Mexico: Oliravin'ny Tontolo 2010 nisarika ny sain'ny rehetra tao amin'ny Twitter

Tanatina tsiky maharendrika, satroboninahitra mamiratra sy mpanotrona marobe mihorakoraka sy feno fankasitrahana, tamin'ny Alatsinainy alina teo no nibata ny fandresena ny Oliravina Mexico 2010 i  Jimena Navarrete tamin'ny Fifaninanana Oliravin'ny Tontolo [Miss Universe contest] tamin'ity taona ity izay natao tao amin'ny Mandalay Bay Resort sy ny  Casino tao Las Vegas, Etazonia. Tamin'ny naha-vahiny nasaina azy ireo dia i  Natalie Morales sy Bret Michaels no nanolotra ireo sokajy samihafa nisy ireo mpifaninana nahavalalanina, Nifampizara fanamarihana tamin'ny alalàn'ny tenifototra (#missuniverse sy ny dikany amin'ny teny Espaniola, #missuniverso) mifandraika amin'ilay lohahevitra ireo mpampiasa  Twitter manerantany, nanehoan-dry zareo ny tombony ho azy ireo sy ny fanohanany. Ireo  Meksikana mpampiasa Twitter, indrindra indrindra, dia namoaka fanamarihana maromaro mahatsikaiky ary taorian'ilay fifaninanana.

Jimena Navarrete, Oliravin'ny Tontolo taona 2010. Sary an'i Guillermo Flores, mpampiasa flickr memoflores, nampiasàna ny Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic Creative Commons license

Jorge Miranda (@Georgepogoda) dia nanome soso-kevitra [es] an-dry zareo Meksikana mba hankalaza izany eo amin'ny tsangambaton'ny sarin'anjelin'ny fahaleovantena, iray amin'ireo tena endrika maneho ny renivohitra, ny tanànan'i Mexico:

Si gana la de México nos vamos al angel? #missuniverso

Raha iray amin'ny Meksikana no mandresy, tsy tokony ho eo amin'ny sarin'anjely ve isika no hifamory? #missuniverso

Nony nambara fa ny mpifaninana Meksikana no mpandresy, nanomboka nitosaka isan-tsegondra ireo bitsibitsika (tweets). Ity fanamarihana ity [es] dia nalefan'i  Alex Torres (@psicoloco), sady nanamarika roa tamin'ireo vaovao lehibe teo amin'ny firenena koa izy: ny fankalazàna tsy ho ela ny  “Bicentenario”, na ny ‘faha-roanjato taona’ ( hankalazàna ny faha 200 taonan'ny fahaleovantena Meksikana) sy ny lalàna vaovao mamela ireo mitovy nefa mifanambady mba ho afaka manangan-jaza:

“Bien! Tenemos #MissUniverso por 2da vez! Esto es para celebrar el #Bicentenario y las #BodasGay!”

“Milay be! Antsika fanindroany indray ny #MissUniverso! Izany dia ho fankalazàna ny #Bicentenario [#faharoanjatio taona] sy ny #GayWeddings [#FifanambadianNyMitovy]

Mpampiasa iray hafa, Gilberto Ruiz (@gilber7), no naneho hevitra somary nanafintohina [es],

TENDREMOS NARCO! TENDREMOS VIOLENCIA!! NUESTRO GOBIERNO VALE MADREEEE!! PERO DE QUE SOMOS BONITOOOOOOS!!! LO SOMOS!!! #MissUniverso

METY HO MANANA NARCO ISIKA [mpanapariaka zava-mahadomelina]!  METY HANANANTSIKA NY HERISETRA!! TSY IZAY LAFATRA AKORY NY GOVERNEMANTANTSIKA!! NEFA RAHA HANONTANY ANTSIKA RY ZAREO HOE MANJA VE ISIKA!!! IZANY ISIKA!!! #MissUniverso

Raha teo ampandraisana satroboninahitra i Navarrete, nisy hetsika hafa nanan-danja nitranga ihany koa tao amin'ny firenena. Sahala amin'izay itateran'i [es] Hugo Camacho (@hugocamacho) hoe:

Mientras la MEXICANA estaba siendo coronada como la #MissUniverso un terremoto de magnitud 6,4 sacudió la costa oeste de México.

Raha mbola teo ampandraisana ny satroboninahitra ho ny #MissUniverse ilay MEKSIKANA  dia nisy horohorontany iray nanana hery hatramin'ny  6.4, nanontsonkontsona ny tendrony andrefan'i Mexico

Ny National Seismological Service (SSN) – Sampan-draharaha  Mpanara-maso ny Fihetsehan'ny tany ao Mexico dia nanamafy io vaovao io.

Antuan Diaz (@antuan_diaz) kosa nilaza [es] momba ny ekipam-pirenena  mpilalao baolina kitra ao Mexico ao anatin'ity bitsika ity:

11 hombres mexicanos de la selección no pudieron con la #WORLDCUP .. pero 1 sola mujer pudo con #MISSUNIVERSO Felicidades C:

Mety tsy ho afaka ny hahazo ny #WORLDCUP [amboara erantany amin'ny baolina kitra] ireo Meksikana 11 lahy ao anatin'ny ekipa [baolina kitra] … saingy kosa vehivavy 1 monja dia afaka mahazo ny #MISSUNIVERSO. Arahaba manokana C:

Faviola Martinez (@favyprincess), toy ireo maro hafa, dia naneho ny [es] fientanentanany:

VAMOS por el MARIACHI y unos TEQUILAS para celebrar #MissUniverso

Raiketo ny  MARIACHI sy ny  TEQUILAS ho enti-mankalàza #MissUniverso

Ankilan'izay, Zayra Alvarez (@zay_alvarez) nitondra fanamarihana [es] amin'ireo fanehoan-kevitra mikasika  tranga hafa izay ahafantarana manokana manerantany an-dry zareo Meksikana:

Cuando estudiantes del IPN o la UNAM ganan concursos mundiales de ciencia a todos les vale madres, pero no fuera #missuniverso porque ahí sí

Rehefa ny mpianatry ny IPN na  UNAM (Anjerimanontolom-pirenena) no mahazo ny fifaninana momba ny siansa dia tsy misy miraharaha, saingy raha mba toa ny  #missuniverso ry zalahy ireny…

Farany, ny Oliravin'ny Tontolo taona 2010 dia naneho ny [es] hafaliany sy fankasitrahany  tao amin'ny kaontiny manokana ao amin'ny Twitter (@ximenaNR):

Gracias a todos …los amo!!!!! Los veo al rato!

Misaotra ny tsirairay… Tiako daholo ianareo!!! Hihaona tsy ho ela isika!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.