony.
Ely Realeza: Tsy mila miaro ny anaranay izahay, fa manetry tena fotsiny sy mangataka famelana…
Rowena Agulto: Ho an'ireo mponina an'i Hongkong, tena mifona izahay tamin'ny zava-nitranga teto amin'ny firenenay! Mbola mitomany foana aho isaky ny mijery ny horonantsarin'ilay zava-nitranga. Tena ory tamin'ireo ain'olona tsy manan-tsiny very tamin'izany aho. Hiaraka amintsika anie Andriamanitra!

Misy ireo hafatra sasany miala tsiny amin'ny tsy fahaizan'ny mpitandro filaminana sy ny Governemanta Filipiana sy ny tsy fitandremana tamin'ity tranga ity izay raisina ho zavatra lehibe mitondra mankany amin'ny fandatsahan-drà:

Omar Leyson: Tena mifona izahay amin'ny tsy fahaizana sy ny tsy firaharahian'ireo manam-pahefana/media tafiditra ao amin'ity tranga mampalahelo ity…iangaviana ianao HAHATOKY hatrany ireo zazalahy OCW-nay izay miasa mafy sy madio any amin'ny firenenao mahafinaritra…Te hitondra hanin-kohanina ho an'ny fianakaviany fotsiny izy ireny rehefa miverina aty Filipina…Mbola averiko ihany, miala tsiny izahay ary ny Mpamorona Masina anareo anie hitahy anareo rehetra hatrany…Misaotra anareo!
Justin Felix: Maneho ny fitsapanay alahelo tanteraka amin'ireo takalon'aina sinoa novonoina tamin'ny 23 Aogositra tamin'iny krizy izahay.Fantatray rehetra fa tsy manan-tsiny izy ireny ary tsy mendrika ny ho entina tahaka ireny fomba ireny.Miala tsiny izahay noho ny tsy famalian'ny manam-pahefana haingana sy ny tsy fanananay ny fahaizana mirotsaka amin'ny tranga tahaka ireny. Fantatray fa tsy ampy hanala ny alahelon'ny fianakavian'izy ireo sy ny mponina tsirairay any honkong ny fifonanay. Avy amin'ny fonay no hifonanay tamin'ireny zava-nitranga ireny.”Tena malahelo tokoa izahay ary tena miala tsiny indrindra”..=,((

Nifamaly hafatra tamin'ireo Filipiana tao amin'ity pejy ity ihany koa ny olona tany Hong Kong:

Wong Johnson:Ry Filipiana manontolo, takatro fa ny kolikoly goavana ataon'ny firenenareo no tena fototra niavian'io zava-nitranga io ary maro ihany koa ianareo no tratran'izany. Noho izany, hanome tsiny iny tranga iny fotsiny ihany izahay fa tsy ny firenena manontolo.
Christmas Cheung: Na dia mahafinaritra aza ny ankamaroan'ireo Filipiana. Mba ho HKP, dia nanapa-kevitra foana aho fa tsy ho any Filipina mihitsy mandritra ny androm-piainako :S
Laurel Lee: Ankehitriny, manantena fotsiny aho fa hifona ireo izay nanao ny tsy nety… Tsy afaka manao na inona na inona ianareo nefa nijery izany tamin'ny fotoana nitrangany ary nampiseho fa miraharaha ianareo. Afaka mahita ny hatsarana ao anatinareo aho, kanefa tsy afaka hanaiky izany fifonana izany. Satria tsy noho ianareo no nitrangan'izany zavatra mahatsiravina izany. Ny mpitandro filaminana, ny fitondrana, sy ireo mpaka sary no tokony hifona, nefa tsy manao izany izy ireo. Izany no mahatonga anay mbola marary.
Nitendry teny mampihetsim-po teto ihany koa aho omaly. Miala tsiny mikasika izany…”fa ny fijeriko amin'ny famotsorana ny fahatezeran'ireo HongKongiana dia tsy tsara na ho ahy na ho anareo. Tsy mila fihetsehim-po ratsy tahaka izany ianareo rehetra.

Indraindray dia misy ireo fanambarana mampiseho hatezerana nefa toa misy ireo fiezahana tsara sy am-piheverana tamin'ireo mpamela hafatra tao amin'ny pejy mba hisorohana ny herisetra:

Jackson Chi Wai Tsang: Avy any Hong Kong aho. Mihevitra aho fa ny ankamaroan'ireo Filipiana eto amin'ity pejy ity dia afaka mahatakatra ny fihetsehim-ponay. Iangaviana ianareo hanana izany fomba izany hatrany ary hampiely izany any amin'ireo akaiky anareo izay mbola tsy mahatakatra.
Anthony Morabe: Ry Filipiana, Raha niteny zavatra ratsy mikasika anay izy aza mamaly. Aza miady hevitra amin'izy ireo, tsy hanampy izany. Halalino fotsiny ny fahatakaranao. Takatry ny saina mihitsy izany raha toa izy ireo ka nanao fihetsika mahery sy tsy niala tsiny momba izay nety nitranga na aiza na aiza satria mihevitra aho fa efa naheno izany in-tapitrisa izay ireo hatreto. Manantena fotsiny ihany hoe indray andro any afaka izay ireo ary hamela antsika. PEACE.
Xavier Leung: fampahatsiahivana kely ho an'ny rehetra izay mamela hafatra eto amin'ity pejy ity:
1. iangaviana ianao hanoratra amin'ny teny izay sady azon'ny any Hongkong no azon'ny any Filipina ihany koa.
ny fampiasana teny izay tsy takatry ny olon-kafa dia mety hahatonga tsy fifankazahoana ary tsy mampiseho fanajana.
2. iangaviana ianao tsy hampiasa ny mpandika-tenin'ny Google, satria ny vokatra azo ao tsy tsara.
3. iangaviana ianao tsy hamerina hamoaka hafatra efa hita ao amin'ny pejy, hika tanteraka ny pejy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.